Tao anatin'ny volana maromaro izay, namoaka vaovao mikasika ny fisomparana faobe ny kaonty Twitter an'ireo mpiserasera izay mitsikera mivantana ny Filoha Hugo Chàvez ny valan-tserasera sy ny fampahalalam-baovao mahazatra ao Venezoela . Nahatsikaritra ireo mpiserasera olo-tsotra fa ny mpisera Twitter, fantatra amin'ny tsikera ataony amin'ny governemanta, dia nandefa hafatra haingana ho fanohanana mavitrika ny “Revolisiona Bolivariana“, na miaiky fa mpanaraka ny Twitter sy mpankafy ny Filoha Chávez.
Anisan'ireo kaonty Twitter tratran'izany ihany koa ny an'ireo artista, mpanao politika, mpanao gazety, mpanoratra, ary mpianatra izay mitsikera mivantana ary manohitra ny governemanta.
Roa volana lasa izay, namoaka filazam-baovao ny vondrona N33 (azo jerena ao amin'ny Taringa izany) ary nandray andraikitra mikasika ny “fanesorana” niseho nandritra izay fotoana izay. Nanamafy koa izy ireo fa mpanaraka ny Twitter an'i Chávez ary miombo-kevitra aminy, ary tsy misy idirany na ny governemantany ny tranga niseho .
Araka ny voalazan'ny vondrona, fantatra fa fanehoan-kevitra tafahoatra sy fiteny manala-baraka manohitra ny Filoha sy ny Andrimpanjakana no nataon'ireo olona izay niharan'ny fakàna ny kaontiny Twitter . Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy misy idiran'ny vondrona [tsy fantatra anarana] na “Anonymes”, vondrona izay heverin'izy ireo fa “manohana ny imperialista” izany Daniela López, naneho hevitra tao amin'ny La Gente Dice :
¿Tendrá que preocuparse Anonymous por este nuevo grupo de hackers? Aparentemente no, porque N33 los considera un grupo “Pro- imperialista” y lo que ellos buscan es hacer justicia por los atropellos cometidos contra el presidente Chávez y su gobierno en Twitter
Mpanoratra ny bilaogy Ay Caracha tsy mankasitraka ny vondrona:
Al autor del ataque a la cuenta de Berenice, realmente lamento que gaste su inteligencia para destruir un medio que muchos de nosotros utilizábamos para entrar en contacto con los personajes de un programa de radio que tenemos derecho a escuchar.
Carlos Bolívar , amin'ny hafatra navoakany “Unreliable citizen media” “valantserasera tsy azo antoka tsara” nilaza hoe:
Cada [día] sale una nueva mentira, un nuevo hackeo, entonces el día que salga un tubazo por Twitter vía @globovision o @chavezcandanga ¿QUIÉN LO VA A CREER?.
Ao amin'ny Twitter, Jose Manuel da Silva (@chacazulu451) manolo-kevitra fa mety tafiditra amin'ity fanaovana hosoka ity ny orinasa misahana ny fifandraisan-davitra, CANTV ao an-toerana:
Adivina, adivinador!! RT”@NoticiasVenezue: Yo pregunto: el hackeo de las cuentas twitter no viene de dentro de la CANTV? #Venezuela
@CelesteAcosta ihany koa nanasongadina tamin'ity teny farany mahafinaritra feno esoeso ity
Solo en mi Bello Pais! #venezuela bien por Luis!!@laureanomar: Para informar que@luisvicenteleon hackeo al hacker y recuperó su cuenta…
Farany, Luis Carlos Díaz, tao amin'ny lahatsoratra nosoratany “The hacker's check” (ny fanaraha-maso atao amin'ireo mpanao piraty) , naneho hevitra ary nandinika hoe:
En estos meses se realizaron denuncias ante los organismos competentes que se mantienen aún en proceso. El resultado es que los delitos aumentan y el silencio oficial continúa. No ha habido pronunciamientos para deslindarse de estos actos viles contra la libertad de expresión. Quizás porque es similar al retiro de concesiones de radio, la prohibición de circulación temporal de diarios, o aquella insólita resolución que censuraba las noticias y fotografías de sucesos en la prensa nacional. ¿Se recuerda eso?