- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoelà: Atao Ao Caracas Ny Vovonana Manerantanin'ny Hosodoko Atao Amin'ny Vatana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Mediam-bahoaka, Teratany, Zavakanto & Kolontsaina

Tontosaina ao Caracas, amin'ity taona ity, ny Vovonana Faha-6-n'ny Hosodoko atao amin'ny Vatana [1] ka ifampizarana any amin'ny valan-tserasera ny fanehoana an-tsary mandòna mandritra ny fotoana. Ao anatin'izany asam-pamoronana izany dia mitàna anjara toerana manokana amin'ny fomba fanehoana ara-javakanto atao amin'ny vatan'olombelona ny vazimba ao Venezoelà.

Manoratra ao amin'ny Demotix [2] ny mpaka sary Camilo Delgado Castilla:

Ny 17 ka hatramin'ny 20 Novambra no tontosaina eo Caracas ny Vovonana faha-6 momba ny kolontsaina atao amin'ny vatana, izay andraisan'ny firenena 18 anjara: Aostralia, Aostrishy, Bolivia, Brezila, Chile, Kolombia, Kiobà, Ekoatera, Etazonia, Espaina, Japana, Lioksamborga , Italia, Meksika, Polonina, Afrika Atsimo, Nouvelle Zealand ary Venezoelà.

Fandokom-batana, tombokavatsa, fanovam-batana, famakianteny, sarimihetsika, tevika, fandokoana Karana, dihy, fiakanjo origami dia samy hita ao amin'ity fihaonana amin'ny vatan'olombelona ho fitaovana voalohany ifantohana.

[3]

"Vehivavy avy amin ny vazimba Venezoeliana mandoko tanana mpitsidika iray", saripikan i Camilo Delgado Castilla, copyright Demotix

[4]

"Vehivavy vazimba Venezoeliana mandoko tarehy", sary Camilo Delgado Castilla, copyright Demotix

[5]

"Vehivavy Vazimba Venezoeliana mandoko ny tarehina mpijery iray" saripika Camilo Delgado Castilla, copypright Demotix

Ao amin'ny rakitsarin'i Manuel Enrique [6] ao amin'ny Flickr ihany koa dia ahitana jery mahaliana momba ny tsangan'asan'ilay artista:

Arkanjely Manga, saripika Manuel Enrique. Nahazoana alalana

Amin'ny alalan'ny Lahatsary avoakan'olo-tsotra tahaka ity iray avoakan'i Luar Aleman ity no ahafahantsika mijery ny karazana bika aseho mandritra ny fetibe:

Isaorana ihany koa ny mpitendry mozikan'i Caracas fa nahita ny sasantsasany tamin'ny fampirantiana isika:

Azonao jerena ihany koa ny fihaonana momba ny vatana tontosaina any Caracas hita ao amin'ny rakitsary Demotix an'i Camilo Delgado Castilla (Septambra 2008 [7]; Oktobra 15 [8], 16 sy 17, 2010 [9]) sy an'i Nelson González Leal (Oktobra 2010 [10]).