- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Fitsaram-bahoaka Ho Fiatrehana Ny Habibian'ny Polisy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011. [1]

Malek Mostafa, Ahmed Abd El-Fatah ary Ahmed Harara dia Ejiptiana telo voatifitra teo amin'ny masony [2] teo ampanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny kianja Tahrir. Harara dia poaka ny masony haiva nandritra ny fihatsiketsehana nantsoina hoe Andrompahatezerana [3] ony 28 Janoary 2011, nanoherana ny filoha teo aloha Mubarak, ary taty aoriana dia poaka indray ny masony faharoa taorian'ny tifitra nahazo azy nandritra ilay onja faharoan'ny revolisiona [4] nanoherana ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana.

@linawardani [5]: Nandeha namangy an'i Ahmed Harara aho, niteny arahaba aho no sady nanoI said hi and lotra ny tanako, tsy namaly izy, tsy afaka ny hahita ahy satria vaky ny masony iray tamin'ny 28 Jan, ary ny iray tamin'ny 18 nov

Na ireo olon'ny mpitandro filaminan'ity firenena ity izay namono nahafaty na nandratra Ejiptiana an-jatony nandritra ny onja voalohan'ny revolisiona, na ireo izay namerina nanao izany nandritra ny onja faharoa dia samy tsy mbla nisy voasazy. Na izany aza, tato anatin'ny roa andro lasa, ny olona dia nanomboka nizara lahatsary iray mampiseho manampahefan'ny polisy iray mitifitra [6] [ar] ary olona iray midera azy nahavita nikendry tsara ny mason'ny iray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Fitsaram-bahoaka

Nanomgoka hatreto dia nifampizara sary mifanosona ny mpiondana aterineto mampiseho ny endrik'ilay manampahefana [7] ary nanapa-kevitra ny hiroso lalindalina kokoa sy hamoaka ny mombamomba azy

A snapshot from the video showing the officer's face. Photo shared on Twitpic by @Sabrology [8]

Dikasarin'ny fàfana mampiseho ny endrik'ilay manampahefana. Sary nozarain'i @Sabrology tao amin'ny Twitpic

Taty aoriana kely, ireo mpampiasa Twitter dia nanamafy fa vitan-dry zareo ny namantatra azy [ar]:

اسم الظابط المسئول علي إصابات العين وكأنه ناشينكان يتدرب عليه…ملازم أول محمود صبحي الشناوي. ريتويت
@ASU011 [9]: Ilay manampahefana tomponandraikitry ny fitifirana ny mason'olona toy ny hoe manao azy ireny ho lasibatra mihitsy … dia i  Lenten Mahmoud Sobhy El-Shennawy. Bitsika naverina nalefa

Ho toy ny làlana hanalàm-baraka ilay nahavanon-doza sy hamantarana azy, ny olona dia nanaparitaka ihany koa taratasy kely [10] [ar] ary nanao sary graffiti [11] [ar] eny amin'ireo làlana manodidina [12] [ar] mikasika ilay manampahefana miaraka amin'ny anarany sy ny heloka vitany misoratra eo ambany, mangataka ny olona hikaroka azy.

Graffiti showing the officer's face for people to identify him. Photo from Facebook page, 'Sons of the Egyptian revolution'. [13]

Bilaogy iray hafa no namoaka vaovao misimisy kokoa [14][ar] mikasika ny eritreretina ho adiresy misy azy, ny laharana findainy [15] [ar] ary ny valisoa omena izay mahavita misambotra azy.

Mifanipaka be ny fomba fijery mikasika izay tokony hatao amin'ilay manampahefana rehefa tratra. Doaa El-Shamy mahita fa ny fampitahioana azy amin'ny fomba tsy misy herisetra no safidy tsara [ar] :

لا احنا مش هنضربه احنا نستناه تحت بيته يا يتحبس زي خرفان العيد يا يجرب ينزل وتتخزق عينيه ده القصاص لكن ولا نروع بيوت ولا نبلطج
@doaaelshamy [16]: Tsia, tsy handeha hidaroka azy akory isika, andrasantsika eny amin'ny tranony izy mba hikaton-trano ao tahaky ny ondry, mba tsy ho sahy hivoaka sy hihorohoro sao misy olona hamaly faty ka haka aminy koa ny masony. Na izany aza, tsy hanafika ny tranony isika na hanao herisetra.

Manome soso-kevitra i Abdelrahman Ayyash [ar]:

أنا ضد قتل الظابط اللي اسمه محمود الشناوي اللي بيستهدف عيون المتظاهرين، لكن انا مع انه تتاخد منه قرنيتيه في عملية جراحية وتُهدى لأحمد حرارة
@3yyash [17]: Izaho dia tsy miombon-kevitra amin'ny hamonoana ilay manampahefana antsoina hoe Mahmoud El-Shennawy izay nikendry ny mason'ireo mpanao fihetsiketsehana. Na izany aza, izaho kosa dia miombon-kevitra amin'ny hakàna ny masony amin'ny fomba medikaly ka hamindrana izany amin'i Ahmed Harara.

Nilaza zava-mahatsikaiky momba ny zava-mitranga i Ahmed Fikry [ar]:

فى مصر فقط .. يضع الشعب مكافأة على القبض على ظابط شرطة
@dr_fikry [18]: Aty Ejipta irery: Napetraka ny valisoa ho an'izay mahasambotra manampahefana iray ao amin'ny polisy.

Ny Fikambanana Ejiptiana Mpiaro Zon'Olombelona dia nanapa-kevitra hanenjika araka ny lalàna ilay manampahefana [19],  raha ilay mpampiasa Twitter, @MohHKamel [20] [ar] kosa mino fa ny fizaràna ny mombamomba ilay manampahefana dia heloka ary tokony hatsahatra.

Ny mpampiasa Twitter sasany dia niteny fa tsy marina ilay adiresy  nifampizaràn'ny olona [21] [ar].

Ohatra iray hafa amin'ny antso hanaovana fitsaram-bahoaka no nivoaka rehefa nandefa tatitra ireo mpampiasa Twitter toa an-dry @WagdyMez [22] [ar] sy @waelabbas [23] [ar] niampanga toeram-pivarotam-panafody iray izay nandà tsy hanome fanafody ny olona raha vao fantatr'izy ireo fa hoentina ho any amin'ny kianja Tahrir izy ireny, ivon'ny hetsi-panoherana.

صيدلية سيف ترفض بيع الادوية لثوار التحرير…..كلنا لازم نقاطعها
@MariamHesham1 [24]: Nandà tsy hivarotra fanafody amin'ireo mpangataka fiovàna ao Tahrir ny Farmasia Saif … tokony hataontsika ankivy izy io.

Na izany aza, ny mifanohitra tanteraka amin'izay [25] [ar] no notaterin’ ireo [26] [ar] mpampiasa twitter hafa :

صيدلية سيف اديتنا حاجات ببلاش النهاردة للتحرير
@HebaFarooq [27]: Nanome fanafody maimaim-poana ho anay [ho entina any] Tahrir ny Farmasia Saif .

Mitoetra foana ny fanontaniana, raha toa ka ny fitsaram-bahoaka no safidy tsara indrindra rehefa tsy mahahovoka ny rafitra napetraky ny lalàna hiarovana ny zon'ny vahoaka. Inoana fa tsy vao ny voalohany tamin'ny toy izany ireo ohatra ato anatin'ity lahatsoratra ity ; Piggipedia [28] (@Piggipedia [29]) dia zatra nanao sarintsarin'ireo mpitandro filaminan'i Hosni Mubarak izay voarohirohy tamin'ny fampijaliana sy famoretana ny tsy mitovy hevitra aminy, amin'ny famoahana ny sarin-dry zareo. [30]Ary tena angamba, tsy mbola ho ny farany amin'ny karazana fitsaram-bahoaka misy aty Ejipta.

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny tatitray manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011. [1]