Enim-bolana lasa izay, nitondra ny fiarany teny an-dàlambe iray tao Jeddah i Shaima Jastaniya talohan'ny nanakanan'ny polisy azy. Tamin'ny Septambra, voasazy handray vely karavasy 10 i Jastaniya noho izy nankahatra ny fandraràna tsy hamily fiara nefa andro vitsy taty aoriana, niparitaka ny vaovao fa nahazo famelàna avy amin'ny mpanjaka Saodiana izy tenany mihitsy izy.
Nandritra ny fanadihadiana azy, nilaza izy fa nitondra ny fiarany satria tsy nanana fomba na fitaovana fitaterana hafa nefa nila mamonjy toeram-pitsaboana. Tao anatin'ny 48 ora, ireo Saodiana mandefa siokantsera dia nanamafy fa naharay ny didy manasazy azy kapoka ihany avy amin'ny fitsaràna i Jastaniya ary manana 30 andro hanaovana fampakàrana. Tsy mba toy ny vehivavy hafa namily fiara tao Arabia Saodita, tahaka an-dry Manal Al-Sharif sy Najlaa Hariri, tsy mba nandrakitra an-dahatsary ny tenany i Jastaniya rehefa namily fiara ka hoe nampakatra izany tao anaty aterineto.
Akory ny haben'ny hatairan'ireo Saodiana raha ny marina tamin'ny namoahana antontan-taratsy nalefan'ny fitsarana ho an'ny gazety Al-Watan mampiantso vehivavy roa mpanao gazety hiseho fitsarana noho ny lahatsoratra mitatitra vaovao momba ilay sazy kapoka karavasy voarain'i Jastaniya roa volana lasa izay. Tsy izay ireo vehivavy roa mpanao gazety ireo fa i Nissrin Najm Al-Din sy Samya Al-Essa ary eto ny rohy iray mankany amin'ny tantara nosoratan-dry zareo mikasika ilay fikapohana, izay itanisan-dry zareo ireo taratasy voalohany misy ny anaran'i Jastaniya.

Sary h fanaingoana nataon'ilay Emirati Wafa Al Marzouqi ho fanohanana an'ilay Fanentanana Saodiana, "Women to Drive" na "Vehivavy Hamily". Ny soratra dia mivaky hoe: Manan-jo hamily fiara aho.
Ao amin'ny Twitter, ilay Saodiana Fahad (@Solidus_Fahad) dia tezitra noho ilay vaovao. Hoy izy nibitsika:
@Solidus_Fahad: Raha toa ny vehivavy iray azo saziana kapoka noho ny fitondràny fiara fotsiny dia alaivo an-tsaina ny mety hahazo azy raha midradradradra mafy mamoaka ny heviny izy?!
@Solidus_Fahad: Vehivavy Saodiana iray manana hetahetam-pivoarana mafy no ho karavasiana imasom-bahoaka noho ny resa-pinoana sy ny fanjakan-dehilahy! Noho ny familiana fiara!
Avy ao Jeddah, Noha Aldhahri (@MsNohaAldhahri) dia nandefa siokantsera momba ireo vehivavy roa mpanao gazety nampanantsoin'ny fitsarana. Nanoratra izy :
@MsNohaAldhahri: Ny Ministera #Saodiana misahana ny Fifandraisana dia manenjika eny amin'ny fitsarana #mpanadihady roa izay noho ny fitaterany ny raharaha #Shaima #lashing
Waleed Abu Alkhair (@abualkhair), Saodiana mafàna fo mpiaro ny zon'olombelona izay nentina teny anatrehan'ny fitsaràna tamin'ny Septambra teo, dia nampakatra ilay taratasy nitete izay nampiantso ireo mpanao fanadihadiana roa ho any amin'ny fitsarana :
@abualkhair: Ilay taratasy avy amin'ny Ministera #Saodiana [momba] Fifandraisana Manenjika Mpanao Fanadihadiana 2 noho ny famoahana ny raharaha fikaravasiana an'i #Shaima http://twitpic.com/7dzqgi
Avy any Riyadh, (@Anwaar33) no nanakiana izay faritany ho toy ny kolikoly ao anatin'ny rafitra ao Arabia Saodita [ar]:
Metisy Saodiana-Amerikana iray mitondra solonanarana hoe (@Ana3rabeya) no niresaka ny Printsy vavy Amira Al-Taweel, vadin'ny Printsy Waleed Bin Talal, izay nandefa siokantsera tamin'ny roa volana lasa nilaza fa nofaàna ny sazin'i Shaima :
@Ana3rabeya: Fictional TruthSeeker: “Nisy , sa Tsia, ny famelaàna avy amin'ny Mpanjaka ho an'i #Shaima Lashing Sentence?”, Ameerah Al-Taweel: *Crickets*.
Ilay bilaogera Majed Al-Enizi (@QMajed) dia nanakiana ny lalàna ao Arabia Saodita [ar]:
Hala Khalaf (@tbaish) koa dia nanairy hahita fanovàna. Nanoratra izy [ar]:
Farah Al Ibrahim (@farah_alibrahim), vehivavy mpampiasa Twitter monina any Dubai, UAE, dia nanoratra hoe [ar] :
Maro ireo mpampiasa Twitter, indrindra fa ireo manoratra amin'ny alalan'ny solonanarana, no nitehaka an'io fanapahan-kevitra io nilaza fa na iza na iza mandika lalàna dia tsy maintsy saziana. Ny hafa nanararaotra ilay zava-mitranga mba hitorohana ireo “liberaly” sy ireo mikatsaka fiovàna ao amin'ny Fanjakàna. Ity mpampiasa Twitter ity dia nampiasa ny karatry ny fanavakavahana ireo vehivavy mafàna fo [ar]:
Abdullatif Mohammad (@AboLa6eef) dia nitaraina momba ireo siokantsera manohana an'i Jastaniya, ilazàny fa mendrika azy ny saziny [ar]:
Nampiany hoe :