- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta : Fanaingan-tsoroka Revolisionera Tamin'ny Fametraham-pialanà Kabinetra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ity lahatsoratara ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Ejipta [1] 2011 [1].

[Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Ny fanaingan-tsoroka lazain'ny lohateny dia ilay fihetsika maneho tsy firaharahiana]

Ny Kabinetran'i Dokotera Essam Sharaf dia vao avy nanontany raha afaka ny hametra-pialana izy ireo ary ny Supreme Council for Armed Forces(SCAF) na ny Filankevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana dia mbola eo an-dalam-pandraisana fanapahan-kevitra na ho ekena ilay fametraham-pialana na tsia. Ho an'ireo mafàna fo sy mpanao hetsi-panoherana niady tamin'ny polisy sy ny miaramila ao anatiny sy ary manodidina ny kianja Tahrir efa ho telo andro izao [2] , dia tsy nitondra zava-baovao teo ambony latabatra ilay vaovao. Ny zavatra tena nangatahan'izy ireo dia ny hialan'ny  SCAF eo amin'ny fitondrana ary hanome ny fahefana amin'ny governemanta sivily.

Ny Volana Febroary,  ny SCAF dia nitondra taorian'ny fanalàna an'i Hosni Mubarak teo amin'ny toerany taorian'ny hetsika nataon'ny Ejiptiana nandritra ny 18 andro. Nanomboka teo, dia nitaraina ireo Ejiptiana fa ireo mpanapaka vaovao avy amin'ny miaramila dia niasa ho fanoherana ny revolisiona sy ireo tanjony. Ny isan'ny loha-laharana amin'ny hiakan'ireo mpanao hetsi-panoherana dia ny fametraham-pialan'ny Maréchal Mohamed Hussein Tantawi, izay komandy ambonin'ny SCAF.

Vao maraina be i Mona Eltahawy dia nandefa bitsika androany :

@monaeltahawy [3] :  Nandritra ny #Jan25, ireo miaramila dia nitazam-potsiny raha toa ny polisy ka nitifitra kosa ireo mpanao hetsi-panoherana. Ankehitriny ny miaramila dia miara-mitifitra amin'ny polisy. Mazava hoe iza no hombàn'ny #SCAF ao #Tahrir

Mazava izao ny fihetseham-po avy amin'ny fomba nandraisan'ny Tahrir ny vaovaon'ilay fampiatoanana ny fametraham-pialan'ny Kabinetra. Mohammed Effat dia mandefa bitsika avy ao Tahrir  :

@3effat [4]: Nisy olona nanaparitaka ilay vaovao momba ilay fametraham-pialan'ny Kabinetra, tsy nisy olona niraharaha azy akory #Tahrir

Ary manampy hoe :

@3effat [5] :  Hoy ny mpanao hetsi-panoherana iray: “Tantawy sy ny SCAF no olana fa tsy izay fatinà kabinetra #Tahrir

Nandritry ny minitra vitsy, vaovao mifamahofaho maro no nitohy niraraka, na izany tamin'ny vaovao na tamin'ny famoaham-baovao ara-tsosialy.

Ilay mpanao fanadihadiana avy any UAE, Sultan Al Qassemi, dia mibitsika fa hoe vao nanaiky ilay fametraham-pialan'ny kabinetra ny SCAF :

@sultanalqassemi [6] :  Breaking Al Jazeera : manaiky ny fametraham-pialan'ny governemanta Ejiptiana ny SCAF

Vetivety , dia nitatitra ilay mpanao gazety Hind Hassan hoe :

@hindhassan [7]:  Koa ny fahitalavi-panjakana Ejiptiana dia milaza fa TSY neken'ny #SCAF ilay fametraham-pialan'ny kabinetra na dia teo aza ireo tatitra mifanohitra amin'izany izay efa nivoaka. #EGYPT

Tao amin'ny Twitter, naneho hevitra tamin'ilay vaovao ireo mponina .

Blake Hounshell, mpanao gazety, dia mampahatsiahy antsika :

@blakehounshell [8] : N ametra-pialana ilay kabinetra Ejiptiana kanosa sy banga ridana : tamin'ny fotoana farany nisian'izany dia nijanona tao amin'ny biraony ihany izy ireo.

Ilay tantara dia tsy nisy very tamin'i  Mohamed El Dahshan. Nanoratra izy hoe [ar] :

تذكير: تقديم شرف أو العيسوي كبش فداء لا يكفي. المشير و المجلس لازم يرحلوا!
@TravellerW [9]:  Fampahatsiahivana : Tsy ampy ny fanolorana an'i  Shareef na El Essaw ho toy ny zanak'ondry ho sorona. Ny  Maréchal sy ny filankevitra  [SCAF] dia tokony hiala !

Mpanao fanadihadiaana ara-politika i Shadi Hamid no nanontany tena raha toa ny fifidianana parlemantera,  izay  voatondro hanomboka ny 28 Novambra ka ho tanteraka ihany.  Hoy izy :

@shadihamid [10]:  Manantena aho fa tsy hisy izany fifampitohizana izany, kanefa mety hisy izany : mametra-pialàna ny PM , voatendry ny governemanta vaovao , nahemotra ny fifidianana. #Egypt

The  Arabist manampy hoe :

@arabist [11] :  Ilay fametraham-pialan'ny kabinetra Ejiptiana dia tsy afaka ny handalo fotsiny raha ohatra ny olona misolo azy ka mahavita azy.

Ary ilay Ejiptiana  Amira Salah-Ahmed mamintina hoe :

@Amiralx [12]:  Raha  nolavina ny fametraham-pialana ary hiverina hiasa ireo ministera  dia  malemy izy ireo  ary mpiray tsikombakomba amin'ny herisetra . Ahorony ny entanareo ary mialà tao amin'ny birao tao!

Mandritra izany,  mbola nitohy ny raharaha tao afovoan-tananan'i Cairo, manodidina an'i  Tahrir – toy izany koa ny tany amin'ny faritra hafa manerana an'i Ejipta

Jon Jensen dia mandefa tatitra fotsiny manao hoe :

@jonjensen [13] :  Tifitra mavesatry ‘ny polisy mankany amin'ny vahoaka ao amin'ny làlana Mohamed Mahmoud. Henoko ny balan'ny basy manao dom-berina amin'ireo tranobe sy ny manda fiarovana. #Egypt #Tahrir

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny  Revolisiona ao Ejipta  2011 [1].