- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Teny: Hafanàm-po Anaty Aterineto Hanavotana Ny Teny Chakma

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fijerenay ny “Fampiasàna ireo Fitaovan'ny Mediam-Bahoaka Mba Hanandràtana Ireo Teny Zara Raha Misy Mpiteny [1]

Iray amin'ireo teny fototra fampiasan'ny vazimba any Bangladesh ny teny Chakma [2], izay teny ifangaroan'ny endri-tsoratra Indiana sy ny Eraopeana tenenin'ny olona manodidina ny 310.000 any atsimo atsinanan'i Bangladesh ary 300.000 hafa any India amin'ny ankamaroan'ireo any amin'ny ilany Atsinanan'i India. Ny fanoratra azy dia mampiasa ny endri-tsoratra Chakma izay miala aina noho ny ankamaroan'ireo Chakmas tsy manana fahafahana mianatra ny tenin'izy ireo akory any an-dakilasy.

[3]

endri-tsoratra Chakma. Sary natolotry ny hilledu.com

Miezaka mampiditra ny teny Chakma any an-dakilasy ankehitriny ny manampahefana, izay voasembantsemban'ny antony ara-politika ihany sy ny  resabe miainga [4] [bn] momba ny fampitoviana ny endri-tsoratra ary ny habeny. Saingy ireo olona avy amin'ny Chakma dia mampiasa ny media sosialy sy ny haitao hita anaty tranonkala mba hanairana ny saina sy hanelezana ny tenin-dry zareo. Ny Chakma Scripts [5] na “Ny endri-tsoratra Chakma” dia tranonkala iray azo ifanakalozana ahitàna toerana natao hifanoratàna, tari-dàlana momba ny endri-tsoratra sy ny teny Chakma, e-book, lahatsary etc. mba hanelezana ny fampiasana ilay teny. Ny vondrom-piarahamonina vazimba dia mitombo be miaraka amin'ny fisehoan'izy ireny any anaty bilaogy [6], Facebook [7], diksionary ifandrimbonana [8], taratasy fampahafantarana anaty aterineto [9] sns.

 

Maro ireo mpiondana aterineto no mampiasa fitaovana tahaka ny YouTube mba handefasana [10] tari-dàlana momba ny teny Chakma :

Tsy manana fampielezam-peo na fahitalavitra amin'ny tenin-dry zareo ny Chakmas, saingy ny hira amin'ny teny Chakma [11] dia akarina matetika ao amin'ny YouTube izay mitodika main'izy ireo.

Ilaina ny manamarika etoana fa ao anatin'ny tenim-bazimba efa ho 30 mahery ao Bangladesh, roa no efa maty ary folo hafa no tandindonim-pahalevonana [12].