Venezoelà: Atao Ao Caracas Ny Vovonana Manerantanin'ny Hosodoko Atao Amin'ny Vatana

Tontosaina ao Caracas, amin'ity taona ity, ny Vovonana Faha-6-n'ny Hosodoko atao amin'ny Vatana ka ifampizarana any amin'ny valan-tserasera ny fanehoana an-tsary mandòna mandritra ny fotoana. Ao anatin'izany asam-pamoronana izany dia mitàna anjara toerana manokana amin'ny fomba fanehoana ara-javakanto atao amin'ny vatan'olombelona ny vazimba ao Venezoelà.

Manoratra ao amin'ny Demotix ny mpaka sary Camilo Delgado Castilla:

Ny 17 ka hatramin'ny 20 Novambra no tontosaina eo Caracas ny Vovonana faha-6 momba ny kolontsaina atao amin'ny vatana, izay andraisan'ny firenena 18 anjara: Aostralia, Aostrishy, Bolivia, Brezila, Chile, Kolombia, Kiobà, Ekoatera, Etazonia, Espaina, Japana, Lioksamborga , Italia, Meksika, Polonina, Afrika Atsimo, Nouvelle Zealand ary Venezoelà.

Fandokom-batana, tombokavatsa, fanovam-batana, famakianteny, sarimihetsika, tevika, fandokoana Karana, dihy, fiakanjo origami dia samy hita ao amin'ity fihaonana amin'ny vatan'olombelona ho fitaovana voalohany ifantohana.

"Vehivavy avy amin ny vazimba Venezoeliana mandoko tanana mpitsidika iray", saripikan i Camilo Delgado Castilla, copyright Demotix

"Vehivavy vazimba Venezoeliana mandoko tarehy", sary Camilo Delgado Castilla, copyright Demotix

"Vehivavy Vazimba Venezoeliana mandoko ny tarehina mpijery iray" saripika Camilo Delgado Castilla, copypright Demotix

Ao amin'ny rakitsarin'i Manuel Enrique ao amin'ny Flickr ihany koa dia ahitana jery mahaliana momba ny tsangan'asan'ilay artista:

Arkanjely Manga, saripika Manuel Enrique. Nahazoana alalana

Amin'ny alalan'ny Lahatsary avoakan'olo-tsotra tahaka ity iray avoakan'i Luar Aleman ity no ahafahantsika mijery ny karazana bika aseho mandritra ny fetibe:

Isaorana ihany koa ny mpitendry mozikan'i Caracas fa nahita ny sasantsasany tamin'ny fampirantiana isika:

Azonao jerena ihany koa ny fihaonana momba ny vatana tontosaina any Caracas hita ao amin'ny rakitsary Demotix an'i Camilo Delgado Castilla (Septambra 2008; Oktobra 15, 16 sy 17, 2010) sy an'i Nelson González Leal (Oktobra 2010).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.