- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Qatar: Nambara Ny Datim-Pifidianana Izay Ho Parlemantera Amin'ny 2013

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Katara, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Androany (01/11) dia nanambara i Qatar ha hanao fifidianana izay ho mpikambana ao amin'ny parlemantany amin'ny tapany faharoan'ny taona 2013. Ny Emir ao Qatar, Shaikh Hamad bin Khalifa Al Thani, no nanao ny fanambaràna ary noraisin'ny vahoaka tsara tokoa, izay manantena fa ny fanohanan'i Qatar ny revolisiona Arabo dia hanefy ampitso vaovao ho an'ireo Qataris.

Ilay Qatari Nawaf Al Thani dia manamarika:

@NawafAlthani [1]: Fifidianana malalaka, fanohanana ny fahalalahana manerantany, toekarena matanjaka.. Aoka ho fantatra fa tonga izao ny fotoanan'ny Pax Qatara. #Qatar

Ny tonian-dahatsoratry ny Foreign Policy monina ao Doha, Blake Hounshell, dia mampahatsiahy antsika hoe:

@blakehounshell [2]: Ny zavatra mahaliana momba ny fnambaràna fifidianana tao Qatar dia tsy dia nisy loatra ny tsindry avy amin'ny valalabemandry momba izany.

Ary ilay Qatari mpanao gazety, Abdulla Al Amadi [ar], dia manomboka amin'ny faminavinana hoe:

أول انتخابات تشريعية في قطر عام2013 .. مدة كافية للتجهيز والإعداد ، والتحدي الأكبر في تغيير ثقافة المجتمع ونظرته لمثل هذه الانتخابات
@Abdulla_Alamadi [3]: Hatao ao Qatar amin'ny 2013 ny fifidianana voalohany izay ho parlemantera. Misy fotoana hikarakarana izany tsara. Ny fanamby goavana dia ny fanovàna ny kolontsain'ny fiarahamonintsika sy ny fomba fijeriny mikasika ny fifidianana toy izany.

Ilay Saodiana, Ahmed Al Zahrani, dia mitaraina [ar]:

يبدو ان دعم قطر للثورات العربية، قد انعكست بشكل ايجابي على تفكير الحكومة في حق تقرير المصير لشعوبهم،ونحن هنا لانملك الا الدعاء ‎#Qatar‏ ‎#Saudi
@A_Alzahrani [4]: Sahala amin'ny nisy fiantraikany tsara teo amin'ny fomba fisainan'ny governemanta ny tohana nataon'i Qatar ho an'ny revolisiona Arabo, manome alàlana ny vahoaka handrafitra ny hoaviny. Ny hany anananatsika [amin'ny maha-Saodiana] dia n y vavaka ataontsika.

Ary manampy i Mortadha Abdulla [ar]:

اكتشفت ان القطريين طماعين.. ما شكروا أميرهم الا على اعلانه عن انتخابات تشريعية مايشوفونا (السعوديين) نشكر ملكنا على… ولا شي ‎#Saudi‏ ‎#Qatar
@mortadha_a [5]: Hitako ho tendan-kanina ihany ny Qataris. Taorian'ny nanambaran'ny Emir-ndry zareo ny hisian'ny fifidianana ao Qatar no mba nisaotra azy ry zareo. Tsy mba hitan-dry zareo ve isika (Saodiana). Misaotra ny mpanjakantsika isika … tamin'ny [nanomezany antsika] tsinontsinona.

Tom Gara, mpanao gazety monina any amin'ny Emirat Arabo Mitambatra, dia mivazivazy hoe :

@tomgara [6]: Manan-karena i Qatar, ny fifidianany ny ho parlemantera amin'ny 2013 dia hifidianana hoa ny parlemantan'i Gresy, Frantsa, Libia ary firenena 19 ao Amerika.

Ary i Mona Kareem, olona tsy manana firenena niaviana avy ao Koety, no manandrana vazivazy iray hafa :

@monakareem [7]: Tsy maintsy tsikombakomba Iraniana mba hanelingelenana ny manampahefana #Saudi (Saodiana) ny fifidianana ao #Qatar amin'ny 2013!

Amin'izao fotoana, Qatar dia manana Mpisolovava Mpanolotsaina [8] misy mpikambana 35, notendren'i Emir, izay mifampizara fahefana amin'ny sampana mpanao lalàna ao amin'ny firenena.