Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny tantaranay mikasika ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.
Raha mbola mitohy ny famoretana ao Syria, ny aterineto dia tototra fironana ho amin'ny fiaraha-mientana ho an'ireo mponina ao Syria sy ny adin'izy ireo ho an'ny fahafahana. Ny roa farany indrindra amin'ireo dia ny “Call Homs” ary ny “Syrian Sit-in in Youtube.”.
“Call Homs” dia natao mba hanehoana firaisan-kina amin'ireo olona avy ao Homs, tanàna Syriana lasa renivohitra famantarana ny fanoherana ny herisetran'ny fitondrana. Amin'ity herinandro ity, ny Mosolmana dia mankalaza ny fetin'ny Eid Al-Adha, ary fampielezan-kevitra karakarainà fikambanana Syriana monina any ivelany no mandrisika ny olona mba hiantso kianjoanjo laharana Homs iray ka hirary Eid sambatra ho an'ilay fianakaviana. Betsaka ny toromarika fanampiny afaka jerenao ao amin'ny pejy Facebook -n'ilay hetska.
Horonam-peo iray nalain’ i Mohammed Al-Mulhim ary naparitaka be tao amin'ny Twitter no maneho ny resaka nifanaovanà lehilahy Saodiana iray sy vehivavy avy ao Homsi. Indro ny dikany :
Salam Aleikom/ Aleikum Es-salam / Iza izany miresaka izany?/Mohammad AlMudhem, avy ao Arabia Saodita/oay, zanako, diso nomerao ianao, / eka, fantatro izany ranabavy. Miantso anao mitsatotsatoka fotsiny aho, mba hilaza zavatra iray aminao./ Lazao ary, ry ise/ Mijoro miaraka aminareo amin'ny firaisanay hina izahay, amin'ny fonay manontolo/ Ho tahian'Andriamanitra, ry zanako/ Mahafaly be ahy ny maheno anao, miala tsiny nanelingelina, te hiarahaba anao tratry ny Eid fotsiny aho/ Ho tahian'Andriamanitra, ry zanako/ Mirary soa indrindra ary maniry filaminana ho anao/Iza indray izao miteny izao?/ i Mohammad Almudhem/Ho tahian'Andriamanitra, mirary soa indrindra ary ho lava velona ianao/ fa lazao ahy ny momba anao, salama ve ny fianakavianao?/ Eny, salama izahay, misaotra betsaka, tahian'Andriamanitra, tahian'Andriamanitra !
Ilay fampielezan-kevitra dia niely be vetivety indrindra fa tamin'ny bilaogy, Facebook ary Twitter, miaraka aminà mpampiasa an-jatony mizara ny tenifototra #CallHoms sy ny tantarany avy :
SYRIAslyJana : Mba hanehoana ny fanohananareo , # callHoms : Antsoy ny 00963- 31 avy eo 21, 22, 24 na 25 ary mampidira isa 5 kisendrasendra & milazà teny fampaherezana #Syria
NoorAl_khaldi: اتصلت المكالمه الاولى كانت من البياضه عايدتهم وانبسطوا كثيير بالمعايده وحسوا انوا في احد معاهم وانا جاني نفس شعورهم شعوووور جميل #callhoms
نجتمع فيه كلنا معاً ومن كل مكان في العالم ومن كل الجنسيات… لنعلن تضامننا مع مطالب الشعب السوري الحر، ولنقول جميعناوبصوتٍ واحد لا للقتل لا للظلم لا للقمع لا للقهر، ولنقول لبشار الأسد ونظامه وعصابته أننا وبعون الله سنسقطكم ثم سنحاكمك
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tantaranay manokana mikasika ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.