- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gresy : “Tsy Tombon-dahiny Ho An'ny Mpanankarena Irery Ny Fiterahana!”

Sokajy: Eoropa Andrefana, Gresy, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny  Krizy ao Eoropa [1].

Fahatsapana rikoriko sy fahatezerana no naterak'ilay vaovao navoaka tao amin'ny  Eleftherotypia [2] (Fahafahan'ny  Filazam-baovao) [el] gazety nivoaka ny  5 Desambra  2011, izay namoaka fa ny hopitalim-panjakana sasany ao Gresy dia nandà tsy hikarakara ireo vehivavy izay efa nihetsi-jaza,  noho izy ireo tsy  manam-bola handoavana ny saran'ny hopitaly izay 950 euro.

Izany zavatra izany dia nitranga ny Novambra 2011, tao amin'ny hopitalim-panjakana tao  Athènes, Thessalonique, Rhodes ary Rethymnon.  Amin'izany ,  ny  saran'ny  “Fikarakarana mitambatra eny amin'ny hopitaly ” araka ny lisitry ny teti-bidy avy amin'ny  Ministeran'ny Fahasalamana ,  dia 950 euro ho an'ny fiterahana tsotra  ary  1.500 euro hoan'ny fiterahana mila fandidiana.  Mandoa vola mialoha ireo vehivavy bevohoka ary avy eo ny lany dia soloin'ny  sampan-draharahan'ny asa.

Birth. Photograph by Flickr user riqfy (CC BY-NC-SA 2.0). [3]

Fiterahana. Sary avy amin'i riqfy mpampiasa Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Taorian'ny fahatarana andro maro, ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny Firaisankina  Sosialy  dia nanelanelana  tamin'ny fanambaràna, izay nilaza fa [4] [el] tsy ilaina ny mandoa io vola io mialoha amin'ny ho avy,  fa na izany aza dia mbola mipetraka foana kosa ny olan'ny elanelam-bidy eo amin'ny lisitra ofisialin'ny sanda  sy ny famerenam-bola ataon'ny  sampan-draharahan'ny asa.

Fikambanana roa miaro ny zon'ny vehivavy, “Ny Fandraisan'andraikitr ny Vevhivavy hiadiana amin'ny Trosa sy ny Fepetran'ny Fitsitsiana” sy   “Ny Hetsia Tsy Miankin'ny Vehivavy”,  no nanomboka nanaitra ny saina momba ireo raharaha ireo :

Tsy tombon-dahiny ho an'ny mpanankarena irery ny fiterahana ! Mangataka fiterahana maimaimpoana izahay,  mangataka izahay mba halefa mivantana any amin'ny sehatry ny fahasalamana ny  vola fanampiana …

Nozarain'ireo Grika mpiondana aterineto sy nohadihadiany tamin'ny alalan'ny  filazam-baovao ara-tsosialy  ilay vaovao .

Dimitris Oikonomou dia maneho ny fahamenarany mikasika  ilay raharaha [el] :
@d_oikon [5]: ΝΤΡΟΠΗΗΗΗ…! Που φτάσαμε γαμώτο!! [Έδιωξαν από νοσοκομεία ετοιμόγεννες που δεν είχαν χρήματα…]
@d_oikon [5] :  MAHAMENATRAAAAA …! Inona loatra ary, no nahatonga antsika tamin'izao? [Ireo vehivavy efa mihetsi-jaza dia voarokan'ny hopitaly satria  tsy manam-bola…]
Raha toa ka ilay mpampiasa iray, Gangelakis, dia manampy  hoe,  amin'ny fanahin'ny fankalazana isan-taona [el] :
@Gangelakis [6]: Και ο Χριστός σε σπηλιά γεννήθηκε: Δημόσια νοσοκομεία αρνήθηκαν α περιθάλψουν ετοιμόγεννες,επειδή δν είχαν ν πληρώσουν
@Gangelakis [6] : Jesoa Kristy izy teneny aza teraka tao anaty  lava-bato  : ny Hopitalim-panjakana dia nandà ny fikarakarana ireo vehivavy efa mihetsi-jaza,  satria tsy manam-bola izy ireo
Nemi Vl dia nanao fanamarihana [7] [el] tamin'ny alalan'ny Facebook-ny :
Ένα ένα τα διαβάζω σήμερα, σκάνε σαν χαστούκια…
Mamaky mitambatra ireo vaovao androany… tahaka ny mahatsapa felaka tehamaina eny amin'ny tava ny tsirairay…
Mpampiasa aterineto Lector dia nanambara ny tena anton'ilay raharaha [8][el] tao aminà sehatra iray fifanakalozan-dresaka :
Δεν κοιταξαν την ταυτοτητα αλλα το πορτοφολι.
Tsy nijery ny kara-panondro izy ireo , fa mijery ny poketra .
Tao amin'ilay fifanakalozan-dresaka io ihany ,  ilay mpampiasa  simonbolivar dia nanao fampitahàna [9] [el] tamin'ny rafitra ara -pahasalamana Amerikana  :
Η ΑΠΟΛΥΤΗ ΞΕΦΤΙΛΑ!
Ο ΔΙΑΣΥΡΜΟΣ ΕΝΟΣ ΣΥΣΤΗΜΑΤΟΣ,ΚΑΙ ΜΙΑΣ ΚΥΒΕΡΝΗΣΗΣ!
Μας κανανε Αμερικη,οπου αν δεν εχεις καλη ασφαλιση εισαι τελειωμενος!
TENA FAHAFAHAM-BARAKA TANTERAKA !
ALA SARON'NY  RAFITRA SY NY GOVERNEMANTA IRAY !
Navadik'izy ireo ho Amerika isika, aiza no hiafaranao raha toa ka tsy manana antoka tsara ianao!Raha tamin'izany ihany, ilay mpampiasa Isis dia manampy fanabarabarana tamin'ny fanehoan-kevitra tany aminà  sehatra fifanakalozan-dresaka isan-karazany [10] [el] : 

Συγκίνηση, γινόμαστε Αμερική.
Ακούς εκεί να ξεγεννάνε δωρεάν τα δημόσια νοσοκομεία. Κατάργηση και του επιδόματος τοκετού ΤΩΡΑ.
Tena tohina ny foko, lasa Amerika isika.
Hiteraka maimaim-poana any amin'ny hopitalim-panjakana? Tsy azo tanterahana. Maninona koa raha tapahana IZAO ny vola fanome rehefa miteraka.
Tao aminà vavahadim-baovao iray izay nizaràna ilay vaovao, maneho ny hatezerany ilay mpampiasa Harry tao amin'ilay lahatsoratra niaingana momba ny fandaniana any amin'ny hopitaly [11] [el] ary resaka mikasika ny fiatrehana fiterahana :
Από όλες τις επιθέσεις που έχω δεχτεί από το κράτος (χαράτσια, ΔΕΗ, φόροι) πρέπει να πω ότι η μεγαλύτερη οργή μου προκαλείται από το πως αντιμετωπίζει την έγκυο γυναίκα μου. Η ασφάλειά μου δεν καλύπτει τίποτα πλέον (ΤΕΒΕ) και το νοσοκομείο είναι πανάκριβο και για κλάμματα. Κάθε κράτος στηρίζει την μητρότητα εκτός από την Ελλάδα. Αν συνεχίσει αυτή η κατάσταση θα μεταναστεύσουμε σε άλλη χώρα οικογενειακώς.
Raha tamin'ireo herisetra rehetra nataon'ny fanjakana tamiko (hetra midangana, jiro, haba fanampiny), dia sahy milaza aho fa ny tena mahasosotra ahy indrindra dia ny fomba fikarakaràna natrehan'ny vadiko bevohoka. Tsy mahasarona na inona na inona intsony ny antoka ananako (Famatsiam-bola Ho An'ireo Mpiasa Tsy Miankina sy ny Mpanao asa tànana) ary lafo be ny hopitaly sady ratsy ny tolotr'izy ireo. Ny firenena rehetra dia miantoka ny fiterahana afa tsy i Gresy irery ihany. Raha mbola mitohy izao zavatra izao, dia ho entiko ny fianakaviako rehetra ka hifindra monina any ivelany izahay.
Ilay mpampiasa Twitter, Jordi , dia manakiana izay rehetra  tomponandraikitra amin'izany [el] :
@jorjito73 [12]: Έδιωξαν από νοσοκομεία ετοιμόγεννες που δεν είχαν χρήματα…Όχι δεν φταίει ο Λοβέρδος, οι ανάλγητες διοικήσεις…
Noroahan'ny hopitaly ireo vehivavy mihetsi-jaza, satria tsy manam-bola izy ireo…Fahadisoan'i Loverdo [Minisitry ny Fahasalamana] ve ?  Mazava ho azy fa tsia,  ny fitantanana tsy rariny no omeo tsiny…
Lasa nivadika tanteraka taminà lohahevitra hafa mihitsy ilay adihevitra nony avy eo, mikasika ny ho avin'ny firenena sy ny mponina any aoriana any [el] :
@katerinas_diary [13]: @jorjito73 [14] επεμβαίνουν και στο μέλλον της φυλής δηλαδή.. Αν οι άνεργες κλπ ετοιμόγεννες δεν θα γίνονται δεκτές στα δημόσια νοσοκομεία!!!
@katerinas_diary [13]@jorjito73 [14] Misalovana amin'ny ho avin'ny sokajin'olona izy ireo, izany no izy…Raha vehivavy tsy an'asa mikasa ny hiteraka no tsy tafiditra amin'ny hopitalim-panjakana!!!
@jorjito73 [15]: @katerinas_diary [16] Είναι μια αρχή κι αυτή για να διαμορφώσουν οριστικά & αμετάκλητα το εκλογικό σώμα τα επόμενα χρόνια… Αίσχος και κατάντια
@jorjito73 [15]@katerinas_diary [16] Fanombohan'ny fananganana andianà mpifidy mandritry ireo taona manaraka ho avy izany, indray mandeha tsy miverina…fahafaham-baraka sy fahambanian-tsaina tanteraka.

Ny fiterahana ao Gresy dia toa nihena 15% nandritra iny taona lasa iny [17][el], satria ny fahasarotan'ny raharaha ara-toekarena dia manery ireo mpivady hanemotra ny fanànany ny zanany voalohany na faharoa.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny [1]Krizy ao Eoropa [1].