Taiwan: Sarin'ny Matsom-Pireharehana Maha-LGBT 2011 tao Taipei

Fangon'ny Taiwan LGBT Pride 2011

Maherin'ny 50.000 ireo olona namonjy ny hetsika Matsom-Pireharehana LGBT Taiwan fanao isan-taona  tao Taipei tamin'ny 29 Oktobra 2011,  manamarika ny filaharambe goavana indrindra ao Azia.

Nitolona nandritra ny taonjato maro ny fivondronan'ny LGBT Taiwaney mba hitaky ny fitovian-jo sy ny fanajana. Na dia efa mihena dia mihena aza ny fanoseha-bohontanana eo amin'ny fiainana andavanandro, mbola mivoitra eo amin'ny rafi-panabeazana sy ny lalàna ihany ny fanilikilihana. Hoy ny vohikala ofisialin'ny hetsika:

IMG_4172

Zazalahy mitazona sora-baventy milaza fa tia vehivavy ny reniny nefa reny tonga lafatra izy

Raha oharina amin'ny filazana fankahalana “eo imaso imaso” nahazo ny LGBT folo taona lasa eo ho eo izay, dia efa mianatra miteny tahaka ny hoe “manaja ny LGBT izahay” ny anti-LGBT ary mihevi-tena ho liberaly. Mandritra izany fotoana izany dia tsy mitsahatra ny manakana ny nanova sy ireo mpitia mitovy fananahana (LGBT) hanana ny zo fototra maha-olona. Fanampin'izany dia efa miezaka ny handresy lahatra amin'ny fomba tsy mendrika ny mpanao lalàna sy ny mpanao politika ry zareo, izay mety hanimba ny fandavorariana ny fivoarana demokratika. Ao anatin'izany toe-draharaha sarotra izany dia mandrisika ireo nanova sy ireo mpitia mitovy fananahana hijery tsara izay mety ho fanavakavahana eo amin'ny kolontsaina sy eo amin'ny fiaraha-monina ny fikambanan'ny Rehareha maha-LGBT Taiwan, ary hiezaka ny hanaisotra hatrany ny fanilikilihana miafina mba hahamafy ny fototra fanajana ny zo maha-olona.

Notontosaina voalohany tamin'ny 2003 izay nahitana mpandray anjara 500 eo ho eo, nihanalaza vetivety ny hetsika ka nahitana mpandray anjara 25.000 tamin'ny 2009, ary 30.000 tamin'ny 2010. Tamin'ity taona ity moa dia montsana indray ny fahabetsahana indrindra.

Ny lohahevitra dia “Mitolona indray ny LGBT! miala ny fanavakavahana!”, Niainga teo amin'ny fihaonan-dalana Kaidagelan tao Taipei ny filaharambe dia nizara roa ka tafahaona indray teo amin'ny fihaonan-dalan'ny Kaidagelan. Mitaky ny hanajana ny safidim-pironana ara-pananahana sy ny safidin'ny tanora, ny fametrahana ny fanabeazana ara-pananahana, ny fampidirana ho ara-dalàna ny mariazin'ny mitovy fananahana, ary ny fanesorana tsy ho heloka ny asam-pananahana (fivarota-tena).

Ireto ambany ireto moa ny sasatsasany amin'ny sarin'ny matso tamin'ity taona ity nalaina tao amin'ny Coolloud.org.tw:

IMG_4134

Misy ny mpitondra fivavahana manohitra ny filazalazana ny momba ny LGBT any an-tsekoly. A parade participant plays

IMG_4101

Mpianatra maro avy ao amin ny Anjerimanontolo mandray anjara

IMG_4055

Mpanohana kosa ny mpizahatany sy ny mpianatra vahiny mandrato fianarana any.

IMG_4191

Mitantara ny nanjo azy tamin ny nataon ny mpampiasa azy taloha ny mpiteny noho ny fiakanjoany akanjom-behivavy

IMG_4129

Fikambanan ny Mpiasa vahiny manandratra ny feon ny mpiasa vahiny vitsy an isa mitaky ny zony ara-pananahana

IMG_4208

Milaza ny fanilikilihana roa sosona mahazo azy ny mpikambana LGBT sembana.

IMG_4239

Mpihira malaza Deserts Chang no tamin ity taona ity

Mbola misy sary hafa azo jerena ihany koa ao amin'ny Rakitsary flickr Coolloud.org sy ny rakitsary ofisialin'ny vohikalan'ny matso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.