Tantara tamin'ny 17 Novambra 2011
Goatemala: Fifandirana momba ny filoha voafidy
Mpianatra maintimolaly nahazo diploma Amerikana sady jeneraly misotro ronono Otto Perez Molina no voafidy ho filoha any Goatemala taorian'ny fifidianana niady tokoa sady nifanipaka be ihany, nefa ny ankamaroan'ny mpifidy dia...
Ny voka-dratsy nateraky ny tondra-drano tao Thailandy
Nahatratra mihoatra ny 500 ny tahan'ny fahafatesana tamin'ny tondra-drano nahatsiravina tao Thailand tao anatin'ny 50 taona. Nilaza ny mpitondra fanjakana fa mbola mijaly nohon'ny tondra-drano ny faritra 25. Fianakaviana maherin'ny iray tapitrisa no voakasika amin'izany ary nandripaka tany fambolena eo amin'ny 4.4 tapitrisa hektara teo amin'ny firenena io tondra-drano io
Koety: Fanentanana Amin'ny Lahatsary Mba Hampianarana Ny Olom-pirenena Ny Momba Ny Lalampanorenana
Hanamarihana ny tsingerintaona faha-49 nisian'ny Lalampanorenana Koetiana, nanapa-kevitra ny vondrona mafàna fo vitsivitsy mba hampahatsiahy ny vahoaka ireo votoaty samihafa ao anaty lalampanorenana. Eo ambanin'ny lohahevitra hoe Tadry[ar] (Mba fantatrao va re?), Sout Al-Kuwait (Feon'i Koety) dia namokatra lahatsary enina, maharitra segondra vitsy eo avy, hanazavàna amin'ny vahoaka andalana enina notsongaina avy ao amin'ny lalampanorenana.
Tontolo : Ny Fisoloàn-toerana An'i Moreno Ocampo Ao Amin'ny Fitsarana Iraisam-pirenena Ho An'ny Ady Heloka Bevava
Tonga amin'ny fetra farany ny fotoana ipetrahan'i Luis Moreno Ocamp amin'ny maha mpampanoa lalànan'ny Fitsarana Iraisam-pirenena ho an'ny Ady Heloka Bevava. Ny fifidianana mpitsara dia voalahatra ho amin'ny volana Desambra. Ny adihevitra dia miompana amin'ireo Kandidà izay hisolo an'i Moreno Ocampo izay hindraindrain'i Evan Fleischer ato.