Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Bangladesh: Ny fodiana amin'ny fotoana fankalazana ny Eid

Ny Eid dia fetim-pinoana lehibe indrindra ankalazain'ny ankamaroan'ny Silamo ao amin'ny firenena  Bangladesh, ary ny tena fototra amin'io fankalazana io dia ny fiverenana any amin'ny taninao ka miaraka mankalaza izany miaraka amin'ny fianakaviana izay mipetraka an-tany lavitra.

Mandritra io fankalazana ny Eid io, dia maro ireo mponina ao amin'ny renivohitra Dhaka no mody any ambanivohiny mba hiala sasatra miaraka amin'ny fianakaviany.

Manazava izany i  Nasirudding Hozza [bn] ao anatin'ny lahatsorany iray nampitondrainy ny lohateny hoe “Fiverenana any ambanivohinyamin'ny fotoana fankalazana ny Eid”:

Ny ankamaroan'ny mponina ao Dhaka, izay tonga nanorim-ponenana teto, dia avy amin'ny faritra samihafa avokoa. Fa malahelo ny ambanivohiny  izy ireo, satria ao avokoa no misy ny fototra niaviany.  Mety eo amin'ny manodidididina an'i Dhaka eo ihany na any ambanivohitra any an-tany lavitra be no misy ny ambanivohiny.

People gather at various train stations in Dhaka to leave the city to celebrate Eid with their friends and families. Image by Saad Shahriar, copyright Demotix (15/11/2010).

Vahoaka mitangorona eny amin'ny toerana samihafa fiandrasana lamasinina ao Dhaka izay mandao ny tanànany hankalaza ny Eid miaraka amin'ny namany sy ny fianakaviany. Rakitsarin'i Saad Shahriar, nahazoa-dalana Demotix (15/11/2010).

Tsy misy tarehimarika izay maneho ny isan'ny olona mamonjy ny ambanivohiny mba hankalaza ny Eid.  Nilaza i Nasiruddin Hozza fa ny mponin'i Dhaka dia manodidina ny 9,6 tapitrisa amin'izao fotoana izao. Raha ny 40% amin'izy ireo no mody any amin'ny taniny dia mety tafakatra 3,5 tapitrisa ny isan'izy ireo.

Midika izany fa efa ho foana tsy ahitana olona mihitsy ao Dhaka. Maro ireo olona no efa eny an-dalana mody any aminy fotoana ela alohan'ny fialan-tsasatra amin'ny Eid. Faly noho izany ny mponina ao Dhaka, satria mihavitsy ny olona no mifanaretsaka eny an-dalana.

Ny tanànan'ilay mpisera Facebook Amanullah bin Mahmud's dia i Sirajganj, lavitra be miala an'i Dhaka. Andro iray mialoha ny Eid, nanofa fiara lehibe iray izy  mba handehanany hamonjena izany. Fa ho an'ireo izay handeha fitateram-bahoaka, dia mety tsy hahafinaritra mihitsy io fivoahana kely io ; manahirana mihitsy ny mividy tapakila   amin'ny alalan'ny aterineto, sady mila mandoa vola bebe kokoa izy ireo amin'izay.

Hoy i Uzzal [bn] ao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Ny nofinofiko dia ny hody any amin'ny tanànako: amin'ny lalana kisilasila”:

Queue for advance tickets at Kamalapur railway station. Image by Safin Ahmed, copyright Demotix (12/08/2011).

Filaharana noho ny fizarana tapakila mialoha tao amin'ny garan'i Kamalapur. Rakitsarin'i Safin Ahmed, nahazoan-dàlana Demotix (12/08/2011).

Lany tanteraka ny tapakila ahafahana mandeha lamasinina sy fiaramanidina ao an-toerana. Ireo izay manam-panantenana ka milahatra mandritra ny alina tontolo eo amin'ny fizarana tapakila dia tsy fantatra raha ahenoana teny farany. Alaivo sary an-tsaina ny hafalian'izy ireo raha nahazo tapakila ihany amin'ny farany taorian'ny alina tsy natoriana sy niaretana kaikitra moka tsy voatanisa . Ireo izay niaina izany ihany no hahatsapa izany. Tsy ny olon-drehetra anefa no tsara vintana. Vetivety dia lafo ny tapakila raha vao tonga ny fotoana fizarana azy ireo. Maro ireo mpanonofy no miverina tanam-polo.

Nizara ny zavatra niainany ihany koa izy:

Tsy maintsy niady mafy koa aho. Fa ny ady tamin'ity taona ity no tena henjana indrindra teo amin'ny fiainako. Tsy nankeny amin'ireny fizarana tapakila ahafahana mitaingina fitateram-bahoaka ireny mihitsy aho  tamin'ny taona rehetra teo aloha. Mandeha fiaramanidina eo an-toerana foana aho izay mankany Jessore , dia avy eo mandeha fiarakaretsaka aho mankany Khulna. Vita ao anatin'ny 35 minitra i Dhaka-Jessore ary maherin'ny 50 minitra i Khulna, izay no fandehany. Fa tamin'ity aho dia tena nahita olana mihitsy. Efa voatokana avokoa ny fiaramanidina teo an-toerana. Tsy nahazo tapakila intsony aho, nefa tsy maintsy mody.

Tsy maintsy mandoa vola be i Uzzal ahazoany tapakila andehanany mody. Maro ireo olona no manampy ireo olona izay tsy nahazo tapakila amin'ny alalan'ny Facebook. Ohatra amin'izany, nilaza tao amin'ny kaonty Facebook-ny [bn] ilay mpanoratra fanta-daza Anisul Haque fa manana tapakila miisa dimy andehanana lamasinina mankany  Dhaka- Rangpur izy ary eo amin'ny toerana ahazoana rivotra tsara.

Ny fanananao tapakila dia tsy midika velively hoe afaka mody ianao. Nilaza ilay mpitoraka blaogy antsoina hoe Mamu [bn] tao anatin'ny lahatsorany iray mitondra ny lohateny hoe: “Na inona na inona hitranga dia tsy maintsy mody aho”:

Ilay sambo tokana mankany Sadarghat-Swandeep dia tsy miasa. Vitsy dia vitsy ny sambo eny amin'ny toerana fiantsonana. Ratsy dia ratsy ny làlana mankany Bangladesh (Fanamarihan'ny mpanoratra: noho ny fisian'ny oram-be amin'ity fotoam-pahavaratra ity). Mbola hanampy ny fahoriana koa ny fitarazohan'ny fifamoivoizana. Tsy manana fitaovana maro hafa  koa ny sampana miandraikitra ny lamasinina mba hamoronana efitra maro hafa. Hisedra olana ny olona rehefa hody. Ho an'ireo izay efa nanainga mialoha kelin'ny fankalazana ny Eid, dia Andriamanitra ihany no mahalala raha ho tafody soa aman-tsara any an-tranony izy ireo amin'ny andron'ny Eid na tsia.

People risk over crowded passenger ships to reach home during Eid. Image by Maji, copyright Demotix (26/11/2009).

Manao ny ainy tsy ho zavatra ny vahoaka eny ambony sambo efa sesika olona ahatongavany any @trano mba hankalaza ny Eid. Rakitsarin'i Maji, nahazoan-dàlana Demotix (26/11/2009).

Isan-taona dia maro ireo loza mitranga eny an-dàlambe sy eny ambony ranomasina, maro noho izany ireo mamoy ny ainy. Tamin'ny taona 2009, olona aman-jatony no maty raha nandeha sambo izy ireo ka rendrika teny ambony ranomasina. Mieritreritra i D. M. Habib [bn] fa tsy dia mandray andraikitra loatra ny governemanta:

Rendrika ilay sambo nitatitra olona marobe hody any an-ambanivohitr'izy ireo (tamin'ny taona 2009) satria diso misesika loatra ilay sambo. Olona aman-jatony no namoy ny ainy. Isan-taona mandritra ny fotoana fankalazana ny Eid, dia mitatitra vahoaka mihoatra ny isa tokony ho izy ny fiarabe fitateram-bahoaka, ny lamasinina ary ny sambo. Tsy mandray fepetra akory ny governemanta mba ialàna amin'izany. Ny olon-drehetra dia tsy misoroka ny trangan-javatra mitarika azy ireo any amin'ny fahafatesana. Tsy afaka miala andraikitra anefa ny governemanta. Tokony manao fikarohana izy ireo ahitana ireo olona tompon'andraikitra amin'io tsy fitandremana io.

Nefa isan-taona dia miverina foana io trangan-javatra io. Koa satria maro an'isa ny mpandeha raha oharina amin'ny mpitatitra, dia tsy manan-tsafidy ireo vahoaka ireo afa-tsy ny hoe manao ny ainy tsy ho zavatra mba hodiany mandritry ny fankalazana ny Eid.

Hoy i Nasirudding Hozza [bn] mamintina  izany:

Ny fankalazana ny Eid miaraka amin'ny fianakaviana dia ahatsapana hasambarana feno noho ny ady mafy atao mba ahatongavana any ambanivohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.