Tantara tamin'ny 09 Desambra 2011
Karaiba: Fisaina Ho An'ny Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny SIDA
Tamin'ny 1 Desambra teo ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny SIDA. Nandefa ny heviny sy ny fanohanany ho an'ny ady atrehana, atao amin'ny VIH sy ny SIDA ny mpitoraka bilaogy avy any Karaiba.
Rosia : Androm-pifidianana Rakotry ny DDoS
Tonga ny androm-pifidianana ny parlemanta Rosiana. Ary miaraka amin'izany, ny fanafihana amin'ny DDoS sy ny hosoka. Fanadihadian'i Alexey Sidorenko
Ejipta: Fahatsiarovana An'i Khaled Said Hisiana Izao Tontolo Izao Tsy Misy Herisetra
Tsy tsaroana ho endriky ny revolisiona ejipsiana ihany i Khaled fa mariky ny ezaka hampitsaharana ny fampijaliana sy fiarovana ny iharan'izany. Mbola velona amin'ny alalan'ny antontan-kevitra, hira ary sarisary amin'ny rindrina ny fahatsiarovana azy.
Amerika Latina : Resadresaka Niarahana Tamin'I Santiago Hoerth Momba Ireo Teknolojia Malalaka
Niresadresaka niaraka tamin'i Santiago Hoerth, mpamorona sy mpiara-mandrindra ny Código Sur, i Juan Arellano momba ny rafitra sy ny fikambanan'ny Código ary ireo foto-dresaka samy hafa, toy ny tsy fiandaniana sy ireo tambajotra malalaky ny Aterineto, ny tsindry eo amin'ny rindrambaiko malalaka any Amerika Latina.