- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypt: Nosaronan'ny Salafista Ny Sarivongana Zazavavindrano Ao Alexandria

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

Nosaronan'ny Salafista [1] ny sarivongana zazavavindrano iray tao Alexandria, Ejipta, izay nahatonga tsikera sy filazana fahadalana avy amin'ny mpisera. Notaterin'ny mpisiokantsera fa nosaronan'ny Antoko Salafista Al Noor, izay nanao fivoriana teo akaiky teo, ilay sarivongana.

Manazava i Farah Saafan:

@FarahSaafan [2]: Salafis had a meeting close to a mermaid statue in Alexandria.. Ended up covering the poor mermaid during the gathering

Hivory teo akaikin'ny sarivongan'ny zazavavindrano ny Salafista. Naleo nosaronana ilay zazavavindrano nandritra ny fivoriana

Mananihany i EngyG:

@EngyG [3]: Covering a mermaid statue in Alexandria is definitely going to get us all to heaven. Can't wait. #Egypt #Alexandria #Salafis

Mahatonga antsika rehetra hahazo ny lanitra ny nanaronana ny sarivongana zazavavindrano. Tsy afa-miandry

Namaly i RachidH:

@RachidH [4]: Forward to the 7th century

Naverina tany amin'ny taonjato faha-7

Tsy nino i Mostafa Hussein ka te-hahita mivantana:

@mosftasa [5]: Do we have a statue of a mermaid in Alexandria? AND someone covered it with a Niqab? Links and photos please.

Fa manana sarivongana zazavavindrano ve isika ao Alexandria? ARY nisy olona nanisy voaly azy? rohy sy sary azafady

Namoaka porofo an-tsary tao amin'ny Twitter [6] ny gazety Al Masry Al Youm.

The covered and uncovered mermaid. Posted on Twitter by Al Masri Al Youm [6]

Zazavavindrano nosaronana sy tsy nosaronana. Namoaka azy Twitter i Al Masri Al Youm

Mampahatsiahy antsika ny Four Corners Media fa efa mahazatra loatra ny zavatra tahaka izany, ka nizarany ohatra avy any Iràka:

@FourCM [7]: @JustAmira @nfm same happened in Nasiriyah in 2004, Sumerian female statues defaced for exposed breasts

Efa nisy tahaka izany nitranga tany Nasiriyah tamin'ny 2004, nopotehina ny sarivongana vehivavy Someriana fa nampiseho nono

Ny valiny avy amin'ny salafista amin'ny lova navelan'ny zanak'olombelona, ny kolontsaina ary ny zavakanto dia mampahatsiahy ny nataon'ny Taliban tamin'ny famotehana ny sarivongan'i Buddha [8] tany Afghanistan tamin'ny 2001.