- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia : Ny Andro Naha-Filoha An'i Ben Ali

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Revolisiona ao Tonizia  2011 [1].

Ny 7 Novambra 1987, ilay filoha teo aloha Zine Al Abidine Ben Ali, izay manao sesitany ny tenany any Arabia Saodita, no tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tsy nisy rà nandriaka. Ben Ali dia lasa filoha, taorian'ny taratasy ara-pahasalamana nosoratan'ny dokoteran'ilay mpitondra teo aloha Habib Bourguiba [2] nilazàna fa tsy afaka ny hamita ny andraikiny amin'ny maha filoha azy intsony ity farany.

Hatramin'ilay famindram-pahefana tam-pilaminana, Ben Ali dia nitondra tena tahaka ny filohan'ny Toniziana mandrapaha voatery azy hiala teo amin'ny toerany ny 14 Janoary, taorian'ny hetsi-panoherana nataon'ny vahoaka izay namely io firenena ao Afrika Avaratra io.

An example of how the streets of Tunis were decorated on November 7, 2009. The banner reads: Ben Ali Our Only Choice. Photo by Hamideddine Bouali [3]

Ohatra iray amin'ny fomba nanaingoana ny làlan'i Tunis ny 7 Novambra 2009. Hoy ny fivakin'ilay sora-baventy : Ben Ali Safidintsika Tokana. Sary avy amin'i Hamideddine Bouali.

Raha mbola teo amin'ny fitondrana izao i Ben Ali, dia nankalaza ny faha 24 nitondrany. Ny sariny, ary ny loko volomparasin'ny antokony [ilay “Constitutional Democratic Rally”, fantatra amin'ny fanafohezan-teny amin'ny teny Frantsay hoe RCD – Rassemblement Constitutionnel pour la Démocratie], no mety ho efa nanaingo ireo làlana tao Tonizia, avy any Avaratra ka hatrany Atsimo.
Naneho hevitra tamin-karavoana momba izany tsingerenan-taona izany ny mponina.

Houssem H. Nandefa bitsika [4][fr] :

Demain ta ville ne sera pas repeinte en mauve #7nov

Tsy hiloko volomparasy mihitsy ny tanànanao rahampitso.

Tamin'izany vaninandro izany, ilay bilaogera Toniziana Imen Braham dia namorona bilaogy Tumblr ka nomeny anarana hoe 7 Novambra tsy misy an'i  Ben Ali [5].  Ilay bilaogy dia natao indrindra mba hifampizaràna sy hihomehezana izay lahatenin'ilay filoha taloha, ary ireo hira fiderana azy.

Hoy izy nandefa bitsika [6] [fr] :

Je viens de céer le Tumblr du #7nov sans Ben Ali pour nous rappeler ce qu'on va rater cette année 😀

Vao namorona ilay tumblr momba ny #7nov tsy misy an'i Ben Ali aho izao, amin'izay tadidintsika izay verintsika tamin'ity taona ity 😀

Nampiany tany amin'ny bitsika hafa hoe : [7]

Raha mahita zavatra anampiana ianareo mahakasika io #7nov teo aloha teto Tonizia io dia azonareo zaraina aminay izany 🙂 http://7nov.tumblr.com/ Tsy malahelo izay mpanao jadona i Tonizia.

Ohatra, Imen nizara lahateny nataon'i Ben Ali tao amin'ny fahitalavitra [8] [ar], izay ahitana azy miresaka manokana amin'ny tanora noho ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora. Hoy izy nitsikera :

كلمة بن علي بمناسبة السنة الدولية للشباب! قال نريد الشباب أن يجلب إلى تونس الشرف ! الشباب طردك وجابلنا الشرف

Ilay lahatenin'i Ben Ali ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tanora. Hoy izy : “Mila ny tanora hitondra avo ny voninahitr'i Tonizia isika.” Nandàka anao izao ny tanora ka nitondra voninahitra ho anay.

Bilaogy iray hafa ao amin'ny Tumbl antsoina hoe Le musée mauve [9] (Ilay Mozea Volomparasy) [fr] no noforonina, mba ho amin'ny tanjona toy izany ihany.

Oussama Messaoud, nanoratra lahateny noforonina [10] [ar], momba ny zavatra tokony ho nolazain'i Ben Ali, raha mbola teo amin'ny fitondrana izy. Mikasika ilay lahatsoratra, Oussama manoratra hoe :

إنه من محض تصوري لما كان سيقوله في مثل هذا اليوم لمزيد إحكام قبضته وقبضة منظومته الفاسدة تحت شعارات الديمقراطية والحريات
Ilay lahateny dia eritreritro mikasika ny mety ho lahatenin'i Ben Ali, mba hamonkonana hatrany ny totohondriny, ary ny rafi-pitantanany feno kolikoly, ao ambadiky ny fotokevitry ny demokrasia, sy fahalalahana.

Ao anatin'ity lahateny noforoniny ity, hoy i Ben Ali :

حتفل بلادنا اليوم بالذكرى 24 لتحول السابع من نوفمبر في جو من الفرحة والشعور بالفخر والاعتزاز بما تعيشه بلادنا من مظاهر الحرية والديمقراطية بعد الأحداث التي شهدتها بعض مناطق تونسنا العزيزة في الأشهر الاولى من هذه السنة والتي تعمدت من خلالها بعض الفئات الاجرامية إدخال البلبلة وعدم الإستقرار.

Ny firenentsika ankehitriny, dia mankalaza ny faha 24 taonan'ny fiovany tamin'ny 7 Novambra, ao anatin'ny fifaliana, hambom-pony amin'ny fahalalahana sy ny demokrasia, izay iainan'ny firenentsika, taorian'ireo tranga izay natrehin'ireo faritra sasany eto amin'ity Tonizia malalantsika ity volana vitsivitsy tany am-piandohan'ity taona ity, ary tao anatin'izany no nieritreretan'ireo vondrona mpandika lalàna hanakorontanana sy hanelezana korontana sy tsy fandriam-pahalemana.

Hoy izy manampy :

كما نعلن تمسكنا بتعهداتنا بعدم الترشح لمدة رئاسية جديدة في سنة 2014 وبتنظيم إستفتاء شعبي لإصلاح دستور البلاد (…)
كما اولينا العناية الفائقة للمناطق الداخلية للوطن من خلال إنشاء جامعة سيدي بوزيد للصناعات التقليدية وجامعة تالة للعلوم الشبابية
Manambara etoana koa izahay amin'ny toky izay nomenay fa tsy hilatsaka ho fidiana intsony izahay ny taona 2014, ary hikarakara fifidianana mba hanavaozana ny lalàm-panorenana eto amin'ny firenentsika [ao amin'ity kabarriy farany ity sy ho ezaka fisorohana ny hatezeram-bahoaka eo an-dalàmbe, Ben Ali dia nampanantena fa tsy hilatsaka ho fidiana amin'ny fifidianana filoha intsony, ary hampiditra rafitra ara-demokratika](…) Nikarakara ny faritra anatiny koa izahay, tamin'ny alalan'ny fametrahana ny Oniversiten'i Sidi Bouzid ho an'ny indostria ara-tànana, ary ny Oniversiten'i  Thala ho an'ny siansa ho an'ny tanora [ilay hetsika tao Tonizia dia nanomboka tao amin'ny faritra anatiny, toa an'i Sidi Bouzid, sy Thala. Ny faritra toy ireny dia voahilikilika, ary tavela aoriana].

Ity 7 Novambra ity dia nifanindry tamin'ny andro faharoa amin'ny fankalazàna ny Eid Al Adha [11] . Tao amin'ny Twitter, Protact no nanao ny fampifandraisana :

@protact : [12] Mankalaza ny andro faharoa amin'ny fankalazana ny #Aid sy ny #7Nov voalohany tsy misy ny kabarin'ilay filoha voaongana ry zareo Toniziana

Ary i Mira manampy hoe  [fr] :

@Mira404: [13] Cette année en égorgeant leurs moutons bcp de tunisiens vont penser à Ben Ali.

Amin'ity taona ity rehefa manao sorona ny ondriny ny olona, Toniziana maro no hahatsiarao an'i  Ben Ali.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny [1]Revolisiona ao Tonizia [1] 2011 [1].