Ity lahatsoratra ity ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011 [1].

Ny graffiti iray misy an'i Alaa Abd El Fattah dia mivaky toy izao: Aza manadino ahy. Sary avy amin'i Bassem Sabry
Mpitsara iray tao amin'ny fitsarana ara-miaramila no hanapa-kevitra amin'ity anio ity na hohafahana i Alaa Abd El Fattah na mbola handany 15 andro hafa indray ao an-tranomaizina, eo ampiandrasana ny fanadihadiana ambaran'ireo mpiaro fiampangàna tsy marina. Nohelohina ho manainga ny olona hanao herisetra amin'ny miaramila, nangalatra fitaovam-piadiana sy nanimba fananan'ny miaramila.
Tamin'ny 30 Oktobra no nisamborana [2]an'i Abd El Fattah, rehefa nandà tsy hohadihadian'ny mpitsara miaramila mpanao famotorana, ho fanoherany ny maha ara-dalàna azy. Ny fisamborana azy, sy ny vokatr'izany tamin'ny sehatra iraisam-pirenena, dia nahakasika sivily maro maherin'ny 12,000, izay anenjehana azy ireo ara-miaramila ao Ejipta rehefa naka toerana ny “Supreme Council of the Armed Forces (SCAF) na Fitsarana Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana.
Tao amin'ny Twitter, dia nanambatra ny heriny ireo mpanohana ho an'ny fanafahana azy tamin'ny fanaovana ny tenifototra “#WhyFreeAla [3].” Indreto ny sasantsasany amin'ireo bitsika ampiasàna ity tenifototra ity.
Mibitsika i Mostafa Rafat:
@llvllostafa [4]: #WhyFreeAlaa satria any an-tranomaizina izy mba hisolo toerana ahy sy ianao.
Mizara fihetsehampo mitovitovy amin'izany ihany i Ahmad moein :
@ahmadmoein [5]: #WhyFreeAlaa satria ianao no manaraka!
Manampy i S K:
@nolesfan2011 [6]: #whyfreealaa satria izy dia maherifo, tsy manan-tsiny izy ary namako sady anisan'ny olona fantatro ho tena manome aingam-panahy indrindra.
Milaza i Hussein Adel Fahmy fa [ar]:
Ary ny anabaviny Mona Seif, izay nandresy tamin'ny raharaha ara-pitsarana miaramila an'ireo sivily, hatramin'ny fiandohan'ny revolisiona, dia mibitsika hoe :
@Monasosh [8]: #WhyFreeAlaa satria izaho dia tena manina anao ary efa reraka ny mieritreritra hoe moramora izany.
Mamintina azy ity ilay mpanoratra lahatsoratra fanadihadiana isanandro, atao hoe Mona Eltahawy :
@monaeltahawy [9]: #WhyFreeAlaa satria ataony #izay hahatsara kokoa an'i Ejipta.
Ity lahatsoratra ity ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Revolisiona ao Ejipta 2011 [1].