Kolombia : Maty Ilay Mpitarika Ara-Poto-kevitra Ngeza Lahy Tao Amin'ny FARC, “Alfonso Cano”

Ny 4 Novambra 2011, ny governemanta kolombiana dia nanamafy[es] fa i Guillermo Leon Saenz (aka Alfonso Cano), ilay mpitarika ara-poto-kevitra ny FARC ary olona misahana manokana ny fibaikoana taorian'ny fahafatesan'i ‘Tirofijo’ [Fixed Target] ary  ‘Mono Jojoy‘ [Jojoy Chimp] dia lavo an'ady tamin'ny ady nifanaovana tamin'ny miaramila tao amin'ny  departemantan'i Cauca.

Io ady io dia nomena ny anarana hoe Operation  Odiseo [es], ary na dia efa niely hatry ny maraina aza ny tsaho momba ny fahafatesan'ilay mpitarika ny mpiady anaty akata, ny alina vao nisy vaovao voalohany voamarina nivoaka.

Araka ny efa nampoizina, betsaka ny fanehoan-kevitra avy amin'ny mponina.

Manolo Bellon (@ManoloBellon) [es] mametra-panontaniana ny amin'ny firavoravoana noho ny fahafatesan'ilay mpitarika ady anaty akata :

Buenos días. La muerte de #AlfonsoCano es un avance para la paz del país. Pero jamás se puede celebrar la muerte de un ser humano, nunca.

Miarahaba. Ny fahafatesan'i #AlfonsoCano dia firosoana mankany amin'ny filaminana eto amin'ny firenena. Kanefa tokony tsy hiravoravoana mihitsy ny fahafatesan'olombelona iray, na oviana na oviana.

Alfonso Cano, sary avy amin'ny Wikimedia Commons ho an'ny olon-drehetra

Victicor (@CommunityVM) [es] nanontany momba ireo olona nalaina an-keriny izay mety ho faty nandritra io ady io, izay tsy noresahan'ny haino aman-jery akory :

Cuántos secuestrados mataran en esos ataques y el ejercito no dice nada… #AlfonsoCano

Firy ireo nalaina an-keriny no ho faty mandritra io ady io ary ireo miaramila dia tsy miteny na inona na inona… #AlfonsoCano

Alfonso Cano dia efa lasa foto-dresaka nandritry ny  fifidiananm-paritra, ny 30 Oktobra lasa teo, tamin'ny nahazoan'ilay M19 teo aloha mpiady anaty akata ny toerana maha ben'ny tanàna tao Bogota, renivohitra. Diego Felipe Ariza G (@Diego_Ariza) [es] dia nanoratra tamin'io andro io hoe :

A quien pondremos en la siguiente Alcaldía de Bogota, #AlfonsoCano, el también es populista y tiene ideas que prometen.” #fail

Iza no hapetratsika ho Ben'ny tanàna manaraka ao Bogota,#AlfonsoCano, izy koa dia mpiandàny amin'ny vahoaka ary manana hevitra maha-be fanantenana. #fail (nandamoaka)

Taorian'ny nahafatesany, Neider Negrette D (@NeiderNegrette) [es] dia nanambara ny andraikitra ara-politikan'ireo mpikambana ao amin'ilay vondrona miaramila tsy manara-dalàna :

#AlfonsoCano, camilo torres, vivos ejemplos de ideólogos que tomaron las armas, y sucumbieron ante ellas… El monte no es solución

#AlfonsoCano, camilo torres [sic], ohatra velon'ny ideolojika mitam-piadiana…Tsy vahaolana ny tendrombohitra.

Ilay mpanao gazety  Felix de Bedout (@fdbedout) [es] dia naneho ny heviny ihany koa mikasika ilay raharaha :

En una semana,un ex-guerrillero llega a la alcaldía de Bogotá y un jefe guerrillero muere en el monte.Mensaje a los que optan por el fusil.

Tao anatin'ny herinandro iray, lasa Ben'ny tanàn'i Bogota ny mpiady anaty akata iray fahiny ary mpitarika ady anaty akata iray hafa maty teny an-tendrombohitra. Hafatra ho an'ireo izay misafidy ny fitaovam-piadiana.

Ny sasany, etsy an-kilany, nararaotra ilay fotoana mba anehoana fampihomezana, toa an'i Twichiste (@twichiste)  izay namoaka hoe:

- Saddam Hussein ☑ – Osama Bin Laden ☑ – Gaddafi ☑ – Alfonso Cano #AlfonsoCano ☑ – Justin Bieber ☐

Maria Fernanda (@mariafernandamp) [es] nilaza hoe :

Gaddafi en el infierno: “Hombre #alfonsocano, no te esperaba tan pronto”.

Gaddafi any amin'ny helo : “Ingahy #alfonsocano, tsy nampoiziko ho avy haingana toy izao ianao”

Ilay bilaogy Consulta previa [fakan-kevitra teo aloha ] dia nanoritsoritra ny fandrosoana [es] amin'ny fampahatsiahivana ireo mpitarika ady anaty akata hafa izay maty tamin'ny toe-draharaha sahala amin'izany :

Murió Alfonso Cano, líder máximo de las FARC. Tropas del ejército colombiano, apoyadas desde el aire, lo cercaron, enfrentaron y mataron. Cuatro altos dirigentes de la longeva organización subversiva han muerto en los últimos años: Raúl Reyes, Manuel Marulanda, el Mono Jojoy (Jorge Briceño) y, ahora, Cano. De ellos, sólo “Tiro Fijo” Marulanda falleció por causas naturales.

Nodimandry i Alfonso Cano, ilay mpitarika fara-tampony ny FARC. Ireo andia-miaramila Kolombiana, tohanan'ireo hery an'habakabaka, dia nihodidina azy, niatrika azy ary namono azy. Mpitarika efatra voasokajy ho lehibe tao amin'io fikambanana ela nihetezana io no nodimandry tao anatin'ny taona vitsy. Raul Reyes, Manuel Marulanda, el Mono Jojoy (Jorge Briceño) ary, ankehitriny, Cano. Raha amin'izy rehetra, dia i “Tiro Fijo” Marulanda irery ihany no maty tamin'ny antony voajanahary.

Araka ny hevitr'izy ireo,

El gobierno colombiano está a punto de ganar el extenso enfrentamiento, que supera el medio siglo, contra una guerrilla, que insurgió romántica y que degeneró después.

Ny governemanta Kolombiana dia eo an-dalam-pandresena amin'ilay ady efa nitarazoka ela, izany no nisy efa ho dimam-polo taona izao, manohitra ilay ady anaty akata izay niatomboka tamin'ny fomba nahafinaritra kanefa niharatsy hatrany hatrany taty aoriana.

W Radio, iray amin'ireo haino aman-jery nasionaly, dia nandefa ny hevitr'ireo olona nalaina an-keriny taloha [es]  taorian'ny nivoahan'ilay vaovao. Nilaza izy ireo fa mipatitaka izao ny ady anaty akata :

Exsecuestrados y familiares de cautivos de las FARC consideraron hoy que con la muerte del máximo jefe del grupo armado, Guillermo León Sáenz, alias “Alfonso Cano“, se acerca el fin de esta guerrilla, que con más de 40 años de historia es la más antigua de América.

Ireo nalaina an-keriny teo aloha sy ny fianakavian'ireo FARC voafonja dia milaza ankehitriny fa amin'izao fahafatesan'ny filoha nitarika ny vondrona mitam-piadiana izao, Guillermo Leon Saenz [es], fantatra amin'ny hoe “Alfonso Cano”, dia efa akaiky ny fiafaran'ny ady anaty akata. Miaraka amin'ny tantarany efa mihoatra ny 40 taona, io no antitra indrindra ao Amerika.

Ilay bilaogin'i  Fred L. Alvarez dia namerina namoaka naoty avt amin'ny EFE news agency [es] izay nanamafy io fomba fijery io :

Con la muerte del máximo jefe de las FARC en los últimos tres años, Guillermo León Sáenz, alias “Alfonso Cano”, esta guerrilla colombiana afronta un camino incierto que la puede exponer a una oleada de deserciones y a una caída de la moral de la tropa.

Amin'izao fahafatesan'ny betsaka amin'ny mpitarika FARC izao tao anatin'ny telo taona, Guillermo Leon Saenz, nantsoina hoe “Alfonso Cano”, ny ady anaty akata Kolombiana dia miatrika ho avy tsy marin-toerana mitondra azy amin'ny fisamantsamahana sy fahambanian'ny moralin'ireo mpikambana ao aminy.

Nahatsapa izany koa i Luise Castro (@LuiiseCastro) [es] ary nizara tao amin'ny Twitter  :

Será mejor que se desmovilizen los guerrilleros, porque le están dando plomo duro y no creo que les guste morir. #NoMásFarc #AlfonsoCano

Tsara kokoa ho an'ireo mpiady anaty akata ny manajanona ny adiny, satria ho voa mafy izy ireo ary mihevitra aho fa tsy te ho faty izy ireo. #NoMásFarc [tsy mila FARC intsony] #AlfonsoCano

Na dia izany aza, i  Michael Menses (@Mikeoax) [es] dia tsy mitovy hevitra tamin'izay, ary avy any Oaxaca, Meksika, dia manoratra izy fa ny FARC dia mbola hijanona eo ihany :

Las #FARC continuarán la lucha armada en Colombia a pesar de la muerte de su máximo líder #AlfonsoCano. #Colombia #guerrilla

Ny #FARC dia mbola hanohy ny ady mitam-piadiany ao Kolombia na dia eo aza ny fahafatesan'ireo mpitarika ngeza lahy ao aminy #AlfonsoCano. #Colombia #guerrilla

Jeison Bolívar (@JesionBolivar) [es] no lilaza ny hetaheta fandriampahalemana avy amin'ny ankamaroan'ny Kolombiana:

paz en la tumba de #alfonsocano la misma paz que colombia tanto le suplicó

Mandry am-piadanana i #alfonsocano filaminana toy izany no nandrandrain'ny Kolombia fatratra taminy.

Ilay bilaogy  Croniquillas dia nametra-panontaniana [es] ny amin'ireo vondrona mpitam-piadiana tsy manara-dalàna izay mahazo famotsoran-keloka satria nametraka ny fitaovam-piadiany ary mifampiraharaha amin'ny fitsarana :

Mientras el país padece la guerra declarada por la subversión, los altos jurisconsultos deambulan por el mundo en defensa de las altruistas posiciones de la guerrilla, dándoles de hecho una beligerancia que no merecen y sin importar un pito la sangre inocente de miles de colombianos, masacrados por estos inmaculados defensores de la verdad.

Amin'ny fotoana izay ihatrehan'ny firenena ady fanakorotanam-panjakana, ireo manampahaizana ao amin'ny fitsarana avo eran'izao tontolo izao dia manontany tena amin'ny fiarovama ny toerana tsy misy fitiavan-tenan'ny mpanao ady anaty akata, manome azy ireo fandraisana anjara mivantana izay tsy mendrika azy ireo akory ary tsy mihevitra akory ny ràn'ireo Kolombiana an'arivony latsaka , lavo ho an'reio mpiro ny marina tsy misy pentina.

Ho amin'izany fanajàna izany, dia tsara ny milaza etoana ny hevitr'i Manuel Miranda izay nanambara tao amin'ny bilaoginy [es]  ny taona 2010 fa,

a la clase política de Colombia no le conviene en modo alguno, la desaparición definitiva de las narcoguerrillas…

Tsy ho amin'ny tombotsoan'ny kilasy ara-politika ao Kolombia mihitsy ny fanafoanana tsy hisy intsony ny narcoguerrilla (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: ady anaty akata ifanaovana amin'ny mpanondrana zava-mahadomelina)

Anonymous Colombia [es] dia nilaza ny zavatra iainan'ireo any amin'ny Anjerimanontolom-panjakana ao Kolombia amin'izao fotoana, ka mahatonga ny fandrakofana ireo hetsika ara-miaramila tato ho ato ho toy ny tetika iray hanakanana ny olona tsy hiresaka momba ny Fanavaozana ny Fampianarana:

No crean que con la muerte de Alfonso Cano, van a ocultar todo el problema de la educación la lucha sigue!

Aza mieritreritra fa amin'izao fahafatesan'i Alfonso Cano izao dia ho foana ny olana eo amin'ny lafiny fampianarana, mbola mitohy ny ady!

Afaka manaraka fanehoan-kevitra misimisy kokoa ianao ao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra #AlfonsoCano..

En una semana,un ex-guerrillero llega a la alcaldía de Bogotá y un jefe guerrillero muere en el monte.Mensaje a los que optan por el fusil.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.