- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambodza: Tondradrano Faran'izay Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina

Niteraka tondradrano mahatsiravina tao Kambodza ny oram-batravatra nahazo ny faritra ambonin'i Reniranon'i Mekong ao Laos sy Thailand. Ilay loza voajanahary no isan'ny ratsy indrindra tato anatin'ny folo taona  namely ny faritra ary niteraka fahavoazana goavana ho an'ny firenena.

Faritra maro no milona rano izay mahakasika tanimbary an'aliny hektara maro. Nahafatesana olona 200 mahery ihany koa ilay tondradrano, ary namotika tambajotran-dàlana, tohodrano sy fitaovana maro iraisan'ny daholobe. An'aliny ireo sekoly no nakatona manerana ny firenena ary nohalavaina ny fotoam-pisoratana anarana ho ao anaty lisi-pifidianana amin'ny fifidianana izay ho ben'ny tanàna amin'ny taona ho avy. Ny Radio Free Asia [1] dia nitatitra ny fiantraikan'ilay tondradrano, famintinan'ny Filoha Lefitry ny Komity Kambodziana Momba ny Fitantanana ny Loza Voajanahary, Nhem Vanda.

ស្រូវ​ចំនួន​ជាង ៤​សែន​ហិកតារ​បាន​លិច​ទឹក​ជំនន់។ ស្រូវ​ចំនួន​ជាង ២​សែន​៥​ម៉ឺន​ហិកតារ​ទៀត​បាន​ខូចខាត​ទាំង​ស្រុង។ ផ្លូវ​លំ​ប្រវែង​ជិត ៣.០០០​គីឡូម៉ែត្រ​បាន​ខូចខាត។ ទំនប់​ទឹក​ប្រវែង​រវាង ៣០០​គីឡូម៉ែត្រ ទៅ ៤០០​គីឡូម៉ែត្រ បាន​ខូចខាត។ ប្រជាពលរដ្ឋ​ស្លាប់​ចំនួន ២៤៧​នាក់។ សាលារៀន​ជាង ១.០០០​កន្លែង​បាន​លិច​ទឹក​ជំនន់។ គេ​បាន​ប៉ាន់ស្មាន​ជា​ថ្មី​ឲ្យ​ដឹង​ថា តម្លៃ​ខូចខាត​សរុប​ជាង ៤០០​លាន​ដុល្លារ​អាមេរិក។

Vinavinaina ho  400.000 hektara ny tanimbary dobo rano. Hatramin'ny  250.000 hektara no voka-bary potika tanteraka. 3.000 kilometatra ny foto-drafitrasa momba ny làlana no rava. 300-400 kilometatra no tohodrano simba. Hatramin'ny 247 no olona maty. Maherin'ny 1.000 no sekoly dobo rano. Mety hitentina 400 tapitrisa dolara ny fahavoazana ho an'i Kambodza.

Tranon-dràzan'ny mpanoratra, ao an-tanànan'ni Kompong Cham, Faritany izay avo lavitra noho ny efa fahita raha ny haavon'ny rano tondraka

Isan'ireo faritany maro niaina ity loza voajanahary mahatsiravina ity i  Siem Reap [2], toerana fanaovana fizahantany misy an'i Angkor Wat. Travelfish dia nanome fanavaozam-baovao momba ny toe-draharaha ao  Siem Reap:

Saika manerana ny tanàna, ny ranobe izay nahavoa an'i Siem Reap [3] nandritra ny enina herinandro dia efa nisintona tanteraka izao ary ireo làlana feno rano dia efa manomboka miverina amin'ny naha-be vovoka azy ireo.

Nitarika ny fanafoanana ny Fetiben'ny Rano ihany koa ilay tondradrano, izay fety fanao isaky ny Novambra ary mahasarika olona mihoatra ny iray tapitrisa avy amin'ireo mponina any amin'ny faritany mba hitsidika ny tanàna isan-taona. Tamin'ny taona lasa, zava-doza no namarana ilay fetibe fa nisy olona 300 mahery maty tanatinà fifanosehana iray [4] tao amin'ny nosy Koh Pich. Nifanandrify indrindra tamin'ilay fahatondrahan'ny rano ny fotoana fahatsiarovana io zava-doza io, izay atahoran'ny mpandalina sasany fa hanamora ny fialàna andraikitra ataon'ny governemanta manoloana ny olana misy.

Maro karazana ireo endrika fanampiana noho ny maha-olombelona, na avy amin'ny eo an-toerana izany, na avy amin'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, mba hanohanana ny mponina amin'ireo tanàna tondraka. Ny sasany amin'ireo mpitondra fanampiana dia ny  Caritas [5], Green Gecko kids flood relief initiative [6] sy ny Japan Alumni of Cambodia's Fund for Flood Relief [7].

Chan Sovannara [8] koa dia manoratra mikasika ilay tondradrano mahatsiravina

Mahery ny olombelona, afaka mamorona teknolojia avo lenta izy, saingy tato ho ato dia niharan'ny setrasetran'ny natiora izy. Ny firenena sasany manamorona ny Renirano  Mekong — Kambodza, Thailand sy Shina — dia nifampitàna tamin'ny tondradrano voajanahary. Tamin'ity taona ity, Kambodza no niharan'ny tondradrano izay namoizana ain'olona maherin'ny anjatony, ary trano rava efa ho anarivony.

Namely trano fonenana 165.619 ilay tondradrano ary nahakasika fianakaviana 231.044, sekoly 1.053, pagodes 434, toeram-pitsaboana 76, tanimbary 304.469 hektara, ary tany famokarana zava-pihinana hafa 10.535 hektara .  Ny manampahefana Kambodziana dia miasa manangona ireo antontan'isa marina momba ny aina nafoy, ny trano fonenana, ary ny tetibidin'ny zavatra simban'ilay tondradrano 2011.