Grande Bretagne: Faha-77 taona, Fiainana Mahazendana

Julie Kertesz dia ramatoa iray nankalaza ny faha-77 taonany sahala amin'ny fankalazany ny fiainana amin'ny maha-fiainana azy mihitsy. Efa misotro ronono saingy mbola mavitrika, Julie dia manondro ny tenany ho olona iray mpitantara angano sy mpaka sary. Sady blaogera mazoto no  mpamokatra lahatsary ary vao nanomboka mihitsy nirotsaka amin'ny  sehatry ny fampihomehezana.

Teraka tany Transylvania (zaratanin'i Hongria fahiny, avy eo Romania), nifindra tany Frantsa teo amin'ny faha-30 taonany, ary monina tao Londona nanomboka tamin'ny Jolay 2008.

Araka ny ambaran'ny iray amin'ireo mpanjohy azy ao amin'ny tranonkalany fizaràny sary, Flickr, Patrick Barry Barr, dia “fakàn-tahaka izy ho an'ny olona avy amin'ny sokajin-taona rehetra izay maniry ny hiaina fiainana feno sy mavitrika amin'ny fianarana sy ny firotsahana an-tsehatra.” Hoy izy (tamin'ny 2005):

Julie70 dia manana toe-tsaina izay mandiso tanteraka ny taonany, noho isika efa manana fomba fijery an'ireny olona tonga amin'ny faha-70 taonany ireny, ary dia mivanaka amin'ny fahavitrihany aho, ny fomba fankafizany ny fihaonany amin'ny hafa mbola tsy nihaona taminy akory ary ny fizarana ny hafanam-pony amin'izy ireny. Ho feno 67 ao amin'ny 11 May aho, ary isaky ny mitombo taona aho dia maniry foana ny ho toa an'i Julie Kertesz.

Self portrait by Julie Kertesz

Sarin'i Julie Kertesz

Julie dia mahita tsirony amin'ny fianarana ary tsy nitsahatra ny mianatra – eny fa na dia fony noraràn'ny fitondràna kaominista tao Romania aza izany. Fony izy niasa tao Parisy, niverina tany an-dakilasy izy na dia efa niteraka roa aza, ary nandao ny anjerimanontolo niaraka tamin'ny diplaoma ‘doctorat’ amin'ny Fizika teo amin'ny faha-43 taonany.

Araka ny amaritany ny tantaram-piainany ao amin'ny bilaoginy, tsy vita eo amin'ny faha-70 taona ny fiainana::

Tsy misy miala isika!
Manao zavatra ny tsirairay amintsika, na izany ho amin'ny tsaratsara kokoa, na ho fihazonana ny aina.
Indrisy, nihaona koa aho tamin'olona efa nahazo taona izay toa efa afa-po sahady, ary ny sasany aza tena mbola tanora tokoa.
Manirery, any anaty metro.
Jereo anie ry zareo ao anaty metro ao Parisy e. Tena samihafa amin'ilay rangahy nifanena tamiko omaly, niasa tao an-tsena. Ary ny maro hafa amintsika, miaina ny fiainantsika anaty fahafenoana araka izay tratra.
Ok, mety ho efa vokivoky taona izahay, fa tsy mbola mahatsiaro ho antitra ao anatinay ao!

Julie dia mampiasa ny Flickr, ny bilaogy, ary ny tantarany manokana mba hanairana ny aingam-panahin'ny hafa. Anatinà fanehoan-kevitra iray ao amin'ny bilaoginy, mitondra ny lohateny hoe “Courage to laugh at yourself” na “Fahavononana Hihomehy amin'ny Tena ihany” (teny Frantsay) misy mpamaky iray maneho fankasitrahana ny ezaka ataony:

[…] tu sais Julie, tu es Une Sage, je le pense. Tu m'aides souvent dans des moments compliqués, je me dis “attends, l'effet Julie va se produire, ça va aller”.

[…] fantatrao moa ry Julie, Olon-kendry no fihevitro anao. Nanampy ahy matetika ianao nandritra irao fotoan-tsarotra lalovako, hoy aho amin'ny tenako hoe “andraso, hipoitra ny dindo Julie, hilamina io”.

Angamba ny loharanon'ireny fahendrena ireny dia ny fahavononana hanandrana hiatrika zava-baovao. Ao anatin'ity lahatsary eto ambany ity, Julie dia mampiasa  ny tenimpirenena faha-efatra hainy, mba handravahana ny sasany amin'ireo traikefa voalohany niainany teo anelanelan'ny faha-25 hatramin'ny faha-70 taonany:

Tena teo amin'ny faha-70 taona mihitsy i Julie no nahita voalohany ny resaka  sary. Ny 2006, natombony ny vondrona !afterclass!, kilasy fianarana ao amin'ny  Flickr ahitàna olona 2.500 mivondrona hianatra momba ny fakàna sary. Natombony koa ny “vondrona olona mpamaky”; ary ny “vondrona tsy manaiky ho antitra”; sy ny “tsy misy hafa zany intsony”:

Tsy misy hafa izany intsony. Nihaona tamin-dry zareo aho. Niresaka taminy. Tadidiko ry zareo.

Ity vondrona farany ity dia manainga ny olona hifanantona ary ny fifaneraserana tsirairay dia mampivoitra ny hakanton'ny maha-olombelona hatrany. Kitiho eo ambonin'ny sary etsy ambany mba hahitanao ireo tantara mahavariana naborak'i  Julie tamin'ny alalan'ny  “fifaneraserana taman'olona” niaraka tamin'ny olon-tsy fantatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.