- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia : Androm-pifidianana Rakotry ny DDoS

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet

Tonga ny androm-pifidianana ao Rosia. Ary miaraka amin'izany, ny fanafihana amin'ny DDoS sy ny hosoka.

Famoretana alohan'ny fifidianana

Ny famoretana tamin'ireo vohikala tsy miankina dia niseho andro maromaro talohan'ny fifidianana. Tafiditra ao anatin'ilay hetsika ho fanoherana ny Election Violation Map (na Sarintanin'ny Herisetra amin'ny Fifidianana) [1], ny fanafihana amin'ny DDoS dia nanomboka tamin'ny LiveJournal, Golos.org (fikambanana mpanaramaso ny fifidianana) sy ny KartaNarusheniy.ru (sarintanin'ny herisetra amin'ny fifidianana, miainga avy any ifotony).  Hatramin'ny 3 Desambra 2011 alim-be, dia mbola nandeha tsara ireo vohikala ireo, fa kosa ny androm-pifidianana , ny 4 Desambra, dia rava ny fiarovan-tenany.

Ny 2 Desambra, Alexey Sochnev, mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny Besttoday.ru (vohikala iray izay manangona ny lahatsoratra avy amin'ny  bilaogy, bitsika, sy ny filazam-baovao sosialy) dia nosamborina. Nniditra an-kerisetra tsy nisy taratasy ara-dalàna akory ny polisy, nisambotra an'i Sochnev sy nisava ny tranony. Sochnev koa dia solontenan'ny biraon'ny fampielezan-kevitr'i  Eduard Limonov [2].  Ny 11 desambra, Limonov dia niomana ny hanambara ny filatsahany amin'ny fifidianana filoham-pirenena  ao amin'ny Federasiona Rosiana. Olona maro hafa no nosamborina niaraka tamin'i Sochnev: Nikolay Avdyushenkov, Andrei Gorin, Nina Silina, ary Maria Zinchenko. Voampanga araky ny Artikla 282 [3] ao amin'ny Lalàna Ady Heloka Rosiana izy ireo – “Fandranitana fifankahalàna Nasionaly, Ara-poko, na Ara-pinoana”. Marina Litvinovich, Talen'ny Besttoday.ru dia nandefa bitsika [4] [ru] nanambara fa ny polisy dia nisava koa ny tranon'ilay mpanoratra rindrankajin'ilay vohikala.

Efa alim-be ny 3 Desambra, Lilia Shibanova, mpitarika ilay fikambanana Golos.ru dia nosamborina [5] tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Sheremetyevo ao Mosko. Ireo mpiambina ny sisintany dia tsy namoaka an'i Shibanova nandritra ny 12 ora, tamin'ny fotoana nanekeny ny hanome ny solosainany, izay noahiahiana ho misy “rindrankajy mampidi-doza.” Ireo mpanaraka ny Twitter dia notenenina mba hanova ny teny miafiny teo noho eo, kanefa miandry ny hahita ny votoatin'ny famelan-kafatr'i Shibanova any amin'ireo vohikala misy “-mitete”  sasany.

Tsy hoe ireo mpikambana ao amin'ny Antoko mpanohitra Rosiana fotsiny no voakasika manokana. Ilay vohikala an'ilay mpanolotra fandaharana Sergey Minaev manohana ny Kremlin,  dia nisy nijirika [6] [ru] ary nisy namafa ny zavatra noraketiny. Kommersant.ru, vohikalan'ilay gazety malaza mpiseho isan'andro, dia nisy nijirika ary lasa tsy hay vakiana [7] [ru].

"Their time is over. People's rally against fake elections." Screenshot by roem.ru [7]

"Efa tapitra ny andron' ireo. Fitokonam-bahoaka manohitra ny fifidianana feno hosoka." sary avy amin'i roem.ru

Andron'ny DDoS

Voalaza fa hoe fanomanana fotsiny ihany ireny ho amin'ny fanafihana mahery vaikan'i DDoS ho fanoherana ireo sehatra anaty aterineto izay mikatsaka hamatsy vaovao tsy miankina momba ny fifidianana.
Tsirairay , nianjera izy ireo. Fangatahana be dia be mihoatra ny “10 gigaoctets” isan-tsegondra no mitobaka eo amin'ny tontolon'ny bilaogy:

Ilay onja  DDoS dia nijanona minitra maro talohan'ny fiafaran'ny fifidianana tao Rosia afovoany (izay nahitana ny ankamaroan'ireo mpifidy mivantana) :

Mpanao gazety ao amin'ny Akon'i Mosko, Vladimir Varfolomeev dia nanaoratra hoe [24] [ru] :

А вот и сайт Эха вроде заработал. Сразу после окончания выборов. Конечно, это совпадение, правда, Владислав Юрьевич?

Ary miasa indray ny vohikalan'i Echo. Raha vao vita ny fifidianana. Fifanandrifian-javatra ve izany ? Mazava ho azy, moa tsy izany va, Vladislav Yurievich [namaly an'i Vladislav Surkov [25], Depiote Voalohany ao amin'ny fiadidian'ny Filoham-pirenena Rosiana].

Ilya Sachkov,talen'ny orinasa mpanao fanadihadiana momba ny heloka bevava  anaty aterineto,  IB Group,  dia namaritra [26] [ru] ny endriky ny fanafihana natao an'ny Akon'i Mosko :

Атака ведется с крупного ботнета, рассредоточенного по всему миру – множество атакующих компьютеров находятся на территории США, Китая и других стран. Российских IP-адресов мало. Мы также фиксируем нечто похожее на атаку в адрес “Голоса”, но здесь преимущественно российские IP-адреса и адреса стран ближнего зарубежья

Ilay fanafihana dia natao avy tao aminà “botnet” iray lehibe [tambajotranà solosaina tratry ny aretina] naparitaka manerana izao tontolo izao- ny maro amin'ireo Solosaina nanafika dia hita ao Etazonia, Shina, ary  firenena hafa. Vitsy monja ihany ny adiresy IP Rosiana. Isika koa dia vavolombelon'ny zavatra izay mifanakaiky amin'ny fanafihana ny Golos, kanefa ato dia ny adiresin'ny IP izay Rosiana ny ankamaroany no hita ary ireo avy amin'ny [firenena Firaisana Sovietika teo aloha].

Mampangiana ny  “Ny Feo”
Ny fanafihana ny Golos.ru (‘golos’ dia midika hoe ‘feo’ amin'ny teny Rosiana) ary ny Gazeta.ru dia tsy nifarana tamin'ny androm-pifidianana.
Ny 4 Desambra, Mikhail Kotov, tonian'ny famoahan-dahatsoratry ny Gazeta.ru (fampahalalam-baovao manohana ny Election Violation Map) dia nasaina [27] [ru] tao amin'ny Roskomnadzor, sampana Rosiana mpandrindra ny filazam-baovao, mba hiresaka ny momba ilay sarintan-dry zareo, ka nandritra izany ny Gazeta.ru dia voampanga [28] [ru] amin'ny fifidianana tsy manara-dalàna ary fihetsika mitongilana loatra manoloana ny antoko Rosiana Mitambatra (United Russia).

Tamin'ny mitataovovonana dia nisy kaonty Twitter sandoka, @goIos_org, nalefa mba hampisavoritaka ny mpamaky. Tamin'ny 7:47 hariva, ilay mpampiasa Twitter @deniskin dia nanambara tenifototra nandefa hafatra tsy mendrika tanaty aterineto hoe #охотанажуликов [29] (‘Fandroahana ireo mpisoloky’) sy #наблюдатель [30] (‘Mpanaramaso”). Ireo roa ireo dia  samy nampiasaina mba handrindrana ny asan'ireo mpanaramaso ny fifidianana.