- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Madagasikara: Leon'ny Fahatapatapahan'ny Herinjiro ny Mponina

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

Nandritra ny herinandro lasa teo iny, dia niaina fandrindrana vaovao ny fahatapahan-jiro [1] [fr] izay maharitra eo ho eo amin'ny adiny roa sy sasany ny takariva ary mety hiharatsy aza [2] [fr] izany ny eto Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara.  Mary ny bilaogera [3] no nanambara [4] [fr] ny fiakaran'ny fahasosorana [5] [mg] amin'ny toe-java-misy ankehitriny izay hita taratra amin'ny [6]twitter mivoaka faramparany [7].