Tantara tamin'ny 11 Novambra 2011
Ejipta: Vonona Avokoa Ny Zava-dRehetra Amin'ny Fifidianana Parlemantera 2011
Hanomboka ny 29 Novambra ny fifidianana parlemantera. Fantaro ny fombafombam-pifidianana sy ny lohahevitra nifampitafàn'ny mpiserasera amin'ity fifidianana voalohany taorian'ny nanonganana ny filoha teo aloha Hosni Mubarak izay.
Espaina : Tafatafa Tamin'i Ignasi Labastida Momba ny Fizakà-mànana Ara-tsaina
Juan Arellano dia nitafatafa tamin'i Ignasi Labastida, mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Creative Commons ao Espaina, momba ny fizakà-mànana ara-tsaina sy ny zon'ny mpamorona ao anatin'izao vanim-potoan'ny teknolojia vaovaon'ny Fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana izao.