- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Niverina Tao Amin'ny Facebook Hitsikera ny Islamista ny Mpiserasera

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Nanjary lohahevitra mafana ny resaka mikasika ny herin'ny hetsika Islamika hatramin'ny nanombohan'ny Lohataona Arabo tao Tonizia ny volana desambra farany teo.

Niteraka adihevitra marobe ihany koa ny Salafista [1] tao anatin'izay volana vitsivitsy taorian'ny revolisiona Tonizia izay. Araka ny tati-baovao, nanafika [2]ny iray tamin'ireo toeram-pilalaovana sarimihetsika izy ireo noho ny fampisehoana sarimihetsika nolalaovin'ilay vehivavy Toniziana laika Nadia El Fani; nanafika [3]birao tao amin'ny Oniversite ihany koa izy ireo noho ny fandavana ny vehivavy manao sarondoha hisoratra anarana izay lalàna napetraky ny fitondrana teo aloha; nandoro ny tranon'ny fahitalavitra Nessma [4] ihany koa izy ireo noho ny fampisehoana ilay sarimihetsika Persepolis [5], ahitana zatovovavy miresaka amin'ny Tompo.

Nampiasaina avokoa izany rehetra izany mba hamelezana ny antoko Islamika Ennahda [6], izay nahazo vato 40 isan-jato tamin'ny fifidianana farany teo, ary nambara fa te-hanova ny firenena hiverina amin'ny fanjakan'ny Taliban any Afghanistan, Sodana, na Iran indray ny Islamista ao Tonizia. Noraisina ho toy ny fihetsehampo fankahalana ny Islamo ny fanenjehana amin'ny fametrahana ireo firenena ireo ho modelin'ny politika Islamo araka ny hevitry ny sasany. Ny hafa kosa mahita izany ho toy ny fampielezan-kevitra natao mialoha avy amin'ny antoko hafa hampihenana ny lazan'ny hetsika Ennahda. Mbola maro amin'ireo vondrona no miaro ny tenany amin'ny filazana fa Islamika izy ireo ary maniry ny hiaro ny laisite Toniziana.

Niverina tao amin'ny Facebook ny mpiserasera Toniziana mba hitsikera sy hamazivazy ny hetsika toy izao ary haneho fanohanana ny lalam-piainana laika Toniziana.

Iray amin'ireo vondrona mafana fo ao amin'ny Facebook ny شماتة في العرب تونس حرة بالحرام ما تقعد حرة [7] izay hadika amin'ny teny malagasy hoe “Ho afaka i Tonizia na hankatoavin'i Arabo izany na tsia” izay misy hifandraisany amin'ny fifaneraserana mahazatra nataon'ny Toniziana tao amin'ny firenena manamorona ny Helodrano sy ny famatsiambola ataony amin'ny vondrona Islamika. Amin'ity sary voalohany ity, filohan'ny antoko Ennahda Rached Al-Ghannouchi [8]izay novaina tamin'ny photoshop ny vatany ho toy ny vatan'ny filoha Toniziana teo aloha Zein Al Abideen Ben Ali ary ny fangalana ity sary ity dia ahitana an'i Ghannouchi mamerina indray ny tenin'i Ben Ali tamin'ny lahateniny malaza hoe “Azoko ihany ny tianao ambara, ry vahoakan'i Tonizia.”

 

[9]

[10]

Nandefa hira milaza hoe “Tsia Tsia Tsia ho an'ny Rahalahy Miozolomana [11]” ihany koa ny vondrona mitovy amin'izany.

Vondrona malaza hafa ao amin'ny Facebook tonga nanome hery nandritra ny revolisiona nantsoina hoe ابتسم كثيراً فأنت لست من سيدي بوزيد [12] (Mitsikia betsaka; tsy avy amin'i Bouzid ianao) ary nandefa hafatra ihany koa somary nasiana fetrany (tsy dia ahitana fanebahana sy fanarabiana) manoloana ny  Ennahda, nilaza ny pejy fa ny famelana ny Islamista hitondra an'i Tonizia dia hanimba azy ary hanohitra ny tena tanjon'ny revolisiona.

Eto ny vondrona dia nandefa sary ny amin'ny fomba handraisan'i Tonizia anjara  raha toa ka ny fitondrana Ennahda no ao Tonizia:

[13]

Ary amin'ity sary ity indray, nanafika ny tompon'ny fahitalavitra Hannibal, Larbi Nasra izy ireo, izay ray aman-drenin'ny vadin'i Ben Ali ihany, niampanga azy ho nanohana ny antokon'ny fitondrana teo aloha, ary avy eo ny revolisiona, ary ankehitriny indray ny antoko Ennahda, mba ho tombotsoany manokana.

[14]

Pejy Facebook hafa mitondra ny lohateny hoe أنا مسلم و النهضة لا تمثلني [15](Miozolomana aho ary tsy avy amin'ny Ennahda aho) nandefa sary mampitaha an'i Ghannouchi amin'ny lehiben'ny revolisiona Islamika Ayatollah Khomeini [16].

[17]

Vondrona antsoina hoe الحركة التونسية لمقاومة المتطرفين و تجار الدين : النهضة ، التحرير (Hetsim-panoherana Toniziana manoloana ny Mahery fihetsika sy ny Mpivarotra Fivavahana: Ennahda sy Tahrir) nanamarika izay nofaritany ho toy ny fomba fanao manakana ny fahafahana taorian'ny revolisiona Toniziana. Amin'ity sary ity, milaza ny iray amin'ireo trano fandihizana amin'ny alina ny pejy izay nanambara ny fanapahan-keviny hikatona satria nahazo baiko hanajanona ny fanomezana zava-pisotro misy alikaola sy filalaovana mozika aorian'ny 11 alina.

[18]

Pejy Facebook hafa indray لا للسكوت على تجاوزات النهضة [19](Tsy Hangina manoloana ny fihoara-pefy ataon'ny Ennahda) nandefa sary maromaro mitsikera sy mamazivazy an'ny Ennahda, olona iray avy amin'ny YouTube malaza Toniziana antsoina hoe “Jalel Brick” ny iray amin'izy ireo izay nanambara tamin'ny vahoakan'ny Sidibouzid taorian'ny fifandonana fa nahazo ny mpanohana ny Ennahda izy ireo tamin'ny voka-pifidianana.

Ary ity lahatsary [20] hafa ity kosa mitodika any amin'ny olon-droa mpifankatia izay milaza fa afaka mahazo vola any amin'ny Ennahda mba hanambadiana, nalefan'ny pejy ihany koa, mba hilazana fa vidian'ny Ennahda ny vahoaka amin'ny fanomezana tolotra tahaka izao.Pejy [21]hafa kosa indray nanana fomba samihafa ary mitady sonia an-tapitrisany  hitondrana ny Ennahda any amin'ny fitsarana, ny fomba nitsarana ny antokon'ny fitondrana teo aloha taorian'ny revolisiona.