Arzantina: Cristina Fernández de Kirchner Voafidy Indray Ho Filoham-pirenena

Ny fifidianana filoham-pirenena tany Arzantina tamin'ny 23 oktobra teo no nahazoan'i Cristina Fernandez de Kirchner fandresena goavana, araka ny  vokatra vonjimaika. (Jereo ny lahatsoratra tao amin'ny Global voices mikasika ny vokatra tamin'ny volana aogositra nijerena izay hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena).

Nanomboka niparitaka ny mety ho vokatry ny fifidianana taorian'ny nikatonan'ny birao fandatsaham-bato tamin'ny 6 ora, na dia mbola tsy ofisialy aza izany vokatra izany. Tamin'ny 9:00 alina tao amin'ny internety no nanomboka ny niainana ny vokatra ofisialy. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, nitarika tamin'ny 53% ny filoha am-perinasa narahan'i Dr. Hermes Binner, mpilatsaka hofidiana avy amin'ny Progressive Broad Front (Manda Progresista), nahazo 17%.

Ao amin'ny twitter izay tena nampiasain'ny mpilatsaka hofidiana sy ny olom-pirenena tamin'ny fampielezan-kevitra, dia resahana ao ny zavatra maro samihafa. Tenifototra iray nalaza niresaka vaovao ny #cristinazo, izay niresaka sahady ny vato mety ho azon'ny filoha.

Cristina Fernandez de Kirchner – photo: Laura Schneider

@TwGobierno manoratra:

Hay censura en Twitter, #cristinazo tiene mas Tweets que #binnerazo y no es TT… #twittercensura (difundir cumpas)

Misy sivana ny twitter,  Betsaka manoratra kokoa ny  #cristinazo noho ny #binnerazo nefa tsy tafiditra ho lohahevitra ironan'ny resaka akory  #twittercensura (aparitaho ny resaka)

Daniela (@DaniK_dorada) mankalaza:

Llora llora llora la derecha xk los pibes tamos de fiesta! #cristinazo#plazademayo

Ny kiaka marina, ny kiaka marina, satria mankalaza izahay! #cristinazo#plazademayo

Ny rohy #yonolavote (“Tsy nifidy azy aho”), ampiasain'ireo tsy nifidy an'i Cristina Fernandez de Kirchner, koa nanjary nalaza.

Daiana Varetti (day_varetti) maneho hevitra:

que raro que el 1er TT sea #yonolavote y gano cn el 52 % de los votos.. yo tengo mi conciencia limpia y digo verdaderamente que #yonolavote

Mahagaga fa ny resaka malaza izao dia ao amin'ny#yonolavote kanefa mbola nahazo vato 52% ihany izy… Mazava ny eritreritro ary manaiky aho fa #yonolavote [Tsy nifidy azy aho]

Cintia V Rojas (@CintiaVRojas) miteny:

que bueno q #yonolavote sea tt porq significa q todavia qda gente cuerda!!!

tsara fa malaza ny #yonolavote , midika izany fa mbola misy olona mieritreritra tsara ihany!

Be mpiresaka ihany koa ao amin'ny Twitter ny #Vicepresidente (“Filoha lefitra) sy ny #hablacristina (“Ny tenin'i Cristina “)

Nalaza koa ny an'ny mpanohitra nandritra ity fifidianana ity. Nampiasaina ny #binnerazo hilazana an'i Hermes Binner, izay tao anatin'ny volana vitsy nanaovana fampielezan-kevitra dia nanjary olona malaza teo amin'ny politika faharoa nanerana ny firenena, fa mbola lavitra ny hahavoalohany azy.

Hermes Binner sy Cristina F. de Kirchner – sary: Laura Schneider

Javier Alejandro (@Jmaitre) mankahery ireo mpanara-dia an'i Binner:

Vamos el socialismo, va creciendo en todo el pais #Binnerazo

Alefa ry sosialisma, Mihamahazo vahana manerana ny firenena #Binnerazo

I Mariana Calvo (@maariC) maneho ny fahadisoam-panantenany:

yo no estoy contenta tendria que haber ganado binner #binnerazo

Tsy faly aho, tokony mba nandresy i Binner #binnerazo

Ambara amin'ny faran'ny herinandro izao ny vokatra farany, kanefa inoana fa tsy hiova firy izany vokatra izany raha jerena ny vokatra vonjimaika. Na izany aza, Aldana Formigo (@AldanaFormigo) mitaratra ny eritreritry ny vahoaka any Arzantina:

Muy feliz de ser participe de está democracia! #Cristinazo

Faly fa nandray anjara tamin'ny demokrasia! #Cristinazo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.