- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Ampangain'ireo Mpiondana Aterineto Ho manao Tatitra Mitongilana Ny Reuters

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Ity dia lahatsoratra ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Yemen 2011 [1].

[2]

Dikasarin'ny Henatra tao amin'ny pejy Facebook an'ny Reuters

 

Marobe ny olona no tohina nahita fa ilay loharanom-baovao malaza sy mba nitokisany, Reuters, dia manaràma an'i Mohammed Sudam, mpandika teny manokan'ny Filoha Ali Abdullah Saleh, sady sekreterany hatramin'ny 2009, ho toy ny solotenany mivantana sy iraka manokany ao Yemen.

Ireo Yemenita mpandefa siokantsera dia samy tezitra tamin'ity zavatra hitany ity, nametra-panontaniana amin'ny fahamendrehan'ny Reuters sady milaza fa io no manazava ny tatitra diso sy tsy mitombina momba an'i Yemen izay naparitak'ilay masoivohom-baovao, satria niankina betsaka tamin'ny famoahana tatitra nataon'ny Reuters ireny mpamoaka vaovao ireny ary tsy nanao afa-tsy ny nitanisa izay voalazany. Maro ny  Yemenita no velom-panontaniana mikasika ny fandrakofam-baovao ataon'ilay masoivoho, nefa rehefa nahita ity zavatra nivoaka tsy ela ity vao nahalala ny antony.

@NajlaMo milaza hoe:

@NajlaMo [3]: Mohammed Suddam: Sekretera & mpandika tenin'i #Saleh miasa ihany koa ho toy ny mpitatitra vaovao ho an'ny @Reuters! #ShameonReuters! (Henatra ho an'ny Reuters) Aza mba mino an'izany! !

Mangata-panazavàna i @crazyyafai [4]:

Tianay ny hanazavan'ny #Reuters ny antony nanakaraman-dry zareo olona izay niasa tao an-dapan'ny mpanao jadona & ary matoky azy ho loharanon'ny tatitra. #ShameOnReuters @AJStream

Ary i Dima Khatib, Arabo mpanao gazety, dia nitondra fanamarihana hoe:

@Dima_Khatib: [5] Fomba ahoana no haha-loharano azo antoka ny mpandika tenin'ny filoha ho anà masoivoho iraisam-pirenena tahaka ny @Reuters ? Raha marina, dia zava-mahamenatra loatra!

Ary tahaka ny nataon'ilay mpanolotra fandaharana avy any Emirat, @SultanAlQassemi [6], izay nangata-panazavàna ihany koa tamin'ny Reuters Gulf :

Raha ny fahitàna azy dia manaràma ny mpandika teny manokan'ny Filoha Saleh ao Yemen mba ho solontenany ilay @Reuters izay najaina fatratra . Afaka mitondra fanamarihana ny @ReutersGulf

@Dory_Eryani [7] dia manome loharano avy amin'ny Arabo izay manamafy izany fanambaràna izany:

@blakehounshell @SultanAlQassemi @Reuters tsy izany fotsiny fa sekreterany koa izy hatramin'ny 2009 marebpress.net/news_details.p… [8]

Ary dia toy izay koa no nataon'ilay mpanao gazety, Gregg Carlstrom @glcarlstrom [9], izay nanome rohy iray amin'ny teny Anglisy:

@blakehounshell @SultanAlQassemi Yep. Mohammad Sudam: j.mp/sk2Hmk [10]

Mba hanehoan'izy ireo ny fahatafintohinany tamin'ity vaovao nivoaka ity, dia teo ambanin'ny tenifototra #ShameonReuters ireo mpampiasa  Twitter no nandefa ny fanehoan-keviny.

Ilay Yemenita, Marwan Almuraisy, dia niarahaba ny Reuters io maraina io tamin'ity siokantsera manaraka ity:

@almuraisy [11]: Miarahaba ny @Reuters 🙂 Dia heverinareo ve fa nitsahatra tsy nandefa siokantsera intsony mikasika ny #ShameOnReuters ny #Yemen(ita) ? Tsy mbola.

Ary izy ihany koa @almuraisy [12] no nanambara ny famoronana ny  pejy Facebook #ShameonReuters [2], izay noforonin'i @TahaAbdoh [13]:

#ShameOnReuters ankehitriny dia pejy Facebook iray ao amin'ny facebook.com/#!/pages/Shame… cc : ——-> @Reuters #Yemen

Ireo bilaogera Yemenita @NajlaMo [14] sy @Doryaleryani dia samy nanoratra lahatsoratra amin'ny teny Anglisy sy Arabo ho famasohana ny Reuters.

@NajlaMo nibitsika hoe:

te-hahafantatra hoe  nahoana isika no tsy afaka hino intsony  ny @Reuters? http://arabiyamuslimah.blogspot.com/2011/11/reuters-can-no-longer-be-trusted.html #shameonReuters #yemen #supportyemen #yf

Azo vakiana eto [15] ny lahatsorany.

Ary i @Dory_Eryani [16] manontany tena hoe (amin'ny teny Arabo):

ولما تكون رويترز في جيب الحكومة..نكلم احنا مين يا شعب بلادي المسكين ؟

“Ary rehefa ao am-paosin'ny fitondràna ny Reuters.. dia amin'iza indray isika, ry vahoaka mahantra keliko eto Yemen, no hiresaka?”

Nanoratra lahatsoratra amin'ny teny Arabo ao amin'ny bilaoginy ihany koa izy eto [17], anehoany ny fahatafintohinany momba ny zava-misy, sy ny fahadisoam-panantenany amin'ny fandrakofana vaovao ao Yemen.

Dory manontany hoe:

هل من المعقول ان رويترز لا تعرف هذا؟ طبعا هذا شيء مستبعد..هل رويترز تعلم وتسكت عن ذلك وتأخذ أخبار مصدرها هو مكتب الرئيس؟لا أعلم..اترك الإجابة لكم.
Dia mety hisy ve ny hoe tsy nahalala an'io ny Reuters (ny asa nosahanin'i Sudam niaraka tamin'ny Filoha)? Mazava loatra, zavatra tsy azo eritreretina izany. Mahalala izany ve ny Reuters ary maka milamina sy mandray ny vaovao avoakan'ny biraon'ny Filoha? Tena tsy fantatro marina mihitsy ary avelako mba ho ianao no hanome valinteny.

Naverin'ireo mpampiasa Twitter ireo tatitra fahiny nataon'ny Reuters momba an'i  Yemen mba hitsingolohana izay tsy mety sy mitongilana.

Ny tatitry ny Reuters mikasika ny zava-doza nitranga tao Taiz tamin'ny Zoma dia nanoritra fa “Raha kely indrindra dia olona 17 no maty tao anaty fifandonana mahery vaika tao amin'ny tanàna Yemenita ao  Taiz tamin'ny Zoma.” Nilaza ireo mpampiaza  Twitter fa io dia mifangarika tanteraka amin'izay hitan'ny mason'izao tontolo izao tany anaty lahatsary tao amin'ny  YouTube izay nampiseho ny daroka baomba nataon'ny tafika avy amin'ny mpitondra tany amin'ireo faritra toeram-ponenana sy ny Kianjan'ny Fahalalahana nandritra ny fotoana fivavahana isaky ny Zoma, nahafatesana vehivavy, lehilahy sy ankizy maro..

@crazyyafai [13] dia nivanàka nandefa siokantsera hoe :

#Reuters miteny hoe fifandonana, raha izao tontolo izao mahita fa famonoana no nisy tao #Taiz, Nahoana? Satria ny mpanao tatitra ho azy ireo dia miasa ho an'i #Saleh. #ShameOnReuters @Reuters

@Dima_Khatib [5] nanontany am-pahatsorana ny  Reuters :

Fomba ahoana no haha-loharano azo antoka ny mpandika tenin'ny filoha ho anà masoivoho iraisam-pirenena tahaka ny @Reuters ? Raha marina, dia zava-mahamenatra loatra! !

Ary i @samwaddah [18] dia nandefa siokantsera nahatsikaiky:

Mba manam-bintana ilay mpanome tatitra ho an'ny Reuters ao  #Yemen fa mandray karama in-2! Avy amin'i #Saleh  amin'ny fandisoana ny vaovao  & ary iray hafa avy amin'ny  Reuters noho ny famoahana izany! #ShameOnReuters.

Ity dia lahatsoratra ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Hetsi-panoherana ao Yemen 2011 [1].