- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ny Valinteny Nomen'i Torkia Tamin'ny Fanontanian'Ireo Kiorda, Raha i Erdogan Miteny ao Kairo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Iràka, Israely, Tiorkia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Foko sy Fiaviana, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
Huge billboards put up in Cairo to welcome Erdogan [1]

Takelaby ao Kairo, mariky ny fiarahabàna tongasoa an'i Erdogan, nataon'i AymanM avy amin'ny yfrog tao amin'ny Twitter

Ny lahatenin'ny Praiminisitra Tiorka Tayyip Erdogan momba ny firotsahan'ny fanjakana Palestiniana ao amin'ny Ligy Arabo dia nadika mivantana tamin'ny alalan'ireo mpikambana aminà tranonkalan-tambajotra sôsialy, dia ny Twitter izany, ho an'ireo izay miteny Arabo na Tiorka. Marobe ny setrin'ny lahateny nataony izay feno fomba fiteny kokoa miohatra amin'ny votoaty, avy amin'ireo izay mino fa azo ekena ny toerana noraisin'i Torkia, mankany amin'ireo izay gaga noho ny amin'ny haavon'ny fihatsarambelatsihy asehon'i Torkia manoloana ireo Kiorda mitaky fizakan-tena.

Indreto misy ampaham-peo avy amin'ny lahatenin'i Erdogan:

@RawyaRageh [2] #Erdogan: #Tokony hanaja ny zon'olombelona i Israely, manao toy izay nataon'ireo fanjakana sasany ho fampitsaharana ny fitokana-moniny#Turkey #ArabLeague

@MahirZeynalov [3] Ny PM Torka Erdogan: Avelao ny sainam-pirenen'ny fanjakana Palestiniana ho mariky ny fandriam-pahalemana any Afovoany Atsinanana.

@MahirZeynalov [4] Ny PM Torka Erdogan: Ny fankatoavana ny fanjakana Palestiniana no hany làlan-tokana azo izorana, tsy safidy anefa izy io fa zavatra tsy maintsy atao.

@MahirZeynalov [5] Ny PM Erdogan: Tsy maintsy mizaka ny vokatr'ireo asa fampihorohoroana nataony ny fanjakana tsirairay avy, ka isan'izany i Israely.

Tsy tara ireo mpandefa bitsika nampibaribary ny fomba itondràna ireo Kiorda any Torkia, sy nandray an-tànana ireo zava-nitranga vao tsy ela akory, raha toa ka nanao ny lahateniny i Erdogan tamin'izany fotoana izany. Indreto ny sasantsasany tamin'ireo fanehoan-kevitra:

@Hevallo [6] #Erdogan: Raha toa ka i Palestina manana mponina 4 tapitrisa aza mendrika ho fanjakana, ahoana kosa ny momba ireo Kiorda 40 tapitrisa? #ArabLeague #Egypt

@khaledfahmy [7] Ireo famonoan'olona tany Torkia no nanetsika ireo Kiorda hanao hetsi-panoherana ….Avelao ho jeren'i Erdogan ity lahatsary ity:

@fatmaemam [8]Toy izany ny zavatra hitranga raha toa ianao ka Kiorda & tapa-kevitra ny hankalaza ny kolontsainao ao #Turkey http://bit.ly/nKaMVF #kurdishrights

@fatmaemam [9] I Torkia dia fanjakana tena nasiônalista ka ny kolontsaina vitsy an'isa toy ny Kiorda dia tena voahilika tsy misy antra tokoa any #turkey #erdogan

@MiranHosny [10]Tsy azoko an-tsaina velively hoe, nahoana ny olona manana hevitra mamay be momba an'i Isiraely toy izany no afaka hanome baiko hanitsakitsaka ny zon'olombelona amin'ireo #Kurds #Erdogan.

@norashalaby [11] #Ny Ligy Arabo dia anisan'ireo fikambanana tena tsy misy ilàna azy izay mbola misy hatramin'izao noho ny antony vitsivitsy.

@M_Magdeldin [12] #Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny Ligy Arabo, ary izany dia mampahatsiahy ahy ireo fitondrana jadona ao amin'ny tontolo arabo izay tsy antenaina intsony ny hahatafavoahana aminy, tokony ho foanana tanteraka izy io.

@AbirKopty [13]Angamba Tsy mbola fantatr'i #Erdogana & ny tariny fa tsy vendrana velively ireo tanora Arabo vao misandratra. Fantatsika rehetra fa misy tombotsoa miafina ao ambadiky ny teny mamy.

@Remziya [14] Raha mitetitety ny tontolo Arabo i #Erdogan miampanga an'i #Israel ireo #Kurds kosa mitohy hatrany mizaka vono moka any #Turkey! Fihatsarambelatsihy tapitr'ohatra.