- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amerika Latina : Resadresaka Niarahana Tamin'I Santiago Hoerth Momba Ireo Teknolojia Malalaka

Sokajy: Amerika Latina, Mediam-bahoaka, Teknolojia

[Raha tsy misy ny fanamarihana milaza ny mifanohitra amin'izany dia amin'ny teny espaniola avokoa ireo rohy voatanisa etsy ambany]

Santiago Hoerth izay mpanangana sy mpiara-mandrindra ny Código Sur [1] (Kaody Atsimo), dia nanao famelabelarana mitondra ny lohateny hoe “Internet Libre con Tecnologías Libres” (Aterineto malalaka miaraka amin'ireo teknolojia malalaka) ho fankalazana ny Congreso de Cultura Libre [2], izay natao ny 17 sy 18 oktobra tany [3] Quito, any Ekoatora [4]. Saika hita manontolo anaty  lahatsary roa (1 [5] sy 2 [6]) ety anaty aterineto ny fampitàna nataony . Ny fikambanana “Código Sur” dia mitono-tena [7] ho :

vondron'olona avy aminà anatina hetsika sosialy samy hafa izay miahy ny zon'olombelona, [sy] ireo fahalalahana sy ireo dingana sosialin'ny fahavitan-tena. Amin'izany fomba izany ihany, izahay dia [mifantoka] amin'ireo endrika vaovaon'ny fifandraisana ary ireo fitaovana ara-teknolojika.

Mitanisa [8] izy ireo ao anatin'ireo tanjony :

  • Miara-miasa ho amin'ny fampandrosoana sy ny fitaovam-pampifandraisana sy ireo teknolojia any Amerika Latina.
  • Manatanteraka ireo tetikasa sy lamin'asa mandrisika ny fifandraisana sy manamora ny fahazoana miditra amin'ny Aterineto ary ireo teknolojia fampahalalam-baovao sy fifandraisana  (TIC) anatin'ireo fikambanana Amerikana Latina.

Andro roa taorian'ilay fihaonana, nihaona tamin'i Santiago aho mba hiresadresaka, anatin'izany, ny mikasika ny Código Sur :

Ny iray amin'ireo foto-kevitra noresahan'i Santiago nandritra ny resadresaka nifanaovako taminy mikasika ireo tebo-pifanakalozana tsy miandany [9] sy ireo tambajotra malalaka. Manazava amin'ny antsipiriany momba izany izy amin'ity lahatsary manaraka ity :

Manazava [10] amin'ny antsipiriany kokoa ny Wikipedia, mikasika ireo teboka tsy miandany ireo :

Ny lafiny ara-teknika sy fampitaovana ny sampana fifanakalozana fifandraisana eo amin'ireo samy mpanome tolotra fidirana Aterineto (FAI) dia voafehin'ireo fifanekena mikasika ny fifampifandraisana [11]. Eo ambanin'ireo fifanekena ireo, matetika dia ifanakalozana tsy misy sarany io fifanakalozana fifandraisana io. Rehefa mitondra aminà saram-pifandraisana ny fifanakalozana iray, matetika ireto farany dia zaraina amin'ny totalimben'ireo mpandray anjara. […] Ireo anjara mifototra amin'ny haavon'ny fifamoivoizana dia tsy tena be mpahafantatra satria tsy mampiroborobo ny fivoàran'ny fizaràna tsy miandany izany.

Ny (tambajotra malalaka) Redlibre koa dia anomezana fanazavana [12] amin'ny antsipiriany ao amin'ny Wikipedia, nefa mahaliana dia mahaliana tokoa ny tanjon'io tambajotra io :

  1. Fananganana Tambajotra Malalaka (Red Libre)
  2. Fitondràna ny teknolojia ho eny amin'y fiarahamonina sy fanamoràna kokoa ny fifandraisana
  3. Ny famoronana tambajotra vonjy taitra izao azo ampiasaina mandritra ny fotoanan'ny loza voajanahary

Ny fampidirana amin'ny teny Espaniola ao amin'ny Wikipedia koa dia manamarika olana iraisana eny anivon'ireo vondrom-piarahamonin'ny  tambajotra malalaka :

Fiandrasana diso tafahoatra. Tsy fisian'ny hetsika, ny fahatsapana ny resaka vondrom-piarahamonina sy ny toe-panahin'ny fiaraha-mientana. Tsy fisian'ny fandaminana.

Tahaka ny any amin'ny tetikasa rehetra, dia manana ny lanjany tokoa ny olombelona. Hahita fampahalalana bebe kokoa mikasika izany fanontaniana izany isika ao amin'ny Guifi.net [13], Buenos Aires Libre [14], Bogotá Mesh [15], Montevideo Libre, [16] sy Redes Libres [17], izay fikambanana ivondronan'ireo tambajotra malalaka rehetra any Amerika Latina.

Hamaranana izany, niresaka mikasika ny Logiciel libre [18] (amin'ny teny frantsay) any Amerika Latina ihany koa i Santiago:

Ho an'i Santiago, malaza be ny rindrambaiko malalaka any Amerika Latina [19], tahaka ny hita nandritra ny FLISOL [20] na  “Festival Latinoamericano de Instalación de Software Libre”, fankalazana isan-taona natao mba hanelezana ireo rindrambaiko malalaka ao anatin'izany kaontinanta izany. Tamin'ity taona ity ohatra dia 269 ireo tanàna [21] nandray anjara tamin'ny fanomanana ireo adihevitra, ireo atrikasa ary koa, ny fametrahana ireo rindrambaiko malalaka samy hafa.

Código Sur dia mijery [22] lavidavitra kokoa noho ny fijerena ny rindrambaiko malalaka ho toy ny fitaovana famoronana rindrankajy  fotsiny ihany, fa fitaovana sosialy ihany koa :

Ilaina ny tetikasa entina hamoahana ny rindrankajy hivoaka ny tontolon'ny orinasa sy ny fametrahana azy ao anatin'ny sehatra sosialy mba hialàna amin'ny mety hahatanteraka ny fampanantenana ny vanim-potoana niomerika tsy ho lasa nofy ratsy ara-tsosialy. Ny fepetra ilaina mba hahazoana antoka fa hoe azo itarafana yn tanjona sy ny soatoavin'ny fiarahamonina ny rindrambaiko, dia ny fandraisana anjara amin'ny fanaovana izay hisokafan'izany rindram-baiko izany sy mba ho takatry ny olona izay te-handray anjara  amin'izany.

Soratra mandady anaty lahatsary: Beatriz Arze [23], Helen Siers [24], sy Noemi Zalazar [25]
Lahatsoratra navoaka teo aloha tao amin'ny bilaogy manokan'i Juan Arellano [28] ny 25 Novambra 2011.