Karaiba: Fisaina Ho An'ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny SIDA
Tamin'ny 1 Desambra teo ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny SIDA. Ny lohahevitra nentina tamin'ity taona ity dia hoe “Mijotso hanatratra ny aotra”, izay, raha amin'ity teninà mpitoraka bilaogy Karaiba ity, dia midika hoe miezaka “manatratra ny tanjona 3 : Tsy misy fifindran'aretina VIH vaovao. Tsy misy fanavakavahana. Tsy misy fahafatesana azo avy amin'ny SIDA. Raha avadika amin'ny fiteny hafa dia hoe, miarova tena, ‘ndeha hanao fitiliana, poteho izay takaitra mifandray amin'ny resaka SIDA. Andeha jerena ny antony nahatonga azy ary andeha hanao hetsika amin'izy ireny.”
Niara-nientana taminy ireo iray faritra aminy nitondra ny fomba fijerin'izy ireo sy ny fanohanana amin'ilay ady atrehana amin'ny VIH sy ny SIDA.
Nanaraotra ity fotoana ity ihany koa ny Girl With a Purpose na Tovovavy Jamaika manana Tanjona mba hanaovana antso tsy fanaovana firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana tamin'ireo tanora:
Any Jamaika, olona 32,000 no voan'ny SIDA fa tsy mahalala izany akory ny antsasak'ireo. Izay hoe olona iray amin'ny 9. (Manana mponina miisa maherin'ny 2.7 tapitrisa i Jamaika).
Na dia manampy ireo olona mitondra ny tsimok'aretina VIH sy efa anatin'ny SIDA hanana fiainana maharitra kokoa aza ny fandrosoan'ny teknolojia, dia mbola hita eny ihany ny takaitra maneho ny fitondran'izy ireo ny tsimok'aretina.
Miantso ireo tanorantsika aho:
Zava-dehibe amin'Andriamanitra ny fahasalamanao.
Hainy fa manimba ny fanahin'ny olona ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana.
Mety hahafaty anao ny tsy fahafantarana momba ny firaisana ara-nofo sy ny fanaovana firaisana ara-nofo voaaro.
Tsy handositra ny firaisana ara-nofo… Mifantoha amin'ny fampandrosoana anao iray manontolo: ny fanahinao, ny sainao, ny fahasalamanao, ary ny vatanao.
Ny mpiray tanindrazana aminy , The Wickedest Time, dia naneho fomba fijery telo mikasika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny SIDA eto, eto ary eto; ahitana toy izao ny fanazavana sasany:
Tena misy ny SIDA ary anjaranao raha te ho tompon'andraikitra ianao, mampiasa fiarovana, manaova fitiliana matetika, ary aza jamba sy matimatin'ny tsara tarehy sy tsiky mahafinaritra fa ny olona atokisanao ho tena marina sy mendrika ny hiaraka aminao mandritra ny androm-piainanao eo ambany fitantanany ihany no ekeo.
Tokony ho taitra amin'ity areti-mifindra ity bebe kokoa eo amin'ny fiainana andavanandro ny olona– fa tsy hoe amin'ity andro manokana ity ihany. Tsy dia tsara loatra hoe hazavaina ao anatinà iray andro ity areti-mifindra dia arahana fahanginana ny andro 364 hafa.
Tokony hiezaka bebe kokoa isika mampianatra ny vahoakan'izao tontolo izao mikasika ny iray amin'ireo aretina tena mahafaty hatreto satria tena hita mazava izao fa efa ambony be ny tahan'ny olona tratry ny aretina. Miaraka aminà fampianarana kely mikasika ny fomba hiarovan-tena na mikasika ny zavatra tokony hataonao raha tratran'ny aretina ianao, tsy ho voafehy ny firongatr'ity olana ity.
Andro iray izay tiantsika hanapariahana ny fahatsapan-tena, fa tsy ny aretina. Ny SIDA no areti-mifindra TENA mahafaty indrindra voasoratra amin'ny tantara. Tsy hanafoana azy mihitsy akory ny tsy firesahana momba izany. Ny hany zavatra tokana azonao atao dia ny miaro tena.
Any an-kafa any St. Lucia, etsy andaniny, nanontany tena i Alien in the Caribbean raha iray amin'ireo alaolan'ny fianahan'ny areti-mifindra SIDA ny “fanaovana firaisana anaty fifankatiavana marina sy ny fanaovana firaisana ara-nofo voakajy eo amin'ny olon-droa miaraka”. Notohizan'ilay mpitoraka bilaogy tamin'ny fanazavana ny antony mahatonga azy hahatsapa fa rehefa resaka mikasika ny firaisana voakajy no atao eo amin'ny faritra, dia ny hany ao an-dohan'ny olona avy hatrany dia hoe ny fitsofohana eo amin'ny maha-vehivavy fa tsy mba misy zavatra hafa” :
Tena mampalahelo ahy ity tsy fisian'ny fahiratan-tsaina lalina ity, indrindra hoe misy zavatra an-jatony maro sady miaro no tsara azon'ireo olon-droa atao, na dia hoe olona mitondra ny tsimok'aretina VIH aza ny iray, hifampizaràna ny fiainany manokana sy ny fahafinaretana. Ka noho izany no mahatonga ahy hametraka ny fanontaniana hoe ‘Azo lazaina ve fa ny tsy fisian'ny fahiratan-tsaina amintsika, raha ny firaisana ara-nofo no resahina, no iray amin'ireo antony maro mahatonga ny SIDA miparitaka haingana eto amin'ny faritra?’
Angamba raha mifantoka kokoa amin'ny kalitaon'ny traikefantsika amin'ny resaka firaisana ara-nofo isika fa tsy amin'ny habetsahany isan'ny “fahafahana nanao ‘partie’ iray” (indrindra ho an'ny lehilahy), dia ho mora kokoa ny hametraka ny hoe firaisana ara-nofo nandeha hoazintsika ho firaisana ara-nofo ieren-doza. Ny marina dia mifamatotra ny firaisanara-nofo ieren-doza sy ny fanaovana firaisana milay.
Manome soso-kevitra izy aty afara hoe:
Azo avy amin'ny karazana fifankahazoana manokana izay manome làlana amin'ny fifaneraserana, ny zavatra mikasika ny fahafinaretan'ny iray ary koa ny fahasalamany, ny fifankahalalana miaraka, ny fifampizaràna faniriana sy fientanentanana ary ny fahalalahana mahatsiaro fa voaaro ao anatina fifandraisana ara-pitiavana ny firaisana ara-nofo tsara. Ny tombony, mety hihena ihany koa ny ankamaroan'ireo tsy fifanajana izay matetika miteraka ny fiparitahan'ny SIDA raha toa ka mifanome fahafaham-po eo amin'ny firaisana ara-nofo ny isan-tokony.
Amin'izao vaninandro sy taonan'ny areti-mifindra SIDA izao, ny tsirairay dia mety hiandry ny fahiratantsika mba hitombo hiala lavidavitra kokoa amin'ny resaka firaisana ara-nofo bontolo fotsiny. Dia notohizantsika fotsiny izao ireo fihatsaram-belatsihy sy henatra efa lany andron-dry zareo. Tsy nitondra fanampiana mivelatra be eo amin'ny firaisana ara-nofo isika, ny torohevitra amin'ny firaisana ara-nofo, ny torohevitra ho an'ny olon-droa miaraka na fampianarana misokatra sy marina mikasika ny fananahana sy ny firaisana ara-nofo. andritra izany fotoana izany anefa dia mbola mamelona foana ny fomba fanaovana firaisana ara-nofo taloha foana isika eo amin'ny mozikantsika sy ny kolotsainantsika.
Tsy tongatonga foana ny hoe ireo firenena ahitàna ny tahan'ny olona mitondra ny VIH ambony indrindra dia ireo firenena izay mbola mitazona be ny fomba aman-panao taloha, mihidy sy voafatotry ny fivavahana feno fihatsaram-belatsihy momba ny firaisana ara-nofo
Monina any Trinidad sy i Tobago , i Globewriter dia nampakatra ny sarin'i Matthew Shepard miaraka amin'ny fanambarana iray avy amin'ny fikambanana izay natsangana ho fahatsiarovana azy, manolotra ity lahatsoratra ity:
Ho an'ireo izay rehetra lavon'ny aretina ary nankahalaina ary koa ho an'ny fanantenana amin'ny hoavy tsaratsara kokoa.
Namarana tamin'ny naoty feno fanantenana i Havana Times :
Tsy misy fifindran'aretina VIH vaovao. Tsy misy tranganà fanavakavahana. Tsy misy fahafatesana azo avy amin'ny SIDA, ireo no tanjona napetraky ny fanapahan-kevitry ny UNAIDS.
Na dia toa tsy ho tratra mihitsy aza ity tanjona ity, dia milaza ny manam-pahaizana fa namelabelatra fandaharan'asa sy fomba fiarovana mora i Kioba izay ahitana ny asa fikarohana, ny fitsapana, ny fiofanana ary koa ny fanoroana hevitra ny sarambabem-bahoaka, raha ny tatitry ny PL.
Fivoarana lehibe no hita teo amin'ny nosy teo amin'ny asa natao mikasika ny VIH/SIDA, izay nitondra tamin'ny fampivoarana ny kalitaon'ny fiainan'ireo marary, nanondrotra ny taham-pahavelomana ary nampihena ny fahasarotana.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...