Teny: Fifanakalozan-dresaka Amin'ny Teny Cherokee Miaraka Amin'Amboadia

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny andiany iresahanay ny  “ Fampiasàna ireo Fitaovan'ny Mediam-Bahoaka Mba Hanandràtana Ireo Teny Zara Raha Misy Mpiteny.

Izy dia amboadia vorodamba mitondra ny anarana hoe  ᏩᏯ ary milalao an-tsehatra ao anatin'ilay andian-tantara an-dahatsary ao amin'ny Youtube natao hitadiavana fomba sady mampiala voly no handrisihana ny fampiasàna ny teny Cherokee. ᏩᏯ, izay midika hoe Wahya na “amboadia” amin'ny teny Cherokee, dia hita eny rehetra eny manerana ny tanàna miresaka amin'ireo olona hafa miteny ny teny Cherokee.

Izy ity dia tetikasan'i Joseph Erb sy ny Durbin Feeling, ary iroe lahatsary dia azo jerena ao amin'ny kaonty YouTube DigitalNativeMaker. Na dia nisalasala amin'ny hoe horaketina an-tsary aza ny sasany tamin'ireo zokiolona malama vava amin'izy io, nilaza i Joseph fa nanampy i  ᏩᏯ tamin'ny fanamoràna ireny fandraketana rehetra ireny.

Ireo lahatsary dia iray amin'ireo hetsika maro ampiasàna ny teknolojia sy ny aterineto mba hifampizaràna ny kolontsaina Cherokee amin'ny alàlan'ny fifandraisana. Niteny i Joseph fa izy dia miasa “hahitàna làlana hampiasàna ny teny, kolontsaina ary ny hevitra  azontsika avy amin'ny lasantsika sy hitondra izany hankamin'ny hoavy.” Ohatra, i Joseph dia nampiasa ny fanetsehana zavatra mba hitantaràna tantara fahiny amin'ny teny Cherokee, hatramin'ny fandraisany anjara anaty tarika iray miaraka amin'ny Apple mba hitondra fanohanana amin'ny fanaovana izay hampiasàna ny teny Cherokee amin'ny iPhone, iPod Touch, sy ny  iPad.

“Raha tsy afaka hanana ny teny Cherokee ao anatiny izy io, miteny Anglisy daholo ry zareo,” hoy izy. “Ilaozan-dry zareo ny Cherokee-ny … satria amin'ny teny Anglisy ilay teknolojia mahafinaritra. Noho izany dia nila nitady làlana izahay mba hahatonga ny teknolojia ho mahafinaritra miaraka amin'ny teny Cherokee”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.