Aostralia: Mampizarazara Ny Firenena Ny Lalàna Vaovao Manan-tantara Momba Ny Vidin'ny Entona Karbona

Farany, tamin'ny 8 Novambra 2011,  ny Parlemanta Federaly Aostraliana dia nandany ilay Volavolan-dalàna nahabe resaka momba ny Angovo Madio. Ny lalàna dia nampiditra hetra $A 23 isaky ny taonina amin'ny entona karbona hatramin'ny Jolay 2012, mitarika mankany aminà fandraharahàna ara-barotra momba ny famokarana entona (cap and trade) aorian'ny 3 taona.

Ny bilaogin'i Peter Campbell momba ny toetoetry ny planeta dia niarahaba ireo izay nandray anjara tamin'ny fampandaniana ilay lalàna:

Vaovao mahafinaritra izany. Henatra ho antsika ny niandrasana ela vao nanisy vidiny ny fandotoana ka mitondra ary mandrisika ny fampiasàna angovo madio amin'ny hoavy.

Tsara ny nataonareo ry Julia Gillard, ny Governemanta Travailliste, ny MPCCC, Tony Windsor ary Rob Oakshott, ireo Maitso rehetra ao amin'ny Antenimieran-doholona – avahana manokana i Christine Milne sy Bob Brown ary ireo mpanolotsaina an-dry zareo – ary Adam Bandt ao amin'ny “Chambre des Représentants”.

Kinga tokoa ny mpanohitra sasany nanao fampitahana miiba. @marksharma nahita fitoviana amin'ny elatra farany havanana :

Aostralia TSY mbola demaokraia mihitsy. Isika izao dia eo ambany  ‘fibodoan”ny Nazis tarihan'i Julia Gillard & Hitler Bob Brown! #auspol #CarbonTAX 8 Nov

The No Carbon Tax post Injecting Carbon Tax preferred to use parallels with drug addiction in their attack……..Le post anti-taxe carbone Piqûres de taxe carbone a préféré faire ressortir dans son attaque la ressemblance avec la dépendance à la drogue:

Ny taona 2011 i Aostralia dia nanomboka nampiditra ny hetra amin'ny entona karbona teo anivon'ireo orinasa mba hahatonga ny maro amintsika hahatsiaro mahazo aina ‘nanao zavatra’ hiadiana amin'ny Fiovàn'ny Toetrandro. Toy ny cocaine “crack”, dia mahatonga antsika hahatsiaro ho sambantsambatra io, toy ny crack loharanom-piankinan-doha amin'ny fampidirambolan'ny governemanta io, toy ny crack dia tsy mitondra na ho amin'inona na ho amin'inona mihitsy io, ary toy ny crack, tsy tsapanao ny voka-dratsiny raha tsy taona maro aty aoriana

Ny ambiny manerana izao tontolo izao dia saiky niteny daholo hoe TSIA amin'ilay zavamahadomelina mahery vaikan'ny fampidirana ny hetra amin'ny entona karbona amin'ny teokarena manontolo. Noho izany ry Aostralia, mifalia…

Ny @GalileoMovement izay vondrona mpanao tsindrinentana niteraka resabe, dia namintina ireo famelezana taminà antso iray hanoherana ny mpanakorontana avy amin'ny havia :

Fandaniana, fandaniana, fandaniana bit.ly/vSLduV mari-pamantarana ny fanarahamason'ny sosialisma 12 Nov

@ki_sekiya dia nanontany tena mikasika ny mety ho fifanoherana hisy amin'ireo fifanafihana ara-ideolojika ireo, manohitra ny fanohanan'ny mpitarika ny fanoherana  ny famatsiambola mivantana ny tsena napetraky ny governemanta mifototra amin'ny varotra entona:

Mahatsikaiky ny fomban'ireo milaza tena ho “Kapitalista”, fa manohana ny Drafitra “Asa Mivantana” nataon'i Abbott ary mangataka Rafitra Tsena Kaominista. #auspol 8 Nov

Manohana ny ara-dalàna, i Mark Banhisch dia nampiasa fomba tsy dia nentanimpo loatra mba hitrandrahana ny lafiny politika ao amin'ny  Larvatus Prodeo :

Farany, momba ny politika: be ny ranomainty efa lany, ary tsy isalasalàna fa mbola be no hitohy hiraraka, mikasika  ny fitsabahan'ny politika mitanila. Mila misaina hiala amin'ny fisainana an'io isika, ary hisaina bebe kokoa momba izay lazain'ny ‘adihevitra’ mikasika ny fiantraikan'ny tsy manara-drafitra eo amin'ny fiainan'ny vahoaka, sy ny tombontsoan'ny tena manokan'ireo mpiantsehatra tompon'ny hery. Saingy akisako betsaka ny fanantenako ho amin'ny hoe efa hita fa ao anatin'ireo resabe nandeha tany aloha, dia mbola misy zava-dehibe azo tanterahana, sy amin'ny hoe mbola mety azo sainina ny hitaingenan'ny tena zavamisy eo ambonin'ny nofinofy.

Ilay mpahay toetrandro be fanahiana, Jennifer Marohasy, dia niezaka nampifandrohy ny vidin'ny entona karbona amin'ny Olana Manerantanin'ny Famatsiambola ao anatin'ilay lahatsorany hoe Australia to Become Involved in ‘Subprime’ Carbon Market? na hoe “Ho mpandray anjara mavitrika ao anatin'ny Tsenan'Entona Karbona ‘Tsy azo antoka’ ve i Aostralia?

Ho fanampin'ny fividianana entona karbona amin'ny endrika fnaovana tolo-bidy, ireo tsena anjorony sy sampantsapany dia toa hiroborobo koa ao Aostralia mifandray ihany koa amin'ny fandraharahana ara-barotra iraisam-pirenena momba ny entona mampitombo hafanana.

Araka izany dia midika io fa atsy ho atsy dia hiditra aminà karazana fifanaraham-pifanakalozana ‘tsy azo antoka’ eo ambany fiahian'ny Firenena Mikambana momba ny entona karbona i Aostralia ?

Ao amin'ny ‘Ny bilaogiko ho an'ny hadalako, ny nofiko ary ny eritreritro!’ i  Alex Schlotzer mpiaro ny hetra alaina amin'ny entona karbona dia nanantena fa ny mihalefy ny kiakiaky ny mpanohitra :

Efa misy sahady ny porofo ny amin'io miaraka amin'ny fientanentanana izay nisy teo amin'ny tambajotran'ny vondrona Conservative Action, ary tsy dia nanakaiky loatra ny fakana an-tendrony toy izay hita nandritra ny ‘hetsika’ faran'izay nafàna manohitra ny hetra amin'ny entona karbona.

Tsaraonao fotsiny e. Ny tenifototra #nocarbontax #carbontax ao amin'ny Twitter dia tahaka ny tsy dia hitaloatra intsony nandritra iny herinandro lasa iny, tsy araka izay nandrasana.

Na izany aza, ireo mpanohitra tena mahery vaika ny hetsika atao momba ny toetrandro ao amin'ny Catallaxy Files dia tsy nampangiana ny feony mihitsy. Iray amin'ireo lahatsoratra maro ao no nanontany ny loharanon'ny famatsiambolan'ilay tranonkala vaovao yourcarbonprice.com.au izay toy ny milina mpikajy anaty aterineto ny fiantraikan'ny hetra alaina amin'ny entona karbona any amin'ny tsirairay:

Saingy ny fanontaniana goavana dia ny hoe iza no mandoa vola amin'ny fiaraha-miasan'ny  CHOICE, ACOSS (izay toy ny hoe mandresy lahatra amin'ny fomba manaitra mikasika ity fepetra ity amin'ny fahafantarana tsara fa ny ankamaroan'ireo drafitra maitso dia tena mihemotra – eg. ny sanda sahaza ny rehetra amin'ny angovo avy amin'ny masoandro) ary ny Ivontoerana momba ny Toetrandro hamokarana ny yourcarbonprice.com.au ?

Ilay mpahay Siansa, Alan Marshall avy amin'ny SkepticalScience dia nàka Fotoana Iray Hankafizana! mialoha ny hampahatsiahivana ny mpamaky mikasika ny heveriny fa filàna mbola tokony hotanterahana:

Raha ny Lalàna momba ny Angovo Madio amin'ny Hoavy, sy ny hetsika ataon'ireo firenena sasany tanisaina any aloha, dia mendri-piderana, mila fanamafisana kosa ny ezaka iraisam-pirenena raha te-hanam-bintana isika hisorohana ny fiovàna mamoa-doza amin'ny toetrandro. Tao Copenhagen, nitady fampidinana ny famoahana entona  25% hatramin'ny 40% avy amin'ireo firenena mandroso, ary raha ny fandraisana andraikitra hatreto dia latsaka lavitra amin'izay tanjona nokinendry. Amin'ny vovonana iraisam-pirenena COP 17 hoavy io ao Durban sy ny manaraka, mila mamaritra fandaharan'asa ny siansa.

Ho ivon'ny Fifidianana Federaly hatao amin'ny 2013 ilay olana, satria ny mpitarika  ny mpanohitra, Tony Abbott, dia nianiana ‘tamin'ny ràny’ fa tsy maintsy hanafoana ny hetra alaina amin'ny entona karbona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.