Ny voka-dratsy nateraky ny tondra-drano tao Thailandy
Nihoatra ny 500 ny maty tamin'ny tondra-drano nahatsiravina tao Thailandy tao anatin'ny 50 taona. Nilaza ny mpitondra fanjakana fa mbola mijaly noho ny tondra-drano ny faritra 25. Fianakaviana maherin'ny iray tapitrisa no voakasika amin'izany ary nandripaka tany fambolena teo amin'ny 4,4 tapitrisa hekitara teo amin'ny firenena io tondra-drano io.
Nilaza ny governoran'i Bangkok fa faritra miisa 470 tao an-tanàna no voakasiky ny tondra-drano ary faritra maro no nahazo baiko hoe hifindra toerana . Hita etsy ambany ny saritany maneho ny faritra tratran'ny tondra-drano ao Bangkok:
Nanoratra mikasika ny fiantraikan'ny tondra-drano teo amin'ny fiangonan'ny Boddhista sy teo amin'ny moanina i Suthichai Yoon:
Miezaka mafy ireo moanina Boddhista tato ho ato eo amin'ny fanolorana fanampiana amin'ny fiadiana amin'ny tondra-drano izay miha-miakatra hatrany. Fiangonana an-jatony no dobon'ny tondra-drano ary moanina’ any amin'ny faritra lavidavitra dia mijaly nohon'ny tsy fahampian'ny sakafo isan'andro satria ireo mponina ao an-toerana dia tsy afaka namita ny anjara adidiny isan'andro eo amin'ny fiantrana ireo moanina taorian'ny tondra-drano izay nahazo ny faritra maro.
Namoaka sary vitsivitsy maneho ny tondra-drano ny blaogy The Thailand Life:
Nanapa-kevitra ny hitondra ny fakantsariko aho androany hariva mba ahitana mazava tsara hoe inona no tena mianjady amin’ ny mponina Sutthisan. Toa hita hoe feno rano ny arabe, nefa mbola azo iafiana aloha izany hatramin'izao raha oharina amin'ny any an-tanandehibe. Izay aloha ny amin'iny, fa ny sisin-dalana sasantsasany dia efa dibo-drano tanteraka, araka ny fahitantsika azy eto.
Manao tatitra i Ladprao 64 hoe tsy dia nisy fiovana loatra ny any amin'ny faritra voatondra-drano:
Raha ny fijerinay, dia tsy nisy fiovana loatra androany. Ireo faritra niharan'ny voina ireo dia mbola iharany hatrany, na dia efa niitatra tsikelikely aza izy ireo. Toa ohatran'ny tsy dia nihetsika firy aloha ny haavon'ny rano amin'iny lalana mankany amin'ny Ladprao iny, na dia efa nilaza aza aho teo aloha hoe efa mihamidina any ambanin'ny tany ny haavon-drano.
Voalaza fa mbola ambany hatramin'izao ny haavon'ny rano any amin’ ny faritra somary mianavaratra izay tratran'io tondra-drano io, anisan'izany i Pathum Thani, ary voatatitra fa hiverina amin'ny laoniny ny fiainana ankapobeny ao anatin'ny folo andro, na dia vinavina fotsiny aza izany. Fa ho hitantsika eny ihany ny fivadihan'ny toe-javatra
Misy horonan-tsarimihetsika izay maneho ny fandehanan'ny bisikileta ao anatin'ny tondra-drano etsy ambany:
Manakiana ny ezaka fanampian'ny governemanta i @ThanongK, mpikambana ao amin'ny Twitter:
@ThanongK: Ireo olona manana fari-piainana eo amin'ny antonony ihany no mahazo vaovao mikasika ny tondra-drano amin'ny alalan'ny aterineto. Ny vahoaka sasany dia tsy mahalala ny zava-miseho.
@ThanongK: 6. Tsy fantatry ny governemanta hoe iza amin'ireo faritra ireo no voalohan-daharana tokony arovana amin'ny tondra-drano. Mifantoka amin'ny fanampiana ny indostria ny governemanta fa tsy amin'ny fanampiana ny vahoaka.
@ThanongK: 7. Ny hany mba asa ataon'ny governemanta dia ny famindrana ny vahoaka ao aminy any amin'ny faritra hafa nefa mety andalovan'ny tondra-drano ihany koa.
Namorona horonan-tsary mihetsika iray ilay mpitoraka blaogy Broneana, mangataka fanohanana bebe kokoa ho an'ireo tra-boina vokatry ny tondra-drano. Etsy ambany dia misy sarina salotr'ain'i judnak (asa aman'andraikitra lehibe) izay noforonona mba anehoana ny olana ara-pahasalamana eny amin'ny ivo fitobiana traboina:
Inona no atao hoe salotr'ain'i Judnak ary inona no andraikitry ny vohikala Facebook eo amin'ny famokarana io salotr'aina io?
Ny salotr'aina “Jud-Nak” dia noforonona antoko kely iray avy any ivelany teto amin'ny vohikala Facebook ny Alatsinainy 17 Oktobra 2011. Ny Talata izahay nahita namana tompona orinasa mpanokatra fitaovana vita amin'ny akora amin'ny fomba natoraly, fitaovana afaka anamboarana salotr'aina ho antsika. Ny Alakamisy, izahay dia nahazo fanampiana avy amin'ny sampana mpandalina momba ny maritrano, tao amin'ny anjerimanontolon'i Chulalongkorn, teo amin'ny famorona ny sarin'ilay salotr'aina. Ary anio Zoma, dia vita avokoa ireo salotr'aina voalohany miisa 20,000 ho an'ireo mpamory fiaramanidina. Ny asa rehetra dia nataon'ny olona maro tsy nifankafantatra akory, olona izay hitanay tamin'izany fotoana izany nanolotra fanampiana ara-bola sy fanampiasa teo amin'ny asa. Koa satria manampy ny ankamaroan'ny mponina izay mijaly noho ny krizy naterak'io tondra-drano lehibe indrindra io tao anatin'ny 50 taona ilay tetikasa, dia mikasa ny hanamboatra maromaro amin'ireo salotr'aina ireo izahay ary manantena izahay fa afaka hizara azy ireo ho an'ireo izay tena mila izany ao anatin'ny fotoana haingana indrindra
Fitaovana azo itokisana hatramin'izao ilay hashtag #thaiflood eo amin'ny fanaovana tatitra mikasika ny tondra-drano:
@TAN_Network: Mampitandrina amin'ny fisotroana zava-pisotro mangatsiaka mandritry ny fotoanan'ny tondra-drano ny sampana miandraikitra ny fahasalaman'ny sarambabembahoaka. Voaporofo avokoa fa ahitana mikroba ireo ranomandry sy zava-pisotro mangatsiaka.
@MCOT_Eng: ‘Nanjavona’ avokoa ny atsasaky ny taxis ao Bangkok, 60.000 ao anatin'ny 100.000 fotsiny no miasa vokatry ny tondra-drano; maro ireo toby mpamatsy solika LPG sy NGV no nikatona
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...