Januária: Hafakely, Hafakely, Vakio Daholo Ny Momba Izany!

Noho ny maha zava-dehibe ny fandaharan'asa mandritry ny fito herinandro, izay nianaran'ireo tanora maro monina ao amin'ny tanàn-dehiben'i Januaria, Brezila ny fomba hametrahana fanontaniana mahakasika ny fomba fiasan'ny governemanta eto an-toerana sy ny hoe ahoana no hamadihana ireo fanontaniana ireo ho lasa lahasoratra ao anaty bilaogy, ireo olon-tsotra mpanao gazety  avy ao amin'ny tetikasa “Friends of Januária”  na “Ireo Sakaizan'i Januaria ” izay tohanan'ny Rising Voices dia namoaka vao tsy ela akory izay,  gazety vaovao manokana atao hoe “Folha do Norte” (Northern Page) [pt]. Ampian'ilay gazety resaka ihany koa ny amin'ny asa mandeha amin'izao fotoana izao izay ataon'ireo olon-tsotra  eto an-toerana, izay nandefa tatitra misy ny fanadihadiana ny momban'ny raharaha misy eto an-toerana mahakasika ny mponina manontolo.

Fanampin'ny fandefasana ny lahatsoratr'izy ireo amin'ny aterineto, ilay gazety elektronika sy ny natao printy dia manome làlana iray hahazoana ireo mponina eto an-toerana izay mety tsy mifandray amin'ny alalan'ny aterineto. Hita amin'ny toerana rehetra ao Januária, mitondra lahatsoratra fampahafantarana momba ny raharaha misy eto an-toerana manomboka amin'ny fahasalamana mankany amin'ny tetikasa misahana ny foto-drafitrasa, ny fampianarana, hatramin'ny anjara asan'ny kolontsaina ao an-tanàna.

Sintony  eto amin'ny endriny [.pdf  saingy teny Portige] ilay gazety:

Ato anatin'ny herinandro vitsivitsy, dia hadikantsika amin'ny teny Anglisy ireo santionany avy amin'ny sasany amin'ireo lahatsoratry ny “Folha do Norte”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.