Torkia: Ezaka Fifanampiana An-tSerasera Ho An'ny Tratran'ny Fihovitry ny Tany

Tratran'ny fihovitry ny tany lehibe mahatratra ny refy 7,2 ny alahady teo ny tany amin'ny faritra atsinanan'i Torkia. Nandrava ny faritra sy namotika fanorenana maro ny Fihovitry ny tany, izay nanana ny foibeny tany amin'ny 16 km avaratry ny faritanin'i Van, ka mbola maro ny olona tototra ambanin'ny korotam-bato.

Koa satria moa efa manokatra ny ezaka famonjena amin'ny fomba ofisialy ny governemantan'i Torkia, maro ny Tiorka na ny ao an-toerana na ny any ivelany no te-hamonjy ireo niharam-boina. Vokatr'izany, tao anatin'ny ora roa ihany dia maro isan-karazany ny hetsika fanentanana any amin'ny valan-tserasera mba hifanampy amin'ny vonjy taitra.

Iray amin'ny hetsika izay nahazo ny fifantohan'ny maro haingana tao amin'ny valan-tserasera ny  “EvimEvindir”. Mpanao gazety Tiorka Ahmet Tezcan no nanomboka ny hetsika rehefa nilaza tao amin'ny Twitter [tr] fa vonona ny handray fianakaviana very trano noho ny fihovitry ny tany izy:

Vanlı bir aileye evimi açmaya hazirim. Kamu kuruluşları bunu da organize etmeli!

Vonona ny hanokatra ny [varavarako sy ny] tranoko amina fianakaviana avy any Van aho. Tokony handrafitra izany araka izay haingana ny sampan-draharaham-panjakana!

Mbola nanohy nampiroborobo ny hevitra i Ahmet Tezcan no nanentana ny hetsika mafimafy kokoa i Erhan Çelik mpanao gazety tiorka hafa koa. Tao anatin'ny roa ora dia sioka an-jatony sy mailaka an'arivony no voarain'ny mpanao gazety roa raha jerena ny fanentanana sy ny fanamarihana nataon'i Erhan Çelik nandritra ny fisaorana nosoratany [tr]:

Mail kutumda 17 bin mail var. Bunlardan ilgili olanları İstanbul Valiliğine iletiyorum. İlginize depremzedeler adına çok teşekkürler!

Misy mailaka 17,000 ao amin'ny boatiko izao. Nampitaiko tamin'ireo liana ny hankanesana any amin'ny governoràn'i Istanbul. Amin'ny anaran'ny niharam-boinan'ny fihovitry ny tany dia mankasitraka anareo liana [te-hanampy]!

Tsy ela fa niely vetivety tany Torkia ny tenifototra roa vaovao  “#EvimEvindir”  [“#TranonaoNyTranoko” amin'ny teny Tiorka] sy ny “#EvimEvindirVan” ary natsangana ny vohikala vaovao fanentanana ao amin'ny www.evimevindir.com. Ahmet Tezcan nitatitra fa niditra an-tsehatra ny Governoràn'i Istanbul hanampy ny fanentanana:

İstanbul Valimiz H.Avni Mutlu #EvimEvindirVan kampanyasindan haberdar edildi. Çok sevindi. Gerekenin yapilmasi icin talimat verecektir!

Nampahafantarina ny momba ny hetsika #EvimEvindirVan ny Governoran'i Istanbul H. Avi Mutlu. Tena faly ny tenany. Hanome fampahafantarana amin'izay tsy maintsy ilaina izy.

Araka ny fanentanana tao amin'ny vohikala, Ny Governoràn'i Istanbul ankehitriny no mpandrindra ny fanentanana hmantatra sy hampifandray ny fianakaviana avy any Istanbul amin'ny fianakaviana any amin'ny faritra tratran'ny fihovitry ny tany.

Fanentanana hafa mandeha ao amin'ny Twitter ary nahazo fanohanana tamin'ny alalan'ny tenifototra “#HaydiGsmciler” [“#AlefasoNyOpGsm” amin'ny teny Tiorka] miantso ny mpandraharaha fiantsoana GSM telo be mpampiasa any Torkia, antsoina hoe Turkcell, Vodafone Turkey, ary Avea, mba hanome antso [minitra maromaro] maimaipoana ho an'ny mpanjifany any amin'ny faritra tratran'ny fihovitry ny tany, satria heverina fa maro ny traboina izay “tafalevina velona” ambanin'ny korotam-bato no miezaka mampiasa ny findainy mitady vonjy amin'izay azo ifandraisana. Miezaka ny manasongadina izany ny mpanao gazety Erhan Çelik tamin'ny fanoratana hoe [tr]:

GSM şirketleri de üzerine düşeni yapsın! Deprem bölgesinde kontörlü hatlar ücretsiz olsun, mağdurlar rahatça konuşsun! #HaydiGsmciler

Tokony handray anjara ihany koa ny mpandraharaha GSM! Tokony ho maimaipoana ny antso mampiditra fahana any amin'ny faritra tratran'ny fihovitry ny tany, mba ahafahan'ny traboina miresaka malalaka! #HaydiGsmciler

Taorian'ny nandefasana ny tenifototra, samy nilaza avokoa ny mpandraharahan'ny fifandraisan-davitra finday GSM telo lehibe fa hanome antso maimaipoana ho an'ny mpanjifany ao Van, izay miaritra fatiantoka noho ny fihovitry ny tany. Na ny Turkcell na ny Avea dia samy nilaza io vaovao io tamin'ny alalan'ny kaonty Twitter ofisialy araka ny voasoratra manaraka izao [tr]:

Van'da bulunan ön ödemeli müşterilerimize her yönü arayabilecekleri 100 dk. ücretsiz konuşma süresi ve 100 kısa mesaj (SMS) yüklenecektir

Mahazo 100 minitra maimaipoana sy SMS 100 azo ampiasaina ampiantsoana amin'ny antso rehetra ny mpanjifanay mampiditra fahana mialoha ao Van.

Van'da yaşanan felaket nedeniyle bölgede bulunan tüm Avealı'lara her yöne kullanabilecekleri 100dk konuşma ve 100 sms tanımlanmıştır #van

Noho ny voina nitranga tany Van, mahazo 100 minitra maimaipoana sy SMS 100 azo ampiasaina ampiantsoana amin'ny antso rehetra ny mpanjifan'ny Avea any amin'ny faritra. #van

Ora vitsivitsy taorian'ny fihovitry ny tany, nanangana bilaogy ny mpikatroka bilaogera maromaro, antsoina hoe “Yalnız Değilsin Van” [“Tsy irery ianao ry Van” amin'ny teny Tiorka], mba hanome vaovao momba ny toerana ifandraisana sy fandrindrana ny ezaka fanampiana any amin'ny faritra tratran'ny fihovitry ny tany. Nafotaka dia nafotaka ny fampiroboroboana azy tany amin'ny tontolom-bolongana sy ny Twitter, toy izao ny dfilazalazana hita ao amin'ilay bolongana:

This page has been created to keep track of, gather and post updates on the relief efforts towards the 2011 Van Earthquake, including transportation of aid, coordination numbers and a continuously updated list of goods and equipment in demand

Natsangana ity pejy ity hikarohana, hanangonana ny voalaza farany momba ny ezaka famonjena amin'ireo niharan'ny Fihovitry ny tany tao Van 2011, ka tafiditra amin'izany ny fitaterana ny fanampiana, fandrindrana ny isa sy ny fanomezana vaovao farany momba ny zavatra sy fitaovana ilaina

Misy vaovao amin'ny teny Tiorka sy teny Anglisy ary takelaka Facebook antsoina hoe: “Van’la Dayanışma” [“Fiaraha-mientana amin'i Van” amin'ny teny Tiorka].

Vao nivoaka farany ihany koa ny ezaka fanampiana ny tra-boinan'ny Fihovitry ny tany tao Van amin'ny alalan'ny vohikala avy amin'ny Google amin'ny endrika Google Person Finder ka ampiasana amin'ny teny Tiorka. Zeynep Tüfekçi mitatitra azy tahaka izao:

Google Person Finder now up in Turkish for the Van earthquake: http://turkey-2011.googlepersonfinder.appspot.com/

Miasa ankehitriny ny Google Person Finder [Google fitadiavan'olona] amin'ny teny Tiorka noho ny fihovitry ny tany tao Van
hajian-tsary avy amin'ny yalnizdegilsinvan.wordpress.com.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.