- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: Cristina Fernández de Kirchner Voafidy Indray Ho Filoham-pirenena

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Ny fifidianana filoham-pirenena [1] tany Arzantina tamin'ny 23 oktobra teo no nahazoan'i Cristina Fernandez de Kirchner [2] fandresena goavana, araka ny  vokatra vonjimaika. [3] (Jereo ny lahatsoratra [4] tao amin'ny Global voices mikasika ny vokatra [5] tamin'ny volana aogositra nijerena izay hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena).

Nanomboka niparitaka ny mety ho vokatry ny fifidianana taorian'ny nikatonan'ny birao fandatsaham-bato tamin'ny 6 ora, na dia mbola tsy ofisialy aza izany vokatra izany. Tamin'ny 9:00 alina tao amin'ny internety [3] no nanomboka ny niainana ny vokatra ofisialy. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, nitarika tamin'ny 53% ny filoha am-perinasa narahan'i Dr. Hermes Binner [6], mpilatsaka hofidiana avy amin'ny Progressive Broad Front [7] (Manda Progresista), nahazo 17%.

Ao amin'ny twitter izay tena nampiasain'ny mpilatsaka hofidiana sy ny olom-pirenena tamin'ny fampielezan-kevitra, dia resahana ao ny zavatra maro samihafa. Tenifototra iray nalaza niresaka vaovao ny #cristinazo, [8] izay niresaka sahady ny vato mety ho azon'ny filoha.

[9]

Cristina Fernandez de Kirchner – photo: Laura Schneider

@TwGobierno manoratra [10]:

Hay censura en Twitter, #cristinazo [11] tiene mas Tweets que #binnerazo [12] y no es TT… #twittercensura [13] (difundir cumpas)

Misy sivana ny twitter,  Betsaka manoratra kokoa ny  #cristinazo [11] noho ny #binnerazo [12] nefa tsy tafiditra ho lohahevitra ironan'ny resaka akory  #twittercensura [13] (aparitaho ny resaka)

Daniela (@DaniK_dorada) mankalaza [14]:

Llora llora llora la derecha xk los pibes tamos de fiesta! #cristinazo [11]#plazademayo [15]

Ny kiaka marina, ny kiaka marina, satria mankalaza izahay! #cristinazo [11]#plazademayo [15]

Ny rohy #yonolavote [16] (“Tsy nifidy azy aho”), ampiasain'ireo tsy nifidy an'i Cristina Fernandez de Kirchner, koa nanjary nalaza.

Daiana Varetti (day_varetti) maneho hevitra: [17]

que raro que el 1er TT sea #yonolavote [18] y gano cn el 52 % de los votos.. yo tengo mi conciencia limpia y digo verdaderamente que #yonolavote [18]

Mahagaga fa ny resaka malaza izao dia ao amin'ny#yonolavote [18] kanefa mbola nahazo vato 52% ihany izy… Mazava ny eritreritro ary manaiky aho fa #yonolavote [18] [Tsy nifidy azy aho]

Cintia V Rojas (@CintiaVRojas) miteny: [19]

que bueno q #yonolavote [18] sea tt porq significa q todavia qda gente cuerda!!!

tsara fa malaza ny #yonolavote [18] , midika izany fa mbola misy olona mieritreritra tsara ihany!

Be mpiresaka ihany koa ao amin'ny Twitter ny #Vicepresidente [20] (“Filoha lefitra) sy ny #hablacristina [21] (“Ny tenin'i Cristina “)

Nalaza koa ny an'ny mpanohitra nandritra ity fifidianana ity. Nampiasaina ny #binnerazo [22] hilazana an'i Hermes Binner, izay tao anatin'ny volana vitsy nanaovana fampielezan-kevitra dia nanjary olona malaza teo amin'ny politika faharoa nanerana ny firenena, fa mbola lavitra ny hahavoalohany azy.

[23]

Hermes Binner sy Cristina F. de Kirchner – sary: Laura Schneider

Javier Alejandro (@Jmaitre) mankahery ireo mpanara-dia an'i Binner: [24]

Vamos el socialismo, va creciendo en todo el pais #Binnerazo [25]

Alefa ry sosialisma, Mihamahazo vahana manerana ny firenena #Binnerazo [25]

I Mariana Calvo (@maariC) maneho ny fahadisoam-panantenany: [26]

yo no estoy contenta tendria que haber ganado binner #binnerazo [12]

Tsy faly aho, tokony mba nandresy i Binner #binnerazo [12]

Ambara amin'ny faran'ny herinandro izao ny vokatra farany, kanefa inoana fa tsy hiova firy izany vokatra izany raha jerena ny vokatra vonjimaika. Na izany aza, Aldana Formigo [27] (@AldanaFormigo) mitaratra ny eritreritry ny vahoaka any Arzantina:

Muy feliz de ser participe de está democracia! #Cristinazo [28]

Faly fa nandray anjara tamin'ny demokrasia! #Cristinazo [28]