Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Porto Rico: Momba Fampitam-baovao Tamin'ny Meday Volamena Azon'ny Ekipa Nasionaly Vehivavy

Sambany ny Ekipa Nasionaly Basketball Vehivavy ao Porto Riko no nandrombaka ny meday volamena nandritra ny fifaninanana Pan Amerikana natao tao Guadalajara, ao Meksika vao haingana, taorian'ny fandreseny an'i Meksika tamin'ny isa 85-67 nandritra ny lalao famaranana. Bilaogera sady mpanao gazety ara-panatanjahan-tena, Rafael Díaz Torres namoaka lahatsoratra mendrika tao amin'ny bilaogy Comentario Deportivo Boricua [es] izay itsikerany ny fandrakofan'ny gazety mahazatra itony hetsika manantantara itony. Azo an-dahatsary ao amin'ny youtube navoakan'ny mpisera theliontree ny fotoam-pandresen'ny ekipa vehivavy:

Ao amin'ny lahatsorany i Rafael no mametraka ny tsy maintsy hieritreretana indray ny fomba fieritreritsika ny vehivavy atleta ao amin'ny nosy:

Estas 12 mujeres son parte de la bandera deportiva boricua y sus triunfos son tan valiosos como los obtenidos por la versión masculina de la selección nacional de baloncesto. Su victoria debe motivarnos lo suficientemente como para continuar trabajando en favor de derrumbar las barreras deportivas de género. Esa medalla de oro también nos obliga a repensar las formas en que interpretamos, analizamos y cubrimos el deporte femenino.

Anisan'ny mpitondra ny faneva PortoRikana ireo vehivavy 12 ireo ary manandanja tahaka ny fandresen'ny ekipa nasionaly lehilahy PortoRikana ihany koa ny fandreseny. Tokony ho ampy handrisika antsika hanohy ny fandravana  ny fanavakavahana ny fandresen'izy ireo. Mandrisika antsika hahatsiaro ny fomba nandraisantsika, sy nandalinantsika ary ny fomba nitantarantsika ny fanatanjahantena vehivavy noho ity meday volamena ity.

Nanamarika ireo fahasamihafana amin'ny fomba fanaovan'ny ekipa lehilahy sy ny ekipa ny vehivavy fanatanjahantena izy:

Tenemos la mala de costumbre de utilizar selectivamente la etiqueta de “femenino” para referirnos a los equipos de baloncesto de mujeres. No se hace lo mismo con la versión masculina. Tal forma de expresarnos es injusta ya que al describir a los hombres como “Equipo Nacional” y a las mujeres como “Equipo Nacional Femenino”, damos a entender que el baloncesto es un campo masculino en donde siempre se parte de la premisa de que van a participar solamente varones.

Manana fahazaran-dratsy isika rehefa mieritreritra “vehivavy” raha miresaka ekipa vehivavy basketball. Tsy misy izany ho an'ny ekipa lehilahy. Tsy rariny izany fomba fijerintsika izany ny amin'ny fandraisana ny lehilahy ho toy ny “Ekipam-pirenena” ary ny vehivavy ho toy ny “Ekipam-pirenena Vehivavy” kosa, sy ny filazana fa taranja ho an'ny lehilahy ny basketball, sady nolazaina tany am-boalohany fa ny lehilahy ihany no mandray anjara amin'izany.

Nitsikera ny zava-misy amin'ny gazety koa izy,  mampiseho ny vehivavy atleta maromaro ho toy ny “sexy” malaza:

Ser selectivo e incluir fotos de atletas altamente sugestivas y provocadoras (i.e. Fotos de El Nuevo Día sobre Yarleen Santiago en voleibol de playa) debe ser inaceptable en el 2011 y el futuro deportivo inmediato.

Izay nofantenina sy anatina sary mahalasa fisainana sy mihantsy (ohatra, sary tao amin'ny El Nuevo Día momba an'i Yarleen Santiago tamin'ny beach volleyball) dia tokony tsy azo ekena amin'izao taona  2011 sy amin'ny hoavy manaraka izao.

Farany, nilaza izy fa tokony hankalazaina tahaka ny atleta lehilahy ihany koa ny atleta vehivavy:

La emoción que desbordamos por nuestros atletas masculinos debe ser replicada para las mujeres deportistas, quienes con mayores vicisitudes que los hombres, salen al terreno de juego o competencia a representarnos con el mismo amor y tesón.

Tokony ampiharina amin'ny vehivavy vehivavy ihany koa ny fananana fihetseham-po hita amin'ny atleta lehilahy, ny vehivavy izay miatrika olana lehibe kokoa noho ny lehilahy, ny amin'ny firotsahany amin'ny sehatry ny fanatanjahantena na fifaninanana mba hahitana azy ireo ho manana fitiavana sy ezaka mitovy ihany koa.

Raúl Feliciano Ortiz, avy ao amin'ny Revista Cruce namoaka lahatsoratra momba izany lohahevitra izany izay nanehoany hevitra mikasika ny fitantarana ny ekipa vehivavy basketball raha oharina amin'ny ekipa lehilahy.

Y si pensamos en que este equipo logró una hazaña similar a la de la Selección masculina en el 2004 al ganarle, por primera vez, a un equipo de Estados Unidos, vemos que la disparidad en cobertura es abismal. Cuando los hombres le ganaron al Team USA en el 2004, se le dedicaron múltiples noticias, segmentos especiales y hasta posters en la parte de adentro de los periódicos a un equipo que ni siquiera consiguió llegar a las semifinales del torneo olímpico. Las mujeres tuvieron que ganar oro para lograr una cobertura similar y, aun así, me parece que tampoco ha sido igual.

Raha mihevitra isika fa mitovy ny fandresen'ny lehilahy ny ekipa avy ao Etazonia  tamin'ny taona 2004 [nandritra ny Lalao Olimpika tao Athènes, Grèce] ity fandresen'ny ekipa vehivavy ity, mety hahita isika fa lehibe dia lehibe ny tsy fitovian'ny fitantarana amin'ny fampahalalam-baovao. Raha nandresy ny ekipa USA ny lehilahy tamin'ny taona 2004, nisy ny fitantarana vaovao marobe , sehatra manokana ary indrindra sary lehibe natao tamin'ny gazetin'ny ekipa izay tsy tonga tany amin'ny atsasa-dalana akory anefa nandritra ny fifaninana Olaimpika. Nandrombaka ny volamena ny vehivavy mba hahazo fitantarana mitovy tahaka izany kanefa tsy nitovy akory ny fitantarana niseho.

Farany, maniry izy fa tsy ity ihany no medaily azon'ny ekipa vehivavy fa mbola ho marobe:

Espero que la historia de esa medalla no sea solamente que fue la primera, sino que fue parte de un cambio de visión de mundo en nuestro entorno puertorriqueño. Hay algunos buenos indicios; esperemos que no sea una simple moda. ¡Enhorabuena!

Inoako fa tsy ity medaily voalohany ity ihany , fa anisan'ny manova fijerin'izao tontolo izay an'i Porto Riko. Maro ny fambara tsara; manàna fanantenana fa tsy fandalovana fotsiny iny. Arahabaina!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.