- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombià: Namoy ny Ainy Ilay Mpandraharaha Julio Mario Santo Domingo

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

Namoy ny ainy tao New York teo amin'ny faha- 87 taonany, ilay mpandraharaha Kolombiana  Julio Mario Santo Domingo Pumarejo [1], tamin'ny 7 Oktobra lasa teo, lehilahy mpanankarena indrindra maneran-tany araka ny tatitra navoakan'ny Forbes [2] izy.

Tamin'ny alalan'ny vondron'ny orinasany Bavaria [3] sy ny orinasany Valores, no nitantanany orinasa maherin'ny 100, anisan'izany ny famokarana labiera (brassage), radio, fitaterana an'habakabaka, ary ny fahitalavitra ao Kolombia, ao koa orinasa hafa eo amin'ny sehatra maro (tahaka ny fandintseranana sy ny fampirimana entana).

Niara-dalana tamin'ny tetikasa ara-tsosialy hatrany  ny asany. Tamin'ny fiaraha-miasa teo amin'ny fikambanany mpanao asasoa amin'ny governemanta ao Bogota,  no nametrahany ny Sekolin'ny  Zavakanto sy ny Asa-tanana “Santo Domingo [4]” sy nananganany ny Foibe ara-kolontsaina sy Trano Famakiam-boky Julio Mario Santo Domingo. [5]

Raha namoaka fanehoan-kevitra tsara milaza ny fiainan'i Julio ny  fampahalalam-baovao [6] tao Kolombià, ny gazety-boky gazety Dinero kosa nitanisa zavatra dimy mahasosotra  sy fahadisoana dimy lehibe nataony nandritra ny fitantanany ny orinasany tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Lime and Sand [7]” (Sokay sy ny Fasika).

[8]

Foibe Kolontsaina sy Trano Famakiam-boky Julio Mario Santo Domingo, sary: Colombia Travel on Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Naneho ny fihetseham-pony tamin'ny fomba isan-karazany ireo mpiserasera.

Ny Bilaogy Soy Periodista [9], taorian'ny fanadihadiany mikasika ny mombamomba azy sy ny zava-nitranga marobe mahaliana, namehy tamin'ity fehezan-teny ity:

Paz en el panteón al gran Julio Mario Santo Domingo Pumarejo, benefactor social y económico de Colombia y otros países.

Fiadanana ho an'ilay olona manan-danja Julio Mario Santo Domingo Pumarejo, mpanao asa soa ara-tsosialy sy ara-toekarena ao Kolombià sy any amin'ny firenen-kafa.

Ny Bilaogy Radal Económico Internacional [10] nanome voninahitra ho an'ity mpandraharaha ity ihany koa:

Murió siendo el segundo accionista de la segunda cervecera más grande del orbe, la surafricana SAB Miller, con la que negoció en 2005.

Namoy ny ainy ilay mpiombon'antoka lehibe faharoa amin'ny orinasa mpanao labiera lehibe faharoa manerantany, SAB Miller avy ao Afrika Atsimo, izay nifampiraharahany tamin'ny taona 2005.

Daniela Gómez (@dgomezvittorino [11]) nizara izay tweet nalefan'ireo mpisiokantserasera mikasika ny lahatsoratra nosoratan'i Portafolio [12] izay manambara [13] tao amin'ny Forbes laharana 110 ahitana  an'i Steve Jobs laharana roa aorian'i Julio Mario:

Julio Mario Santodomingo era incluso más rico que Steve Jobs!

Julio Mario Santodomingo no mbola manankarena kokoa noho i  Steve Jobs!

Julian Velasco (@Julianchov [14]) nanontany an'i [15] Santo Domingo noho ny fivarotany ny orinasany vantany vao miroborobo tao Kolombià:

No creo que Julio Mario Santo Domingo sea alguien al que le debamos nada, antes el robo el país y después se fue vendiendo todo a extranjeros.

Tsy mino aho fa olona tokony ahazo sitraka avy amintsika i Mario Santo Domingo, mifanohitra amin'izany, nangalatra tao amin'ny firenena izy ary avy eo nivarotra izany tamin'ny vahiny

Pieranghela Riaño (@Pieranghela [16]), ni-tweet feno fanebahana, naneho ny fisalasalany mikasika ity olo-malaza mpanao asa soa araka ny famaritan'ny maro  an'i  Santo Domingo ity:

Julio Mario SantoDomingo Filántropo??? Filántropos mis codos!!! Tanta caridad fue por beneficios tributarios.

Julio Mario Santodomingon mpanao asa soa?? Eny Marina!!! Avy amin'ny tombotsoa tamin'ny hetra avokoa izany asa soa rehetra izany .

Namoaka fanadihadiana mitondra ny lohateny hoe “The King of Fraud” (Mpanjakan'ny Hosoka ) ny bilaogy Restauración Nacional, ahitana ny boky nosoratan'ilay mpanao gazety Gerardo Reyes [17] any amin'ny faran'ny lahatsoratra [18], izay mitsikera ilay mpandraharaha:

Don Julio Mario, es una historia del capitalismo salvaje de este magnate, que describe la trayectoria empresarial y política de JM Santo Domingo, con varias de sus prácticas fraudulentas, respaldado con fuentes, que han costado algunos millones al bolsillo público del pueblo colombiano.

Don Julio Mario, tantaran'ilay Goavana avy amin'ny kapitalisma,  izay namariparitra ny fandraharahana sy ny politika nosahanin'i JM Santo Domingo tamin'ny fanaovana hosika marobe nataony, notohanana ara-bola, izay niaretan'ireo Kolombiana an-tapitrasany marobe.

Héctor Abad Facio Lince nanoratra [19] tao amin'ny gazety El Espectador [20]mba hampatsiahy ny vanim-potoanan'ilay Kolombiana nahazo Loka Nobel Gabriel García Márquez izay nanasa azy tao an-tranon'i  Santo Domingo ao Etazonia. Hoy izy nanampy izany:

[…] Resolvió salvar a El Espectador de una quiebra inminente. Y no sólo salvó esta empresa, que es un orgullo del periodismo colombiano, sino que (al menos en lo que a mí me consta como miembro del Consejo Editorial), nunca metió la mano para decir lo que debía pensarse o publicarse y lo que no.

[…] Niezaka nanavotra ny El Espectador izay efa teo ambavahoanan'ny bankirompitra izy. Ary tsy nanavotra ny orinasa ihany izy, izay reharehan'ireo mpanao gazety Kolombiana, fa (fahafahakeliny araka ny fantatro amin'ny maha mpikambana ahy ao amin'ny komitin'ny fanoratan-dahatsoratra) mbola tsy niditra an-tsehatra niteny taminay izay tokony hoeritretinay na izay tokony na lahatsoratra tsy tokony avoakanay.