- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Topimason'ny Fibodoana Azia Atsimo Atsinanana

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Indonezia, Malezia, Singapaoro, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika

Miely manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana ny Hetsika ‘Fibodoana’ (na Fananihana).  Aingam-panahy avy amin'ny Hetsika ‘Fibodoana’ manerantany [1] no nisian'ny fivoriana tany Malezia, Indonezia, Filipina ary Singapore tamin'ity volana ity.

Malezia

Navitrika tamin'ny fampiasana ny valan-tserasera (media sosialy) ny mpanomana mba himpàka any amin'ny vahoaka ny hetsika nomanin-dry zareo. Bodoy Dataran [2] any Kuala Lumpur, Malezia mikendry hitrandraka ny tena dikan'ny demokrasia:

#OccupyDataran [3] is a new independent & autonomous grassroots initiative to reclaim Dataran Merdeka as an open and democratic space for people to gather, discuss and explore the true meaning of democracy beyond the representative system, to redefine democratic participation beyond the ballot box, to imagine a new political culture beyond race, ideology and political affiliation, and also to lepak, spend overnight and dream together at Dataran Merdeka

Fandraisana an-tanana ifotony mahaleo tena sady mahazaka tena mitaky ny hanokafana ny Dataran Merdeka ho sehatra misokatra sy demokratika ahafahan'ny olona mivory ny #OccupyDataran, iadian-kevitra sy hitrandrahana ny tena dikan'ny demokrasia ankoatra ny rafitra mpisolotena ny vahoaka, hamaritana indray ny fandraisana anjara demokratika ankoatra ny vatam-pifidianana, haminavina ny kolontsaina politika vaovao mihoatra ny foko, fironan-kevitra sy politika ifikirana, ary ahafahana mi-lepak ihany koa, mandany ny alina sy miara-manonofy ao amin'ny Dataran Merdeka
Occupy Dataran, Malaysia. [4]

Bodoy i Dataran, Malaysia.

Cindi Loo [5] mitantara ny zava-nitranga izay niainana tao amin'ny OccupyDataran:

The overnight event organised by the KL (Kuala Lumpur) People's Assembly kicked off at around 5pm and lasted all through the night till 4am the next day. 50 people attended at the beginning, and the size grew to 120 people as the night goes on, despite having an event clash with a sponsored cycling event. The KL People's Assembly, which started meeting up weekly since July 30, tried to assemble twice but were stopped by the police force and in both times the assembly dispersed but remained on the square doing other activities such as playing music and games, dance and hold discussions in small circles

Nanomboka tamin'ny 5 ora hariva, namakivaky ny alina hatramin'ny 4 ora maraina ny ampitso ny fiareta-tory nomanin'ny Antenimieram-bahoaka tao KL (Kuala Lumpur). 50 ny isan'ny nanatrika tamin'ny voalohany ary niakatra 120 rehefa nandeha ny alina, na dia teo aza ny hetsika nifaninana taminy izay notohanan'ny mpanao hazakazaka am-bisikilety. Niezaka ny nivory in-droa ny Antenimieram-bahoakan'i KL nokasaina hivory isan-kerinandro hatramin'ny nanombohany tamin'ny 30 jolay saingy nosakanan'ny polisy hatrany tamin'izany fivoriana in-droa miantoana izany ka niparitaka, saingy nikiry nankeo an-kianja manao zavatra hafa toy ny milalao sy mihirahira (mitendry mozika), mandihy ary mitsitokotoko miady hevitra etsy sy eroa

Niteraka aingam-panahy tamin'ny mpikatroka tany Penang [6], Malezia, hanomanany ny Hetsika ‘Fibodoana’ ho azy manokana ihany koa ny katroka tao Dataran:

The spirit of #OccupyDataran & the global #Occupy Movement is spreading to Penang!

On 29th October 2011, join us at Speakers’ Square, Esplanade as we #OccupyPenang for the first time!

Miely any Penang ny fanahin'ny Fiaraha-mientana #BodoyDataran sy ny #Fibodoana Manerantany
Amin'ny 29 oktobra 2011, andao hiaraka aminay ho eo amin'ny Kianjan-kabary hanatontosantsika ny #BodoyPenang voalohany

Indonezia

Mandritra izany fotoana izany dia notontosaina teo anoloan'ny Tsenam-bola ihany koa ny Fibodoana an'i Jakarta any Indonezia [7]. Eto ambany ny lahatsary [8] fohy ny iray amin'izany fivoriana izany:

Hita fa tsy nahavory olona loatra ilay fihetsiketsehana.

@JohnyGrim [9]: Fact: Today's demos are no fun. Mostly associated with violence & disorder. This should change. Holding out posters is boring #occupyjakarta

Ny marina: tsy nahafaly ny hetsika androany. Mifandraika kokoa amin'ny herisetra sy ny fanakorontanana. Tokony hiova izany. Tsy manaitra ny mitondra afisy #occupyjakarta

@jwolson [10]: Just passed the #OccupyJakarta protest in our way our of the most expensive mall in Indonesia. About 12 college kids sitting in the grass.

Avy niserana ny hetsika #bodoyJakarta tamin'ny lalana nandalovanay ivelan'ny tsena mihaja (galerie) lafo indrindra ao Jakarta. Tokony ho mpianatra kelojy 12 no mipetraka amin'ny bozaka  
Occupy Jakarta. From Facebook page of Har Wib [11]

Bodoy i Jakarta. Avy amin ny Takelaka Facebook an i Har Wib

Filipina

‘Occupy’ Nokarakaraina tany Mendiola [12] (manakaiky ny lapam-panjakana) , Cagayan de Oro [13], Makati, ary ny Ambasadin'i Etazonia  Amerika [14] any Filipina [15] ny Hetsika ‘Fibodoana’. Niaraka tamin'ny fivorian'ny tantsaka madinika izay mitaky ny hanavaozana ny fizakan-tany ao amin'ny firenena ny katroka.

Occupy US Embassy in Manila [16]

Bodoy ny Ambasady Etazonia ao Manila

Kapirasong Kritika [17] [fil] mieritreritra fa tokony any amin'ny faritra azon'ny olona idirana no hanaovana ny hetsika ‘Fibodoana’ :

Mahirap kung ilulunsad ang protestang Occupy sa Makati na, tulad ng Wall Street, ay sentro ng pampinansyang aktibidad sa bansa. Malayo kasi ito sa malawak na mamamayan na maaasahang lalahok. Maaari ang Maynila para malapit sa mga sentro ng kapangyarihan at tradisyunal na pinagraralihan, tulad ng Mendiola at US Embassy. Pero ang mahalaga ay kung saan ito makakaakit ng malawak na paglahok at suporta ng mga mamamayan.

Sarotra ny manatontosa ny Hetsika Fananihana an'i Makati izay, tahaka an'i Wall Street, no foiben'ny fivezivezen'ny vola eto amin'ny firenena. Satria lavitra loatra amin'ny sarambambem-bahoaka antenaina handray anjara amin'ilay hetsika. Angamba mba any Manila izay manakaiky ny foibe ara-politika sy mahazatra amin'ny fanaovana fivoriana, tahaka an'i Mendiola sy ny Ambasadin'i Etazonia. Saingy ny zavadehibe dia ny manatontosa ilay izy any amin'ny faritra ahazoana olona betsaka mandray anjara sy mahazo ny fanohanan'ny vahoaka.

Singapore

Ny Global Voices moa dia efa namoaka lahatsoratra momba ny tsy nisy tonga [18] tamin'ny Hetsika Bodoy i Singapore.