Ejipta : Famintinana Ilay Hetsi-panoherana Revolisionera Andiany Faharoa Farany
Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejipta 2011.
Alakamisy 24 Novambra 2011, ary tonga tamin'ny andro fahaenina amin'ny tsy fandriampahalemana ny ao Ejita : amin'ny 4.33 maraina izao eto Cairo renivohitra. Noeritreretina hoe ny kianja Tahrir, ao Ejipta, mba hiaina anaty filaminana ny alina. Kanefa ny fampiatoana ny tifitra rehetra izay natao teo amin'ny kianja Tahrir nandritra izay dimy andro izay dia narahina “Ha! Gotcha!”, na famoretana nahitam-bokany avy amin'ny polisy sy ny “Central Security Forces” (CSF).
@mfatta7 : Tsy najain'ny polisy ny fampiatoana ny fitifirana tao amin'ny làlana Mohamed Mahmoud. Tsy hijanona ireo tanora raha tsy tonga amin'ny fialan'ny ministry ny atitany.
Nianjera ilay saina fotsy voaloto ary entona vaovao indray no nitifirana ireo andiana mpanao fihetsiketsehana izay nanenika ny làlana maro samy hafa mitondra eny amin'ny kianja – Lalana Mohamed Mahmoud sy ny kianja Tahrir.
Ity lahatsary ity, nakarin'i TWorkx, mpampiasa YouTube ny 23 Novambra 2011, dia mampiseho ezaka fampiatoana ny fitifirana teo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny ministry ny atitany :
Ao “Alexandrie”, ny korontana dia voafetra ihany ho amin'ny diabe eo amin'ny Maoske Al-Qaed Ibrahim sy ny tanàna manodidina an'i Smouha, izay honenan'ilay Tompon'andraikitry ny fandriampahalemana (Modereyet elAmn). Kanefa araka ny fahitana ny herisetra misy, farafahakeliny olona mpandalo tsy manan-tsiny iray no maty noho ny fifampitifirana.
@RawyaRageh : Fianakaviana milaza aminay fa tsy nanao hetsi-panoherana i Sherif, & nandalo teo fotsiny niaraka tamin'ny fianakaviany izy, tamin'izay fotoana izay no nahavoan'ny bala ny tendany#Alexandria #Egypt #Smouha
Amin'izao fotoana izao indrindra, ny isan'ireo olona maty ao Ejipta dia efa eo amin'ny 40 eo araka ny nambaran'ny Ministry ny Fahasalamana eto an-toerana, ary tsy ao anatin'izany isa izany ireo olona roa maty tany Ismailia ny alin'ny Alarobia. Raha jerena ny tatitra nalefa Twitter avy amin'ireo mpanao gazety teny an-toerana tao Alexandria sy tany amin'ny tanàna hafa, dia tsara ny milaza fa tsy mitombina io isan'olona maty io. Tsy mitsaha-mitombo ilay isa.
(hita ato ny lisitr'ireo niharam-pahavoazana tao Cairo irery fotsiny, ny Alarobia maraina. Inoana fa efa niakatra ny isan'izy ireo izao).
Ireo mpanao hetsi-panoherana am-pilaminana tao Ismaïlia dia voalaza fa nihaona teo amin'ny misasakalin'ny Alarobia 23 novambra teo, araka ny nambaran'ity antso ombam-pihetseham-po ity [ar] izay ho an'i Al Jazeera dia misy iray maty farafahakely ao amin'ny hopitaly ao an-toerana.
Ireo mpanao fihetsiketsehana teny an-toerana koa dia nanamarina ilay faty olona :
@MostafaAmin84 : zazalahikely 15 taona no maty tao #Ismailia taorian'ny fanafihana nataon'ireo hery mitam-piadiana sy ny miaramila tao amin'ny kianja Al Mamar
Na dia izany aza, nisy lehilahy iray avy ao Ismailia naka horonantsary ny tenany nandeha fiara manerana ny tanàna mba hanaporofony fa ilay fanambarana mikasika ny fifandonana dia honohono ihany. Toa ohatry ny milamina ny zava-drehetra hita ao amin'ny horonantsariny :
http://www.youtube.com/watch?v=6hRfHkOf-ec
Horonan-tsary nakarin'i DouWorld, mpampiasa Youtube, ny 23 Novambra.
Mandritra izany fotoana izany , ny vaovao milaza fa misy ny fifandonana ao Tahrir nandritra ny alina dia mbola mitohy ihany, satria ny CSF sy ny polisy hoy ilay fitantarana dia manohy ny fampifandimbiasany ny fisindany sy ny fanafihana ireo mpanao hetsi-panoherana Ejiptiana, izay torahan'izy ireo entona mandatsa-dranomaso sy entona simika hafa izay mbola tsy fanta-piaviana. Ny zavatra tokana mazava, dia ilay vokany manelingelina izay entin'ilay entona eo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana.
Kanefa tsy fandatsahan-drà sy herisetra tsy hifankahitana daholo no ao. Ny tanora mpanao hetsi-panoherana dia namaly ireo propagandin'ny fahitalavim-panjakana izay milaza fa izy ireo dia olona tsy misy ilàna azy, tsy mahay afatsy ny manampy ny “tànana avy any ivelany” mba hamotika ny firenena, amin'ny fanatanterahana tsikelikely ny fangatahin'izy ireo.
Ilay mpilalao sarimihetsika Khaled Abol Naga, fantatra tamin'ny hetsika fanoherany ny fitondrana teo aloha nandritra ny revolisiona tamin'ny fanombohan'ity taona ity, dia nanangona ireto teboka manaraka ireto tao amin'ny bilaoginy tao anaty lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe, ‘manomboka izao, ny fangatahantsika dia tokony ho baiko‘ [ar].
Na dia dimy andro anio aza izao ny faharetan'ny herisetra ao Ejipta, ny olona dia manohy ny andavan'androm-piainany any ivelan'ny kianja Tahrir ary any amin'ny toerana mafampana hafa rehetra ao Ejipta.
Amin'izany, olona maro be no tezitra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay manakorontana ny filaminana amin'izao fifidianana parlemanta efa akaiky izay atao ny 28 Novambra izao.
Ny tohan-kevitra ara-bola koa dia zavatra iray miverimberina. Efa leo ny fahantrana sy ny zavatra ateraky ny hetsi-panoherana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena ny olona, toy izany koa ny fahafahany miasa sy mitady asa.
@Sandra_Rizk : @mosaaberizing Manana ny asako aho, tsy afaka ny hanohy hanimba an'i Ejipta toy izao aho ka handao ny asako..Mialatsiny aho noho izany.
Fanampin'izany, fanontaniana mitovy amin'izany no nipetraka – raha toa ny Filan-kevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana na ny “Supreme Council of Armed Forces” (SCAF) ka miala tanteraka, iza no hitondra ity firenena ity?
@Sandra_Rizk : @mosaaberizing Tsy tianareo hiala any ve ireo miaramila ireo ? Inona ny antony tokony hahatongavany hanampy anareo eo! Tsy azoko mihitsy ny zavatra ataonareo amin'ity firenentsika ity!
Ary farany, ny fanontaniana izay nahatonga ny fisavoritahana ho an'ny olona avy any ivelany momba ny vaovao ao Ejipta dia ny hoe : Maninona no ankehitriny ? Maninona ny olona no tsy niandry ny fifidianana, izay efa ho avy tsy misy herinandro akory?
Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejipta 2011.
Misy endrika iray amin'ity lahatsoratra ity lavalava kokoa navoaka ny Alakamisy 24 novambra 2011, ao amin'ny bilaogin'i Miran Hosny.
Ny hajian-tsary sy ny sary dia nampiseho ny fitokonan'ny mponina tao amin'ny kianja Tahrir, tao Cairo, Ejipta, avy amin'i Nameer Galal, copyright Demotix (25/11/11).
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...