Etiopia:Nanao Fitakiana Tao Anaty Aterineto Ny Mponina Ho An'i Shweyga Mullah

Fanentanana iray fitakiana ny rariny no namoahan'ireo Etiopiana ny hatezerany tany anaty filazam-baovao ara-tsosialy  taorian'ny fanambaran'ilay mpanao gazetin'ny CNN,  Dan Rivers,  nilaza ilay fanararaotana nahatsiravina nihatra tamin'i Shweye Mullah izay tena naratra tokoa noho ny fitorahan'ilay vadin'ny zanak'i Gaddafi, Hannibal, rano mangotraka ny vatany iray manontolo noho ny tsy nahavitàny nampangina zaza fotsiny.

Nodoran'ny vadin'ilay zanak'i Gaddafi ny tarehin'i Shweyga Mullah. Sary natolotry ny www.shweyga.ethioscholars.com

Ny Zoma 02 septambra 2011, ny vahoaka Etiopiana dia namorona pejy ho an'ny adihevitra virtoaly tao amin'ny Facebook, adihevitra faharoa amin'ny fikatsahana ny fitsarana marina an'i Sheweyga Mullah ao Libya. Ny ampaham-potoana natao ho an'ilay firesahana dia ny zoma 02 Septambra amin'ny 02:00 tolakandrao hatramin'ny 31 Oktobra amin'ny 07:00 hariva.

Fikambanana hafa no nanangana fitakiana mba ho fanangonan-tsonia ho an'ireo vondrona Etiopiana anaty aterineto.  Ilay fikambanana koa dia nanangana  Facebook app. Toy izao ny fivakin'ilay fitakiana :

Ny habibiana izay nihatra vao haingana tamin'i Shweyga Mullah nataon'i Alaine Skaf, ilay vinanton'i Gaddafi, dia nampiseho miharihary ny zava-tsarotra atrehin'ireo rahavavintsika any amin'ny firenena maro samy hafa manerana izao tontolo izao. Soa ihany ho azy, na dia teo aza ny fahavoazana ara-batana sy ara-tsaina nahazo azy, dia iny fihetsika iny no lasa tranga lehibe tokoa satria voalohany mba navoaka tamin'ny CNN ary nisy ifandraisany amin'i Gaddafi. Vokatr'izany, ny CNN dia nahavita nikarakara fanangonam-bola sy fiantohana ny fikarakarana manokana. Na dia izany aza, maro tsy tambo isaina ny Shweyga hafa izay mbola mijaly any ho any, raha tsy hilàza afa-tsy ireo izay maniry ny hiampita ny sisintaniny fa mba te ho lasa toa an'i Shweyga.

Fikambanana iray hafa ahitàna mpikambana maherin'ny 8000 antsoina hoe “Aoka izay ny fanararaotana ny vehivavy Etiopiana any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana”. Ankoatra izay, “Fitsarana marina ho an'i Shweyga Mullah izay nampihorohoroana sy nandevozin'i Aline Gaddafi Skaf” dia pejy Facebook iray sy ny “ANDAO HIARO NY HO AVIN'IREO SHWEYGA MULLAH ” dia vondroan iray ao amin'ny Facebook ahitàna mpikambana mihoatra ny 1000.

Ito ambany ito ny lahatsary misy ny fikarakarana an'i Shweya Mullah :

 

Tao aorian'izany, avy hatrany dia nambara fa ny governemanta Etiopiana dia hanampy azy amin'ny fitakiana onitra, nanomboka nizara ny rohy mikasika ilay vaovao tany amin'ny pejy Facebook-n'izy ireo ny mponin'ny aterineto miandrandra fanakianana sy hevitra. Ny sasany niampanga ny governemantan'i Meles Zenawi tamin'ny zavatra rehetra, miainga avy amin'ny fampielezan-keviny mankany amin'ny tsy fahampian'ny tombotsoa ho an'ny vahoaka tahaka an'i Shweyga ao amin'ny firenena.

Mpanao famakafakana lehibe mahakasika ny olana Etiopiana ao amin'ny Facebook ,  Abebe Kebede nilaza hoe :

Misy ny vaovao izay milaza fa ny  governemanta Etiopiana dia tokony handray anjara amin'ny fiantohana ny fitakiana onitra. Any amin'ny sehatry ny sarambabem-bahoaka dia tena misy resa-be  momba io resaka io, ary mazava ho azy fa manararaotra izany mba hitarihàna ny sain'ny haino aman-jery  hijery ny fahorian'ireo Etiopiana any amin'ireo firenana ao amin'ny faritra Afovoany Atsinanana.

Endalk dia namintina ny toeran'ilay adihevitra tao anaty aterineto :

Any amin'ny sasany amin'ireo fikambanana raha ny tena marina, fotoana fohy tao aorian'izay, Shweye dia saiky efa adino – ny adihevitra izao dia miompana amin'ny ‘mpanohitra ny governemanta vs. ny mpanohana ny governamanta’, ‘Fahamarinana vs.tsindry hazolena’, ny ‘matanjaka vs.ny mahantra’, ary ny fikatsahana ny revolisiona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.