- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestina: Andian-tSambo Vaovao Handrava ny Fahirano Mahazo an'i Gaza

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Vonjy Voina

Nipongatra androany hizotra ho any Palestina, handrava ny fahirano mahazo an'i Gaza, ny andian-tsambo Kanadiana sy Irlandey. Nafenina ho tsiambaratelo ity tetikasa ity ary izay vao nolazaina. Ao amin'ny Twitter, ny filazana ity vaovao ity dia niely tamin'ny alalan'ny tenifototra (Onjam-pahafahana) #Freedomwaves [1].

Lazaina ho ao amin'ny fari-dranomasina iraisampirenena, ranomasina Mediteranea, ny sambo kanadiana antsoina hoe  Tahrir sy Irlandey Saoirse, ary mikasa ny hisosa ho any Gaza ao anatin'ny ora vitsivitsy.

Ny fikasana teo aloha handrava ny fahirano mahazo an'i Gaza tamin'ny herintaona [Jereo ny Global Voices Fitantarana Manokana momba izany ato [2] (en)] dia niafara tamin'ny fifandonana rehefa naka an-keriny ilay andian-tsambo enina mitondra mpikatroka iraisampirenena, fantatra tamin'ny anarana hoe Gaza Freedom Flotilla (Andian-tsambo Fanafahana an'i Gaza), ny vondro-tafika andranomasina Isiraeliana. Efa nikasa hamaky ny sakana ataon'i Isiraely amin'i Gaza sy hitondra fanampiana ihany koa io andian-tsambo tamin'ny herintaona io. Araka ny loharanom-baovao Isiraelina moa dia niditra an-tsehatra ny tafika rehefa tsy nanaiky ny hiova lalana hosavaina tao an-tseranan'i Ashdod, izay nampanantenain'i Isiraely hisavana ny fanampiana ka handefa ny zavatra tsy voarara ho any Gaza.

Teo anelanelan'ny 9-16 teo ny mpandeha tao amin'ny sambo mitondra saina komoriana  MV Mavi Marmara no nolazaina ho matin'ny miaramila Isiraeliana izay niditra tao an-tsambo, miaramila Isiraeliana 10 ihany koa no naratra mafy.

Araka ny nolazain'i Ruqayah:

@iRevolt [3]: ‘Freedom Waves for Gaza’ is the 11th attempt by int'l activists to deliver humanitarian aid through the Israeli blockade of Gaza since 2008.

Ny onjam-pahafahana ho an'i Gaza no ezaka faha-11 nataon'ny mpikatroka iraisampirenena handefasana fanampiana hanavatsava ny fanakanana isiraeliana hatramin'ny 2008  

Momba ity andian-tsambo vaovao ity indray, manambara i Canada Boat to Gaza  :

CanadaBoatGaza [4]: CONFIRMED: The Tahrir is now in international waters and is headed to Gaza soon. #FreedomWaves #Canada4Gaza #DeOccupyPalestine

VOAMARINA: efa any amin'ny fari-dranomasina iraisampirenena ny Tahrir ary hitodi-doha tsy ho ela any Gaza.

Manamarika i Asa Winstanley:

@AsaWinstanley [5]: Keeping #freedomwaves a secret until today was smart. Undercuts Israeli ability to sabotage & spread disinformation, as happened last time

Mety ny nitazonana ho tsiambaratelo ny #onjam-pahafahana hatramin'ny androany. manimba ny fahafahan'ny Isiraeliana higafy sy hilaza lainga, tahaka ny tamin'ny farany

Manasongadina momba ny mpitati-baovao nandeha niantsambo ihany koa ny vaovao.

Mitatitra ilay Ejipsiana Sarah Carr:

@Sarahcarr [6]: My badass boss @linaattalah is on the Tahrir, one of two boats that make up the Freedomwaves flotilla en route to Gaza.

Ao amin'ny Tahrir, iray amin'ny sambo roa mandrafitra an'i Onjampahafahana mizotra mankany Gaza ny deba @linaattalah.

Manampy i Ahmed Shibab Eldin:

@ASE [7]: #AlJazeera has a reporter on one of the #freedomwaves ships headed for Gaza. More to come.

Manana mpanangom-baovao ao amin'ny Onjampahafahana mizotra ho any Gaza ny Al Jazeera

Mampahafantatra ny fandehanan-dry zareo anaty sambo ihany koa ny mpisera Twitter.

Hassan Ghani, Mpanangom-baovao Press TV :

@hassan_ghani [8]: I'm onboard the Tahrir, one of two #flotilla boats now in international waters on their way to break the siege of Gaza. #freedomwaves

Ato an-tsambo Tahrir, iray amin'ny andian-tsambo, aho ary anaty fari-dranomasina iraisampirenena handrava ny fahirano amin'i Gaza.

ary manampy:


@hassan_ghani
: #freedomwaves boats left secretly from Turkish shores to avoid political interference. But marine authorities reduced passengers to 12 each

Niainga tsy ankilazalaza avy any an-tseranana tiorka ny Onjampahafahana hialana amin'ny resaka politika. Saingy nampihena ny mpandeha ho 12 isaky ny sambo ny tompon'andraikitra an-dranomasina

ary nampitandrina:

@hassan_ghani [9]: Internet connection on the #Tahrir is intermittent but I hope to be sending a report out later tonight on the #freedomwaves mission

tapatapaka ny aterineto ato amin'ny #tahrir saingy manantena aho fa afa-mitatitra momba ny iraky ny Onjampahafahana rahalina

Ary ilay Ejipsiana Lina Attalah, miaraka amin'ny Al Masry Al Youm, miteny amintsika:

@Linaarralah [10]: we just reached international waters aboard of the canada boat to #gaza #freedomwaves @almasryalyoum_e #tahrir @CanadaBoatGaza

nahazo ny fari-dranomasina iraisampirenena izahay ato amin'ny sambo kanadiana hizotra ho any Gaza

Aza miala hanarahanao ny vaovao avy amin'ny andian-tsambo.