Ny niobium dia isan'ireo metaly ampiasaina betsaka indrindra manerana izao tontolo izao, ka i Brezila no manana ny tahiry betsaka indrindra amin'io harena ankibon'ny tany io eto an-tany. Na izany aza, ny fitrandrahana azy any Brezila dia mampametraka fanontaniana maro mikasika izay mba vokatra entiny ho an'ireo orinasa tsy miankina na orinasam-panjakana.
Araka ny ambaran'ny bilaogy Nióbio do Brasil [teny portigey], natao manontolo ho amin'ity metaly ity,
a aplicação mais importante do nióbio é como elemento de liga para conferir melhoria de propriedades em produtos de aço, especialmente nos aços de alta resistência e baixa liga usados na fabricação de automóveis e de tubulações para transmissão de gás sob alta pressão.
Raha araka ireo angona [en anglais] navoakan'ny fitantànana ao Etazonia, i Brezila no manana ny 95% amin'ny tahiry erantany amin'ny niobium, ary izany dia ao amin'ny faritr'i Minas Gerais, Amazonas sy Goiás. Roberto Silva, mpanoratra ao amin'ny tranonkala Economia BR, dia manoratra [en portugais] fa,
analisando o total de reservas nacionais de nióbio, (…) com relação a soma de suas reservas medidas, indicadas e inferidas, aponta em primeiro lugar o Amazonas, cujas reservas de nióbio apresentam 82,7% do total do país e estão localizadas no município de São Gabriel da Cachoeira.
Tamin'ny 2011 ity harena ankibon'ny tany ity dia namidy [teny Anglisy] 44 dolara ny kilao. Raha anaovana fampitahàna, ny taona 2007 io harena ankibon'ny tany io dia namidy tamin'ny salam-bidy [en anglais] 52 dolara ny kilao.
Tamin'ny 2006, ny vokatra niobium eran'izao tontolo izao dia novinavinaina [teny anglisy] ho 59 900 taonina, ary Brezila no namokatra ny 56 000 taonina tamin'io. Ao anaty lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ilay tranonkalan'ilay [teny anglisy] orinasa kanadiana mpitrandraka harena ankibon'ny tany Taseko Mines Limited, amafisiny fa amin'izao fotoana,
There is a growing demand for niobium. Global annual consumption of ferro niobium is over 200 million pounds per year and growing at 5-7% per year.
Ny 200 000 000 livres dia mifanandrify amin'ny 90 718 taonina. Izany hoe, na dia nidina aza ny salam-bidiny tato anatin'ny taona vitsivitsy, ny fitrandrahana sy ny fampiasàna azy kosa dia nitombo be manerana izao tontolo izao.
Ao anaty lahatsoratra iray [teny portigey] nosoratan'i Victor Tagora ho an'ny gazetiboky Meio Ambiente, ary ao anatin'izany no andefasany fampitandremana momba ny anjara toerana stratejika tànan'ny niobium eo amin'ny toekarena Breziliana, ny mpanoratra dia miteny fa,
fontes dignas de atenção indicam que o minério de nióbio bruto era comprado no garimpo a 400 reais/quilo, cerca de U$ 255,00/quilo (à taxa de câmbio atual e atualizada a inflação do dólar)
Na dia ambony lavitra noho izay vidiny asehon'ny sasany amin'ireo tarehimarika iraisam-pirenena aza io vidy io, manao famintinana toy izao ny mpanoratra
se o Brasil exportasse o minério de nióbio a esse preço, o valor anual seria US$ 15.300.000.000 (quinze bilhões, trezentos milhões de dólares). Se confrontarmos essa cifra com a estatística oficial, ficaremos abismados ao ver que nela consta o total de US$ 16,3 milhões (0,1% daquele valor), e o peso de 515 toneladas ( menos de 1% do consumo mundial).
Na ohatra aza ka hanao kajy miainga amin'ny hoe 44 dolara ny kilao, sy raha raisina ny vinavina hoe 95% amin'ny vokatra erantany, dia ho tonga amin'ny antontam-bola 3 792 000 000 dolara/isan-taona isika. Ireo elanelana goavana ireo dia mifandray amin'ny hoe tsy isan'izay tonga eo amin'ny tsenam-bolan'ny harena ankibon'ny tany ity vokatra ity, toy ny London Metal Exchange [teny anglisy], fa ny vidiny dia araka izay ifanarahan'ireo orinasa fotsiny ihany.
Edvaldo Tavares, mpitsabo sady Tale Jeneralin'ny Sistema Raiz da Vida, dia manazava ao amin'ny tranonkalan'ny Revista Decifra-me [teny portigey], fa
Nas jazidas de Catalão e Araxá o nióbio bruto, extraído da mina, custa 228,57 dólares e é vendido no exterior, refinado, por 90 dólares. Como é que pode ocorrer tal tipo de transação comercial com total prejuízo para a população do país, é muito descaso com as questões do país e o desinteresse com o bem-estar do povo brasileiro.
Ao amin'ny tranonkalan'ny Ministrena'ny Fampandrosoana, ny Indostria ary ny Varotra Ivelany [teny portigey], ireo angona momba ny fifandanjana ara-barotra breziliana dia manondro ireo tontalim-bola isaky ny vokatra naondrana, isan'ireny ny alimo sy ny vy. Tsy hita anatin'io lisitra io ny niobium.
Mazava loatra, tsy maintsy raisina anaty kajikajy ireo fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ara-tsosialy raha vao resaka fitrandrahana harena ankibon'ny tany. Kanefa, miaraka amin'ireo harena rehetra ao ankibon'ny tany Breziliana ireo, tsy vita ny tsy hanontany hoe iza no mahazo tombony amin'ny niobium.