- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Feminista Namoaka Ny Sariny Mitanjaka “Hilazany Ny Fahalalahany”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

Efa nilatsaka tanteraka ny alina, raha nandefa izao siokantsera manaraka izao i Ahmed Awadalla [1], izay miasa eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona, fahasalamana, fananahana, ary ny vehivavy & miralenta:

@3awadalla [2]: A feminist #Jan25 revolutionary posted her nude photo on the internet to express her freedom. I'm totally taken back by her bravery!

Mpandala ny mahavehivavy revolisioneran'ny 25 janoary namoaka ny sariny miboridana hanehoany ny fahalalahany. Miaiky tanteraka ny fahasahiany aho

Tamin'io fotoana io, mbola nisalasala izy raha mety na tsia ny ilazana ny anarany, saingy te-hahalala ny fihetsiky ny olona eo am-pandrenesana ny vaovao kosa izy. Nanontany izy:

@3awadalla [3]: Ok, everybody wants to know who the girl is, but what do you really think of what she did? #NudePhotoRevolutionary [4]

Ekena fa te-hahalala daholo ny rehetra hoy iza ilay tovovavy, saingy ahoana ny hevitrareo tamin'izay nataony?

Araka ny nampoiziny, niraradraraka ny hevitra samihafa:

@abraralshammari [5]: @3awadalla I think she really is brave. Nudity is natural and she's sending a message: abandon past notions of nudity being shameful.

Mieritreritra aho fa tena sahy izy. Natoraly ny fitanjahana ary mandefa hafatra izy: fandaozana ny fiheverana ny fitanjahana ho mahamenatra

@ReemElmeleegy [6]: @3awadalla Bravery that will be misunderstood n taken for other intentions n maybe her cause will be tarnished too.

Mbola tsy azo loatra ny fahasahiany ary mety heverina ho fikasana hanao zavatra hafa ka mety hahavasoka ny hevitra arovany

@ReemAwad [7]: @3awadalla مش شايفاها شجاعة.. دي اسمها قلة حياء 🙂

@ReemAwad [7]: @3awadalla Tsy hitako izay fahasahiana amin'izany fa tsy fisiana fanetre-tena.

@Elna7as_Pasha [8]: @ReemAwad @3awadalla قلة ادب ، جهل في معنى الحريه ، ولو نزلت الشارع كده يبقى تعدت على حريتي بمنظرها كده

@Elna7as_Pasha [8]: @ReemAwad @3awadalla Tsy fisiana fanetre-tena sy tsy fahazoana tsara ny atao hoe fahalalahana. Raha midina n-dalambe manao izany izy dia raisiko ho fanohintohinana ny fahalalahako.

@SandraYacoub [9]: @3awadalla I wouldn't do it & I can't help but think there r other ways 2 express freedom. Having said that, its her body..who r we 2 judge?

Tsy hanao izany aloha aho ary tsy tanako intsony fa misy fomba roa hanehoana ny fahalalahana. Miteny azy, ny vatany…iza moa isika no hitsara?

Nofehezin'i [10]Awadalla avy eo ny domberina avy amin'ny olona [10] izay misy ny mahita ny famoahana ny sary ho fivoarana sy fahasahiana, raha tsy manaiky izany sady fanoherana ny fivavahana kosa izany ho an'ny hafa. Ny vondrona fahatelo kosa manahy fa mety hisy fiantraikany amin'ny sary amantarana ny revolisionera izany [Ar] [11]. Nanampy izy avy eo [12]:

“I know many are against what #NudePhotoRevolutionary did, but also so many dying to see the photo! :D”

Fantatro fa maro no manohitra izay nataon'ilay revolisionera niboridana an-tsary, saingy maro ihany koa no te-hahita mafy ny sary!

Taty aoriana, nilaza ny anarany ilay “revolisionera niboridana an-tsary”.

@aliaaelmahdy [13]: My name is Aliaa Elmahdy. I post under my real name #NudePhotoRevolutionary

Aliaa Elmahdy no anarako. Amin'ny tena anarako no amoahako votoaty.

Araka ny  nilazalazany momba ny tenany tao amin'ny Twitter [14], nilazalaza ny tenany ho “Ejipsiana Lahika, Liberaly, Mpandala ny mahavehivavy, tsy mihinan-kena ary manavatena amin'ny maro” i Aliaa. Nosoratany ihany koa tao amin'ny takelaka Facebook-ny [15] fa “nampiako ny kiaka manohitra ny fiaraha-monina anjakan'ny herisetra, mirona loatra amin'ny fananahana, fanorisorenana ara-pananahana ary ny fihatsaram-belatsihy” izy. Nipongatra [16] ihany koa fa iray amin'ireo nanomboka ny Hetsika “Tokony hanao voaly ny Lehilahy [17]” izy ho fanoherana ny voaly amin'ny lohan'ny vehivavy.

Nivoaka ao amin'ny bolongana azy ao ny sariny miboridana [18] izay ahitana sarin'olona hafa miboridana ihany koa, ary ankoatra izay! Azo idirana ny bolongana rehefa manaiky hijery votoaty ho an'olon-dehibe ianao.