- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taiwan: Maneho Hevitra Momba Ilay Diplaomaty Voaheloka Ho Nanararaotra Mpiasa An-trano Ireo Mpiondana Aterineto

Sokajy: Azia Atsinanana, Etazonia, Filipina, Taiwan (ROC), Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Sendikà, Zon'olombelona

Noho ireo mpanao lalàna mitavozavoza sy motraka, ary ny “sasany”- sa tokony hoe “ny maro” no ho teneniko – amin'ireo mpampiasa tsy vanon-toetra, malaza ratsy amin'ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasa vahiny mpila ravinahitra i Taiwan. Na izany aza, tamin'ity indray mitoraka ity ny tantara ratsy mahasadaikatra dia tsy tao Taiwan no nitranga, fa tao amin'ny toeram-ponenan'ny diplaomaty Taiwanais any Etazonia.

Ny lohateny lehibe tamin'ireo gazety malaza tao Taiwan androany dia momba an'i Hsien-Hsien Liu (劉珊珊),Tale jeneralin'ny Taipei Economic and Cultural Office (TECO) ao an-tanànan'i Kansas, voampanga ho manome karama vary masaka ny mpiasa an-tranony avy any Philippine [1], tsy famelàna azy hivezivezy malalaka ary fanerena azy hiasa 16 ka hatramin'ny 18 ora isanandro. Koa satria tsy manana fifandraisana ara-diplaomatika amin'ny fomba ofisialy amin'i Etazonia i Taiwan,  Hsien-Hsien Liu no lasa toy ny diplaomaty ho azy fotsiny amin'izao misolo tena ny governemanta Taiwanais, amin'ny endrika tsy ofisialy

Ny ankamaroan'ireo famoaham-baovao rehetra dia samy miresaka ny fiantraikany ratsy entin'izany ho an'ny fifandraisan'i Taiwan sy Etazonia. Ireo mpanao politika avy amin'ny lafiny roa, na izany avy amin'ny antoko mitondra , Kuomingtang (KMT) na ny mpanohitra,  Democratic Progressive Party (DPP) dia samy miteny fa mila “henjana” ny governemanta Taiwanais amin'ny resaka fiandrianam-pirenena ka hangataka ny tsimatimanota ara-diplaomatka ho an'i Liu, na dia milaza aza ny lehiben'ny fampanoavana tao amin'ny NBC fa noho i Taiwan tsy firenena manana fiandrianana dia tsy afaka hisitraka izany zo izany i Liu.

Raha tsy hita loatra tanatin'ireo kabary politika ny zon'ilay mpiasa niharan'ny tsy rariny, ireo mpampiasa twitter kosa dia nisaina lalina momba ny fihetsiky ny Taiwanais manoloana ireo mpiasa vahiny mpila ravinahitra. Hoy [2] i @ancorena [2]:

我猜想在許多人心目中,美國一向都是世界人權的燈塔。可是到了今天這種時候,台灣人可能還要靠美國人的過激手段裡才能學習正確對待外籍勞工,實在是場難以形容的荒謬劇情。

Heveriko fa ao anatin'ny fisainan'ny olona maro, Etazonia dia sary maneho ny fenitra fanajàna zon'olombelona manerana ny tany. Saingy hatramin'ity fotoana ity aloha, mbola betsaka ny tokony hianaran'ny Taiwanais amin'ny rafitra lalàna ao Etazonia amin'ny fomba mendrika hitondràna tsara ireo vahiny mpitady ravinahitra. Tena zavatra kidaladala manahirana mihoatra noho izay azo faritana izy ity.

GJ!Taiwan, kaonty twitter iray fanelezana vaovao tsy marina dia mba niresaka koa ity tranga ity [3]:

外電報導,我駐美國密蘇里州堪薩斯台北經濟文化辦事處處長劉姍姍,讓菲傭超時工作,涉嫌壓榨虐待,且未依契約,只給對方1/3薪水,涉嫌詐欺,遭FBI探員逮捕拘留。外交部長楊進添昨證實此事,但表達嚴正抗議;因為劉姍姍所為不過是台灣雇主傳統,美方應予尊重。

Araka ireo tatitra avy any ivelany, Hsien-Hsien Liu, tale jeneralin'ny Taipei Economic and Cultural Office ao an-tanànan'i Kansas , dia nampangain'ny mpiasa an-tranony avy any Philippine ho nanararaotra mpiasa sy nanao hosoka tamin'ny fanerena azy hiasa ankoatry ny ora ara-dalàna sy nanaràma azy tamin'ny 1/3 fotsiny amin'ny tokony ho karamany, ka dia nosamborin'ny FBI. Ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny, Chin-tien Yang, dia nanamarina ny zava-nitranga sady naneho fanoherana miezinezina:  Satria tsy nanao afa-tsy ny nanaraka ny fomba fanaon'ireo Taiwanais mpampiasa rehetra ihany i Liu, dia tokony hankato izany i Etazonia.

Torrent Pien dia manontany [3] antsipirihany bebe kokoa mikasika ilay tranga:

劉姍姍的外傭說是公務雇用,但合約每個月薪資1240美金,但外傭只實拿450,中間的790跑哪去了啊,劉處長要不承認私人雇用,要不承認貪汙

Voalaza fa ilay vehivavy mpiasa an-tranon'i Liu dia noraisiny hiasa tamin'ny fomba ofisialy, saingy satria ny karama isam-bolana ao anaty fifanarahana dia  $US 1240, raha $US 450 monja no noraisin'ilay mpiasa an-trano, nankaiza ny  $790? Liu dia manan-tsafidy, ka na izy hanaiky fa nanakarama io olona io ho an'ny tombontsoany manokana, na izy hiaiky fa nanao kolikoly.

book686 manamarika hoe [4]:

[外交官被逮事件] 目前為止幾位總統候選人都只在主權問題上表態,卻沒人在(勞動)人權問題上發言~~

[Mikasika ny raharahan'ilay diplaomaty voasambotra] Hatramin'izao, ireo mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ihany aloha no nanisy tsindrim-peo mikasika ny raharaha fiandrianam-pirenen'i Taiwan, ary tsy misy na iray aza miresaka ny zon-olombelona (ho an'ny mpiasa)

Angel Smile miteny hoe [5]:

像這種廢人,我覺得就讓美國去整治她最好;不然弄這垃圾回國,就算查出是貪汙,還不是又全身而退。

Avelao i Etazonia no hanafay ny karazana lava-b…..toy izany; fa raha toa miverina aty amin-tsika ny fakofakon'olona toy io, na dia nanao kolikoly aza izy dia ho hafàhana madiodio ihany izy.

Winkai mahita hevitra iray [6] :

我覺得劉珊珊應該要申請台灣的國賠,因為是台灣政府長久放任國人苛刻'使用'外籍雇傭,才會讓劉大公務員誤以為可以那麼作

Raha ny hevitro dia tokony hangataka onitra amin'ny fanjakana i Liu, avy amin'ny governemanta Taiwanais izay nandrisika ny vahoakany “hampiasa” fanararaotana amin'ireo vahiny mpila ravinahitra. Izany no antony isainan'i Liu fa tsy nanao ratsy, na inona na inona, izy.

Azonao atao ny mijery ireo tatitra tany aloha momba an'i Taiwan sy ny resaka asa fitadiavana eto [7], eto [8], ary eto [9]. Fa izao koa, ireo vahiny mpiasa an-trano sy mpiasa ao Taiwan dia tsy manana zo hisitraka andro fialan-tsasatra izany mihitsy.