- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo Arabo: Mifampiarahaba Amin'ny Fifidianana Ao Tonizia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Nahazo fihobiana tsara avy amin'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny Toniziana, amin'izao fotoana handehanany hifidy ireo mpikambana 218 ao amin'ny antenimieran-dalàm-panorenana izay hisahana ny famolavolana ny lalàm-panorenana ao amin'ny firenena, ary hanendry ny filoha sy ny governemanta vonjimaika.

Manan-tantara ny fifidianana satria voalaza ho toy ny ‘fifidianana malalaka voalohany ao amin'ny tontolo Arabo hatramin'ny nisian'ny revolisiona tany Tonizia, ka nitarika ny fionganan'ny fitondrana Zeine Al Abideen Ben Ali nitondra nandritra ny 23 taona, nandositra avy tao Tonizia ka nialokalofany tany Jeddah, Arabia Saodita. Nanintsana ihany koa ny filoha Ejipsiana Hosni Mubarak, izay nitondra nandritra ny 32 taona, sy ilay mpitondra jadona tao Libya Muammar Gaddafi, izay maty telo andro lasa izay, roa volana taorian'ny nifaranan'ny fitondrany nandritra ny 42 taona.

Mitodika ao Tonizia avokoa ny maso rehetra ankehitriny, amin'izao fiotazan'ny Toniziana ny vokatry ny revolisiona nitoloman'izy ireo izao.

Dima Khatib nanambara hoe:


@Dima_Khatib
: Tunisia is the democratic lab of the Arab World. We really count on you Tunisians ! #TnElec

Tonizia no laboratoara demokratikan'ny Tontolo Arabo. Manantena anareo izahay ry Toniziana

Ni-tweet i Shadi Hamdi:

@shadihamid [1]: Today, #Tunisia is holding the first real elections of the Arab spring. #TnElec

Androany no nanatontosa ny fifidianana tena izy avy amin'ny lohataona Arabo i Tonizia

Nanoratra ilay Ejipsiana Bassem Sabry:

@Bassem_Sabry [2]: Today is both #Libya's official declaration of Liberation, as well as #Tunisia & The Arab World's first free elections. Great day.

Androany no fanambarana ofisialy ny fanafahana, sy ny fifidianana malalaka voalohany amin'ny tontolo Arabo sy Tonizia

Manampy ilay Libyana Guma El Gamaty:

@Guma_el_gamaty [3]: 8 months since revol. Tunisians hold 1st democratic elections. After 8 months of rev. Libyans r free & will have 1st elections in 8 months!

8 volana ny revolisiona. nanatontosa ny fifidianana demokratika voalohany i Tonizia. 8 volana taorian'ny revolisiona, hanatontosa fifidianana ao anatin'ny 8 volana ny Libyana afaka

Misentosento tamin'ny fifidianana nampiakatra ny Hamas teo amin'ny fitondrana koa ny Palestiniana Lina Al-Sharif:

@livefromgaza [4]: I just feel so happy for the #Tunisians! All the best from #Palestine.There was a time when we had an election, but the West didn't like it!

Mahatsiaro afa-po amin'ny Toniziana aho. Mirary ny soa rehetra ny avy aty Palestina. Nisy ny fotoana nanao fifidianana izahay fa tsy nankasitrahan'ny tandrefana izany

Mahatsapa manana rehareha ilay Jordaniana Naseem Tarawnah:

@tarawnah [5]: Today, #Tunisia makes me proud to be an Arab. Thank you.

Androany, mampirehareha ny maha-Arabo ahy i Tonizia. Mankasitraka

Mitsiky tanteraka ny namana Jordaniana Nadine Toukan:

@nadinetoukan [6]: Bouazizi is smiling today 🙂 #Tunisia #tnelec

Nitsiky i Bouazizi androany 🙂

Manahy ny fahazoan'ny antoko Islamika Ennahda [7] ny ankamaroan'ny seza kosa ny maro.

Mnamarika i Hoda Abdel-Hamid:


@HodaAH
: #Tunisia takes the lead again and goes to the poll. friend said half joking ” tomorrow we will know whether we r secular or islamist.”

Mitari-dalana indray i Tonizia ary mandeha mifidy. mamazivazy zary tenany ny namana iray “rahampitso ho fantatsika fa lahika isika na islamista

Maneho hevitra i Blake Hounshell Tonian'ny Foreign Policy‘s mipetraka ao Doha:

@blakehounshell [8]: Tunisia: Ennahda will probably do well today because it focused on jobs, while the liberal parties focused on … Ennahda. #tnelec

Tonizia: Mety hahavita ny tsara kokoa i Ennadha satria nifantoka kokoa tamin'ny resaka asa, raha ny nifantohan'ny antoko liberaly kosa dia… Ennahda

Ary mamafa izany karazan-tahotra izany ilay Ejipsianina Mohammed Kamel:

@MohHKamel [9]: Don't forget that #Tunisia-ns are more secular than us, and they're way ahead of us when it comes to literacy rates & women's rights. #Egypt

Aza adinoina fa lahika kokoa noho isika ny Toniziana, ary lasa alohantsika izy raha resaka fahaizan-taratasy sy zon'ny vehivavy

Na inona na inona ny ho vokatry ny andro, mamehy ny fihetseham-pon'ny maro amin'ity andro manan-tantara ity i Free Tunisian na i  Tounsiahourra  [ar]:

لم أبكي وحدي اليوم كانت جلسة ضحك ودموع وفخر بانتمائنا لتونس أكثرنا ينتخب لأول مرة كل التحية لشهدائنا وجرحى الثورة هم من حققوا حلمنا
@tounsiahourra [10]: Tsy nikiaka samirery aho. Androany, nipetraka izahay ary nihomehy, mirehareha amin'ny maha-Toniziana anay. Sambany vao nifidy ny ankamaroanay. Ho an'ny maritiora sy ireo maratra nandritra ny revolisiona ny vavakay. Ireo no nahatonga ny nofinayho azo tanterahina.