27 Oktobra 2011

Tantara tamin'ny 27 Oktobra 2011

Kambodza: Tondradrano Faran'izay Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona

Ity no tondradrano faran'izay ratsy indrindra tato anatin'ny folo taona. Ny manampahefana Kambodziana mitatitra fa mila ho antsasaky ny iray tapitrisa no velaranà tanimbary simban'ny rano ka mety hanohintohina ny fahavitan-tena ara-tsakafo any amin'ny faritra. Ireto ny tatitra misimisy kokoa momba ny zava-doza nentin'ny tondradrano ao Kambodza 2011

27 Oktobra 2011

Ejipta: Fiantsoana Revolisiona Indray Taorian'ny Didim-Pitsarana Momba ny Raharaha Namonoana An'i Khaled Said

Voaheloka higadra fito taona any am-ponja ny polisy roa noho ny daroka niteraka ny fahafatesan'i Khaled Said, zatovolahy novonoina tany Alexandria nampirehitra ny revolisiona Ejipsiana. Tezitra ny mpisera amin'izay lazain-dry zareo fa didim-pitsarana mohaka sy tehamaina amin'ny revolisiona sy ny antsony isian'ny rariny. Niteraka antso ho amina revolisiona vaovao teo amin'ny samy tanora ao Ejipta indray ny nandrenesana ny didim-pitsarana.

27 Oktobra 2011

Jordania: Feo Hafa Avy Amin'ny Vovonana Erantany Momba ny Toekarena

Ny 21 ka hatramin'ny 23 Oktobra 2011, dia nampiantranoan'i Jordania ny Vovonana Erantany Momba ny Toekarena (World Economic Forum's (WEF) ) izay niompana manokana tamin'ny Fitomboana Ara-toekarena sy ny Famoronana asa ao amin'ny Tontolo Arabo any amin'ny Ranomasina Maty.Amin'ity taona ity, satria tsy mijanona mifoha amin'ny torimasony sy manavao hatrany ny fisiany ny tontolo Arabo, dia nihanahazo vahana ny feo sy ny fitantaràna hafa.

27 Oktobra 2011

Yemen: Vehivavy Yemenita Mandoro Ny Voaliny

Nandoro ny voaliny sy ny folarany androany ny vehivavy Yemenita ho marika fanamelohana ny herisetra sy ny sotasotan'ny fitondrana, izay namono olona 25 nandritra ny alina tany Sanaa sy Taiz ary nikendry vehivavy tamin'ny farany teo. Hetsi-panoherana tsy misy ifandraisany amina zon'ny vehivavy na fanoherana ny voaly islamika io satria mety ho tsy azon'ny olona ilay fihetsika fa hazolava na antso vonjeo, mamely ny fitondrana

27 Oktobra 2011