08 Desambra 2011

Tantara tamin'ny 08 Desambra 2011

Zambia: Miezaka mafy Hiady Amin'ny Kolikoly ny Mpiserasera

  08 Desambra 2011

Efa nisy fotoana nanakoako tao Zambia ny hiaka mitaky fanovana; ankehitriny ny antokon'i Michael Sata, Tia Tanindrazana (TT) no nandrava ny fahefana nanjaka ampolony taona, ny antoko Hetsika ho an'ny Demokrasian'ny Antoko-Maro (HDAM), hita fa mizotra mankany amin'ny lalam-baovao i Zambia. Ny hita ho tena mahaliana indrindra dia ny tanjona tokana kinendrin'ny governemanta...

Ho An'ireo Shinoa Mpiondana Aterineto, ny SOPA Dia Rindrimbe Iray Hafa Indray

GV Mpisolovava  08 Desambra 2011

Niteraka fanehoan-kevitra feno fanalàna azy teo amin'ny tontolon'ny aterineto miteny Shinoa ny momba ny lalàna Stop Online Piracy Act (SOPA), na Fandraràna ny Fijirihana ao amin'ny Aterineto izay andrasana ho entina hofidiana eo amin'ny Antenimiera Amerikana alohan'ny faran'ny taona. Voakinan'ny Amerikana foana ny governemanta Shinoa tamin'ny fanelingelenana ny fivezivezen'ny vaovao tamin'ny alàlan'ny rafitra iray fanivànana fanta-bahoaka amin'ny hoe ilay Rindrimbe, na Great Firewall. Anjaran'ny Shinoa mpiondana aterineto indray izao ny mihomehy amin'ny tolo-dalàna momba ny Great Firewall Vita Amerikana.