Korea Atsimo : Tsy Nampihemotra Ireo Mpifidy Ny Fampitandremana Natao Tamin'ireo Mpanentana Ao Amin'ny Twitter
Dikandahatsoratra
Ny renivohitr'i Korea Atsimo, Seola, ny 26 oktobra 2011 dia nifidy ny ben'ny tanànany vaovao. Ny fiadiana ny toerana maha ben'ny tanàna dia tena ady goavana be teo amin'ilay vehivavy mpilatsaka ho fidiana avy amin'ny antokon'ny fitondrana sy ilay tsy mbola fantatra loatra izay avy amin'ny antoko demokratika izay tena tohanan'ireo mafàna fo sy ireo mpampiasa Twitter.
Na dia eo aza ny fampitandremana avy amin'ny manam-pahefana amin'ny fanehoana fiangàrana amin'ny kandidà iray, ireo mpampiasa Twitter anefa dia haingana dia haingana amin'ny fandrisihana ny mpifidy, indrindra ireo tanora, mba handray anjara amin'ny fandatsaham-bato. Vokatr'izany, io fifidianana io dia nahitàna ny taham-pifidianana ambony dia ambony[ko] tsy mbola nisy toy izany, nahatratra 46 isan-jato ary i Park Won-soon, ilay kandidà demokratika izay matetika hàlan'ireo mpanankarena avy ao Korea atsimo, no nandresy.
Ny fandraisan'anjaran'ny Twitter tamin'ilay fifidianana
Ny fiadiana ny toerana maha ben'ny tanàna tao Seola dia fotoana iray nanan-tantara teo amin'ny sehatra ara-politika tao Korea Atsimo ary ireo kandidà dia matetika novinavinaina fa mety hilatsaka ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy mahagaga izany raha toa ka nahery vaika ilay fampielezan-kevitra, nahitàna fanambaràna manala baraka sy ny fiahiahiana ny maha izy azy ireo kandidà.
Ankoatra ireo zavatra niantraika tamin'ilay fampielezan-kevitra, Twitter dia nandray anjara toerana lehibe indray teo amin'ny valim-pifidianana. Ny manam-pahefana Koreana Tatsimo dia nahita mihitsy ny herin'ny Twitter tamin'ny fiantombohan'ity taona ity (jereo ny ‘lahatsoratry ny Global Voices’ Korea Atsimo : Fifidianana mahazendana, satria nitarika ny olona handatsa-bato ny Twitter’.)
Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, ny Kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana ao Korea Atsimo dia nampitandrina ireo mpanentana ao amin'ny Twitter, isan'izany ireo mpanao sarimihetsika, mpanao hatsikana, mpanoratra, mpanao gazety ary ireo bilaogera izay nandrisika be ny olona hifidy, izay manohitra ny fanehoana fiangarana ara-politika. Ilay sampan-draharaha koa dia nampahatsiahy ny mponina mikasika ny toromarika hentitra ao amin'ny firenena momba ny fakàna sary; afaka maka sary ny toeram-pifidianana ny olona iray, fa kosa voarara ny maka sary ilay taratasim-pifidianana, na ny ao anaty tranokely fandatsaham-bato.
Niteraka resabe avy hatrany ilay fanapahan-kevitry ny Kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana hanjakazaka amin'ireo mpampiasa Twitter. Ilay Kaomisiona dia nanazava [ko] fa hatramin'izay nanohanan'ireo mpampiasa matanjaka am-bava sy am-pahibemaso an'i Park, tamin'ny fandrisihana ny olona hifidy ny olona sahaza io toerana io dia sahala amin'ny manosika ny olona hifidy an'i Park raha ny marina. Ny fampielezan-kevitra anaty aterineto dia naneho [ko] fa arakaraky ny fiakaran'ny tahan'ny mpifidy, no anakaikezan'i Park ny fandresena.
Famoretana atao amin'ny mpanentana eo amin'ny filazam-baovao ara-tsosialy.
Toy ny hoe tsy manisy hasiny ilay fanapahan-kevitry ny kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana, maro amin'ireo olona malaza eo amin'ny sehatra politika no nanohy nandrisika hatrany ny olona handeha handatsa-bato tamin'ny fomba maro samy hafa. Kim Yeo-jin, mpilalao sarimihetsika mafana fo (@yohjini), dia nandefa bitsika an-tsary iray mampiseho azy manao fihetsika amin'ny tànany maneho ny fampanantenany hifidy.
Lee Oi-soo (@oisoo), mpanoratra tantara malaza ary tafiditra ao amin'ireo mpandefa bitsika dimy voalohany be mpanaraka indrindra ao an-toerana, dia nandefa bitsika hoe [ko] :
Nanamarika aho fa maro ny bitsika milaza fa hanoratra anarana hifidy. Nanomboka teo dia tsy maintsy nipetraka tao anatin'ilay kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana aho, mety hangina ny vavako ary handefa fotsiny izay mitranga [ao amin'ny tontolon'ny Twitter, raha toa ka tokony hilaza ny heviny manokana], kanefa izao no zavatra azo antoka : tsy ho viravirain'izy ireo aho.
Kim Jae-dong (@keumkangkyung), mpanao hatsikana malaza ary mpampihomehy, dia nandefa bitsika hoe [ko]:
Raha toa ka mihoatra ny 50 isan-jato ny taham-pifidianana, dia ho esoriko eny amin'ny tendrombohitry Samgak ny ambonin'akanjoko [ho mariky ny fankalazàna].
Mpanao gazety iray ao aminà gazety mpandàla fiovàna (progresista) sy iray hafa avy amin'ireo mpandefa bitsika dimy voalohany be mpanaraka ao an-toerana, Huh Jae-hyun (@welovehani), dia nanakiana [ko] ny tsy fiheveran’ ilay kaomisiona tamin'ny fametrahana teitery ho an'ireo mpampiasa Twitter :
선관위. 지난 주민투표 때는 투표인증샷에 대한 제한기준 발표 안하더니 이번에는 갖가지 규제. 투표율 높으면 선관위한테 좋을텐데. 대체 이유가 뭘까.
Mpampiasa Twitter mahafatra-po iray, Doa (@doax), no nanakiana[ko] ilay kaomisiona noho ny fandrindràna ny bitsika :
선관위. 정말 악질인 듯. 오늘 투표 독려도 안되는 것으로 아는 사람이 많다. 박원순 멘토단 투표독려를 금지한 때문. 여러 분 투표독려는 상관없습니다. 유명인도 안철수씨는 독려하면 안되지만 김연아는 됩니다.
Myung Seung-Kwon (@DrMyung), fizisiana mpikambana sady mpahay siansa sangany ao amin'ny Foibem-Pirenena Miady amin'ny Homamiadana ao Seola, dia nandefa bitsika [ko] niaraka tamin'ny fampihomehezana :
본인이 유명인인지 확인할 수 있는 절호의 찬스! 투표 독려 트윗을 날렸을 때 선관위에서 연락오면 유명인 맞음
Han Hak-soo (@Mbcpdhan), mpamokatra iray miaraka amin'ny MBC, tambajotranà fahitalavitra ao Korea Atsimo, dia nibitsika [ko] sary fanamafisana ny hifidianany niaraka tamin'izao fanamarihany mihantsy izao : “indro ny sary fanamafisana ny hifidianako! Tsy te-handiso fanantenana ny zanakolahy aho izay mihevitra ahy ho olo-malaza. Noho izany ry kaomisiona nasionaly misahana ny fifidianana, miangavy, sazio aho !”
Na izany aza, maro ireo mpampiasa Twitter milaza fa i Park sy ny mpanohana an'i Park dia ‘havia’ miaraka amin'ny ‘fandaharan'asa sosialista’ ary firehana miandàny amin'i Korea Avaratra’
Tato aoriana i Lee Hyo-ri (@frog799), mpihira vehivavy avy ao Korea Atsimo ary olo-malaza iray manintona , dia nandefa bitsika [ko] ny amin'ny fanekeny hifidy, Storyboardher (@storyboard7), mpampiasa Twitter iray, dia nanendrikendrika [ko] azy ho lasa any amin'ny hery ankavia :
좌파 연예인들 방송은 보지도 듣지도 맙시다. 이효리양도 좌파 선언을 했군요.
Lee Hyori (@frog799) namaly hoe [ko] “Hmm. Inona no atao hoe avy amin'ny ankavia?”, nahatonga valinteny mampisalasala maro hafa mikasika io fanasokajiana io. Chun Dong-hwan (@jdhkyh) nandefa bitsika hoe [ko] :
투표하러 가면 좌파인가요? 참나…. 그럼 투표하러 간다는 이효리씨에게 좌파라 하시는 분은 낼 투표 안하실껀가 보네요. 투표하면 좌파? 안하면 우파? 뇌구조 참 웃기는 분이네. 단순해서 좋겠소
Ny olona sasany naneho hevitra ampy fiheverana kokoa. Haksoo Bae (@way_Tao) nilaza [ko] fa ny mpampiasa Twitter be mpihaino toy izany no mandrisika ny olona hahay hisafidy ny olona ho fidiany:
이효리, 박중훈, 김제동의 투표권유는 순수하지않다. 그들은 8월 무상급식투표에도 시민에게 투표참여를 독려했는가? 그들은 투표 불참이 한나라당에 타격을 줄때에는 투표방해를 방관하고, 투표참여가 한나라당을 불리하게 한다고 판단할때는 투표를 독려한다.
Niezaka mafy hanao izay handehanana hifidy ny olona na dia tery dia tery aza ny fandaharam-potoanan'izy ireo. Profesora ao amin'ny Anjerimanontolom-Panjakana ao Seoul i Cho Guk (@patriamea), nampiditra [ko] bitsika maro nanehoana fa tena matotra ny olona.
Bitsika iray [ko] avy amin'ilay mpampiasa Twitter@urgood1109 no mivaky toy izao :
Profesora Cho. Mila tonga eny amin'ny seranam-piara-manidina aho rahampitso amin'ny 7:30 maraina- ho an'ny asako izany. Fa alohan'ny hahatongavako eny, dia andeha eny amin'ny toeram-pifidianana aho aloha amin'ny 6 maraina. ary mety ho izaho no mpifidy handatsa-bato voalohany amin'io toeram-pifidianana io. Fa tsy maninona izany, tsy hitsahatra ny hifidy mihitsy aho.
Niaraka tamin'izay, Oh Jin-ah (@dodani90) dia nandefa bitsika [ko] hoe:
상암동 주민 한분이 전화로 “깜짝놀랐어요.이제까지 선거하면서 출근시간에 젊은사람들 이렇게까지 줄서서 기다린건 처음이네요” 하시네요.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...