13 Novambra 2011

Tantara tamin'ny 13 Novambra 2011

Afrika : Afrikana Mitantara An'i Afrika

  13 Novambra 2011

Afrika : Inona ny tantaranao ? dia ilay tetikasa farany tontosain'nyA24 Media. Natao izany hanasongadinana ny olana iraisan'ny Afrikana sy hampiroboroboana ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Tamin'ny alalan'ny dinika an-tserasera no ahafahan'ny Afrikana mifanakalo hevitra sy mamaha olana ao amin'ny Afrika: Inona ny tantaranao? Ankoatra izany, manome sehatra iray ho an'ny Afrikana hitantarany ny fiainany ho an'izao tontolo izao ilay tetikasa

Taiwan: Maneho Hevitra Momba Ilay Diplaomaty Voaheloka Ho Nanararaotra Mpiasa An-trano Ireo Mpiondana Aterineto

  13 Novambra 2011

Noho ireo mpanao lalàna mitavozavoza sy motraka, ary ny "sasany"- sa tokony hoe "ny maro" no ho teneniko - amin'ireo mpampiasa tsy vanon-toetra, malaza ratsy amin'ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasa vahiny mpila ravinahitra i Taiwan. Na izany aza, tamin'ity indray mitoraka ity ny tantara ratsy mahasadaikatra dia tsy tao Taiwan no nitranga, fa tao amin'ny toeram-ponenan'ny diplaomaty Taiwanais any Etazonia.

Koety : Fisamborana Mpisera Twitter Hafa Indray

GV Mpisolovava  13 Novambra 2011

Hamad Al Olayan miaraka amin'ny rainy sy ireo zanany taorian'ny fahafahany Nandia fotoan-tsarotra ny fahafahana maneho hevitra amin'ny alalan'ny serasera tamin'ity taona 2011 ity tao Koety. Mbola tsy niharan'ny fanorisorenana matetika tahaka izao ny mpiserasera raha tsy tao anatin'izay volana maromaro izay.  Nanomboka ny volana aprily lasa teo, mpiserasera telo...

Syria: Naaton'ny Ligy Arabo Ny Maha-mpikambana An'i Syria

Nosazian'ny Ligy Arabo i Siria androany noho ny famonoany ny olom-pirenena efa ho maherin'ny 3.000 ka naato ny maha-mpikambana azy ao amin'ity vondrona iraisan'ny Arabo ity, manomboka amin'ny Alarobia. Ireo mpiondana aterineto dia maneho hevitra momba ilay fanapahan-kevitry ny Ligy, nambara taorian'ny fihaonana maika natao tao amin'ny foibeny tao Kairo. Nambara koa fa ny Ligy Arabo dia eritreretina hamoaka sazy ho an'ilay lehilahy matanjak'i Siria, Bashar Al Assad.

Kolombia : Maty Ilay Mpitarika Ara-Poto-kevitra Ngeza Lahy Tao Amin'ny FARC, “Alfonso Cano”

  13 Novambra 2011

Alfonso Cano, ilay mpitarika ngeza lahy amin'ny "Revolutionary Armed Forces of Colombia" (FARC) na ny Hery Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia, dia lavo ny 4 Novambra tao amin'ny departemantan'i Cauca nandritra ny ady nifanaovana tamin'ny miaramila. Ny Kolombiana dia naneho hevitra mikasika ny nahafatesany tao amin'ny bilaogy, ary naneho koa ny fijeriny tao amin'ny Twitter tamin'ny fampiasany ny tenifototra #AlfonsoCano.

Tonizia : Ny Andro Naha-Filoha An'i Ben Ali

Ny 7 Novambra dia mampahatsiahy ny andro nanonganana an'ilay filoha teo aloha Zine El Abidine Ben Ali izay tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tsy nisy rà nandriaka ny taona 1987. Tamin'ity taona ity ny Toniziana dia nifampizara ny fomba fijeriny sy ny fihetsem-pony momba ny 7 Novambra tsy misy an'i Ben Ali.