- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#Madagascar : Miroborobo ireo fivarotam-panafody amin’ny sehatra tsy ara-dalàna

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka

Ny filohan'ny komitim-pirenena miady amin'ny varotra fanafody tsy ara-dalàna (CNLCMIM na comité national de lutte contre le marché illicite de médicaments), Rtoa Baovola Rajaosafara no nanao fananambarana [1] fa:

La sensibilisation des habitants est beaucoup plus importante que l'arrestation des vendeurs illicites de médicaments. Si nous arrêtons les trafiquants aujourd'hui, ils sortiront dans une semaine

« Zava-dehibe kokoa ny ezaka fandresen-dahatra ny vahoaka raha oharina amin'izay fisamborana ireo mpivaro-panafody amin’ny sehatra tsy ara-dalàna. Satria raha voasambotra androany ohatra ireo mpivarotra ireo, afaka herinandro monja izy dia efa tafavoaka »

Ny tsy fahatakaran'ny ankamaroan'ny vahoaka ny vidim-panafody ankehitriny any amin'ireo Farmasía sy Hopitaly no anton'izao firoboroboan'ny varotra fanafody amin’ny sehatra tsy ara-dalàna izao.